voir

Traductions " INONA NO MAHATSARA NY FAHALALANA NY TANTARA MAHA-MALAGASY FAHINY?

L'Edito : « INONA NO MAHATSARA NY FAHALALANA NY TANTARA MAHA-MALAGASY FAHINY? »             806183  13/06/2008 

     Tsy mihambo ho fampianarana mahafeno izay tian-kolazaina akory ity lahatsoratra fohy ity fa mba hevitra hifampizaràna amin'ny havana, sy ny tapaka sy namana fotsiny ihany. 

     Maneran-tany mantsy, ho an'ny firenena maro, dia toa zava-dehibe tokoa ny fahalalana ireny tantara ireny (Tantara, finoana, angano, fomba amam-panao, sns) satria sady mandrafitra no mampivoatra ny maha-Izy azy ny tsirairay izy ireny no mamaritra sy manazava ny tontolom-piaraha-monina koa, na vohitra izany, na faritra, na firenena, ka azo hitarafana ny kolon-tsainany sy ny mampiavaka azy amin'ny hafa, izay manome lanja azy eo amin'ny seha-pifanakalozana sy fifandraisana, ka anisan'ny nahatonga an'ny UNESCO hanokana ny 21 Mai ho "Andro iraisam-pirenena momba ny fahasamihafàna ara-kolotsaina".

    Ho an'ireo tsy mpino an'Andriamanitra ohatra, na olona no resahana na firenena, dia ny siansa ara-java-misy (matérialisme) ihany mazàna no tena mibaiko ny fisainana sy ny fihetsika enti-miaina ka mitarika ho any amin'izay tanjona katsahana. 

    Ho an'ny Malagasy indray (sy ny Tatsinana sasantsasany) dia ny "Fanahy no olona" no tanisaina ombieny ombieny, na dia voakilasy ho tsy mpino aza ny mihoatra ny antsasa-manila an'izy ireo. 

    Ary ny finoana kristianina kosa sy ny Vaovao Mahafaly dia mampianatra fa "mifanipaka" ny filan'ny nofo sy ny Fanahy", ka ity farany no tokony imasoana raha te ahatratra ny fahasambarana sy ahazo ny fiainana mandrakizay.


  
Na ahoana na ahoana anefa dia tsy azo lavina, ary voaporofo eo amin'ny fiainana andavanandro, fa izay rehetra noariana dia manana ny ilàna azy (utilité), ny lamina na fandaharana mandrindra azy (ordre), ny lalàna mifehy azy (lois) mba ahatratrarany ny fahalavorariana ao amin'ny fiafarany (finalité). Ka na inona firehan'ny olona tsirairay dia tsy azo hodivirana mihitsy ny Fahalalana, izay maha-sarobidy ny fianarana sy fampianarana. 

 Koa arak'ireo voalaza eo ambony ireo, dia azo lazaina fa akora fototra tena sarobidy tokoa ny fahalalana ny Tantara maha-Malagasy fahiny, satria fanoitra lehibe ho an'ny fivoaram-piainana sy ny fampandrosoana izy ho an'ny tsirairay, na ara-batana izany, na ara-panahy. Ary ny "finoana fotsiny ihany" dia tsy misakana 

Connaître l'Histoire de Mada sur Rainizafimanga.com  ( ... )

velively ny fisainana (raisonnement) sy ny fandinihina ary famakafakàna lalina mba hahitana ny tena "Marina", izay "fisaka" ka saro-tadiavina hoy ireo razantsika feno fahendrena, ary "ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy" hoy ny soratra masin'i Kristy                                           

Moise Ramilamintsoa d'Antananarivo

Webmaster de taniko.free.fr

Traductions (Fr & Mg)  par l'Auteur et (Gb) par Lolona Morse de Boston (USA)

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Moise et Lolona ont répondu à notre appel pour publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !    

Les infos du monde en permanence L'actu internationale en temps réel

 

                                        ...Liste de  tous les Editos >> Les Archives de MadaVôvô                                 ... Pour Envoyer un article ou Pour nous contacter >>