Vous êtes la bienvenue sur le site d'Animation....

ARRrr...

http://a.ratsimbarajohn.free.fr/   &   www.rainizafimanga.com

TSINGORY MPANDIHY - boky Tsingory, nosoratan' Andriamatoa Prosper RAJAOBELINA, sary nataon'Andriamatoa Poly NELSON

Angano... Angano... Arira... Arira...

 - Contes et Légendes malgaches -

 

Le Sommaire des contes et Légendes malgaches

Angano Arira

  Angano & Vidéo..  Cliquez-ici   

TSINGORY MPANDIHY

      Isan’ny voasikotra lalina ho an’ ny lehibe ankehitriny asa-soratra navelan’Andriamatoa Prosper Rajaobelina (1913-1975), ka rariny tokoa raha velomina maso indray ho an’ny taranaka hifandimby. Isan’ny santionany amin’izany Tsingory sy ny tantaran’Ikoto sy Ikalo saika lanin’i Rakakabe sy ny sary niaraka aminy.

              

       Zazalahy tia dihy i Tsingory. Finaritra ery izy mitsinjaka sy mitoto rebika.
Indray andro, hono, nandalo ny lapan’ny mpanjaka I Tsingory, ka hitany ilay vorona tian’ny mpanjaka indrindra. Notorahany vato ilay vorona ka dangy tery. Natahotra ny mpianbina izy ka lasa nandositra nody. Nony tonga tany antrano dia nafenin-dreniny tao anaty horonan-tsihy.Tsielaela, indreto tamy ny iraky ny mpanjaka hisabotra azy. Tsy niditra ny trano izy ireo fa teo ambaravarana no nijoro sady nively aponga.
Hoy ny hirany:
“Tsy aty ve Tsingory izay ô?Tsingory re no tadiavinay
Tsingory namono vorona ô,
Voron’ny mpanjaka re!”

Tsy nihetsika I Tsingory tao anaty horonantsihy fa efa nopeperan-dreniny mafy. Bola nihira ihany ny iraka sady nantsoiny ny olona hitehaka.
“Aiza re I Tsingory ?Aiza re ny nalehany,
Fa midoboka re ny amponga,
Efa vory re ny kilonga?”
 
Nandre tehaka sy ny hira I Tsingory ka may handihy, hany ka nikofokofoka izy tao anaty tsihy sady niteny hoe:
-“Tsy tantiko intsony… tsy tantiko intsony ry Neny!”-“Mangina ianao, fa hovonoiny raha reny eo”, hoy reniny.Mbola nitohy ihany anefa ny hira:
“Tsy aty tokoa ve I Tsingory?Manako foana re ny lamako,
Mitehaka tsy an-dihy e ny vahoaka,
Tsingory anie ka tsy hita ô!
Tsy nahatanty intsony , hono, I Tsingory ka nivoaka avy tao anaty hotonantsihy. Nankeo afovoan’ny vahoaka izy dia nandihy nitoto tany sy nisonenika.   Faly loatra ny mpanjaka nahita ny dihiny ka niteny 

tamin’ny olona hoe:-“Aza vonoinareo re I Tsingory, fa ataoko mpandihy any andapa! Dia tsy novonoina hono I Tsingory fa lasa mpandihy malaza. Angano angano nefa mety tena marina ihany.
Izay no tantaran'i TSINGORY, Soratra sy sary nalaina tamin'ny boky TSINGORY. nosoratan'i Prosper RAJAOBELINA.
Samy manana ny filazany anefa ny lovantsofina. Fantatra ary fa Andriamanampanenitra (nanjaka tao Imerina tamin’ny 1480 tany ho any ary rain’ny Mpanjakavavy Rangita) no anaran’io mpanjaka io. Misy milaza fa tsy toraka no nahafaty ny vorona fa isankariva dia mankany ambodirova i Tsingory mifaninana mihira aminy; reraky ny havizanana ilay vorona tamin’io hariva io ka torana. Misy kosa indray milaza fa tian’i Tsingory loatra ilay vorona ka niakarany ny tambohon’ny lapa hakany azy; saingy voafehiny mafy loatra tao anaty lambany ka torana. Amin’ireo lovantsofina roa ireo nitambelona ny vorona nony nandre an’i Tsingory nampihirain’ny mpanjaka. Ka ankira sy mozika no

 nodian’ny mpanjaka namonjy ny rova    ... suite Cliquez-ici 

                                                   Extrait de http://www.ankizy.fr.gd/www.ankizy.fr.gd                             

- 

 

Arira... Arira !!!

 TSINGORY MPANDIHY

 de Prosper Rajaobelina (Rz5) ...  Cliquez-ici  >>

Angano...Angano

Arira... Arira !!! 

  de  Ratsifandrihamanana Clarisse (Rz1) ...  Cliquez-ici  >>

 

Sommaire Angano