Vous êtes la bienvenue sur le site d'Animation....

ARRrr...

http://a.ratsimbarajohn.free.fr/   &   www.rainizafimanga.com

Inosivolafotsy sy Rakotrokotrodrano nosoratan' i 

Clarisse Ratsifandrihamanana

Angano... Angano... Arira... Arira...

 - Contes et Légendes malgaches -

Le Sommaire des contes et Légendes malgaches

Angano Arira

  Angano & Vidéo..  Cliquez-ici   

Inosivolafotsy sy Rakotrokotrodrano (1976)
(sombiny)

      Namolavola olona, hono, Andriamanitra, ka nofofoniny aina, ary namponeniny tao INOSIVOLAFOTSY, voahodidin’ny ranomasina. Tsara tarehy ity toerana ity sady mahavokatra; ny toerana sasany izay tsy ahitana karazan-java-maniry fihinam-boa sy tsy mba be voninkazo, dia tsy diso anjara kosa satria… tondraka any ny fiompiana.
Nokalian’Andriamanitra tokoa ireto olona ireto : ny volon-kodiny dia nampiasany ny fahaizany mandoko, ka nalefany tao avokoa ny karazan-doko…manomboka amin’ny mivolon-kafe mahery, ka hatrany amin’ny mivolom-bola tsy vaky matsora. Ny volon-dohany mainty, nanamparany ny fahaizany mamoly, ka ao ny ngitangita madinika, ao ny oly vaventy, ao ny tsotra dia tsotra… hatrany amin’ny bikabikany no nasiany izany lava tsanganana sy ny fonentanentana, ny matsoratsoraka sy ny dorodosy tazanina… ary ny toetr’endriny dia tao ny petapetaka orona, tao ny maranidranitra.

      Nisy farihy iray lehibebe teo afovoan’INOSIVOLAFOTSY, ary nanorin-trano nanodidina io farihy io ireto olona… saingy, raha nanorim-ponenana izy ireto dia nifampijerijery aloha, ka ireo nihevitra fa mitovitovy bika no indreo niara-nitangorongorona teny… vetivety foana dia hita fa nitsitokotoko ho valoambinifolo an-toerana izy ireto.
Nampalahelo kosa taty aoriandriana fa nanomboka tsy dia nifankahazo am-po loatra izy valoambinifolo toko: nifaninana, nifampitsikera, nifangarika kely, nitranga aza ny hoe “tsy hifanambady raha tsy izy samy izy ihany”… ary dia tao ny nifanafika mihitsy!

      Na izany aza dia niombonan’izy rehetra kosa ilay farihy tafovoan’ny nosiny. Tao ihany ny fifandrafian’ny olona, fa ny dia nanembantsembana ny fiadanan’ny mponin’INOSIVOLAFOTSY, dia ny fisian-dRAKOTROKOTRODRANO tao amin’ny farihiny!
Natahotra mafy an-dRAKOTROKOTRODRANO ny mponin’INOSIVOLAFOTSY. Monina ao anaty farihy izy io, ary sampontsampona be ihany fa tsy mitovy amin’ny mponin’ny tany… Mibikan’olona ihany izy, saingy, roa ohatry ny olona ny habeny… Misy vombony ny lamosiny rehetra iny; mifarana amin’ny Rambo miisa fito ny tenany… Rambo mitsipelipelika be ihany, ary ny rantsan-tanany aman-tongony dia mitambatambatra fa tsy mba misaraka…
                                                    

Extrait de http://www.clratsifa.com

Les Oeuvres littéraires de Clarisse Ratsifandrihamanana

- 

 

Angano...Angano 

Arira... Arira !!!

 

 TSINGORY MPANDIHY

 de Prosper Rajaobelina (Rz5) ...  Cliquez-ici  >>

 

 

Sommaire Angano