|
IKOTO sy IKALO
Isan’ny voasikotra lalina ho an’ ny lehibe
ankehitriny asa-soratra navelan’Andriamatoa
Prosper Rajaobelina (1913-1975),
ka rariny tokoa raha velomina maso indray ho an’ny
taranaka hifandimby. Isan’ny santionany amin’izany
Tsingory sy ny tantaran’Ikoto sy Ikalo saika
lanin’i Rakakabe sy ny sary niaraka aminy.
|
AM-PONJA
Mpianadahy mifankatia tokoa Ikoto sy
Ikalo.
Indray andro
hono, naira-nihaza tany antsaha izy dahy.
Variana loatra anefa ka maizina ny andro vao nahatsiaro nody. Kinanjo
tratran-dRAKAKABE. Faly ery Rakakabe fa nahazo ankizy ataony sakafo. Nofejainy
Ikoto, nobedainy Ikalo. Nikofoka mafy anefa Ikoto, nipelipelika izy,
nandaka, namely totohondry.
Ka inona tokoa, tsy voatanan-dRakakabe intsony.
Niporitsaka Ikoto, niolomay nody tany antrano ary nitantara tamin’ny olona fa lasan-dRakakabe Ikalo fa izy kosa afa-nandositra.Nentin-dRakakabe tany an’ala
Ikalo, tsy nohaniny fa mbola mahia fa nohidiany tao amin’ny efitra fanatavezana ny ankizy
azony. Nisy folo , hono , ny ankizy tao. Ny atoandro mba avelany hivoaboaka
ihany, fa ny alina kosa dia hidiny mafy ny varavarana.
|

|
Nalahelo an’Ikalo ery
Ikoto. Ka niteny tamin-dreniny izy:-Handeha hanafaka an’Ikalo aho ry
Ineny!-Aza manao izany re, fa hanin-dRakakabe any koa ianao, izao aza efa loza fa lasa ny
anabavinao!
Nikiry anefa ilaikely ka tsy azo notanana. Dia niainga Ikoto, nandeha andro aman’alina ka tonga tao antananan-dRakakabe nony
farany.
ASA TSY EFA.
Avy hatrany hono izy dia namantana tao
antranon-dRakakabe:
-Mitady asa, tompoko o!
-Inona no raharaha hain’ialahy kely io?-Mahay izay ampanaovinao aho , tompoko !
Nieritreritra, hono, Rakakabe, ka izao no eritreriny:
“Ekeko ity, nefa raharaha sarotra no omeko azy, rehefa tsy mahavita dia hotanako fa manadala ahy
foana! “-Eny ary, hoy izy tamin’Ikoto. Misy kirihitr’ala iry atsinanana
iry. Esory ny zavamaniry rehetra ao, asao ny tany, voleo vary ka mitondra vary antsobiky rahariva
andrahoiko. Ireo ny famaky , ireo ny angady.Nefa anie ka famaky sy angady hazo ireo nomeny ireo e!
Lasa ikoto, vao nikapany ny famaky dia simaka, Vao natsatony ny angady dia
dombo. Kivy Ikoto. Hany heriny nitakoko. Aiza tokoa moano hanongotana ireo kirihitra rehetra ireo , hiasana
tany, hambolem-bary, hijinjana azy. Mila voatsiary Rakakabe: izany ve ho vita indray andro ?
Natahotra Ikoto nony nody iny hariva iny. |

|
LOSITRA SY
ENJIKA:
Tsy nahavita
ialahy, hoy Rakakabe raha vao nahita azy. Hataveziko ialahy dia hohaniko fa manadala ahy foana !
Dia natosiny tao an’efitra fanatavezana ankizy Ikoto. Vao niditra ny varavarana Ikoto dia
tazan’Ikalo. Faly ery izy dahy nifankahita indray. Nifampitantara ny nanjo azyu teo izey sady nikaro-kevitra handosirana.-Haiko ny mamoha io varavarana
io, hoy Ikalo. Andao isika handeha rehefa alinalina
-Raikitra izany, hoy Ikoto.
Nony misasak’alina, novohain’Ikalo ny varavarana. Nitsaitsaika nivoaka izy mianadahy dia nihazakazaka mafy na maizimbe azan y andro.Tezitra nisafoaka Rakakabe tsy nahita azy ny
maraina.
-Henjehiko ireny izao ankehitriny izao, hoy izy, ary haniko avy hatrany raha vao
tratrako! Dia niriotra |

|
nifofofo
izy.
Lava dingana moa Rakakabe ka tamin’ny mitatao vovonana dia tazany tery amororon-drano tery Ikoto sy
Ikalo.
LANY
RAKAKABE:May ny ain’izy dahy. Dia hoy hono Ikoto.-Raha andrian-dray, raha andrian-dreny, aoka hiova ganagana !
Dia tonga ganagana roa tsara tarehy hono izy
mianadahy, ka nirotsaka tao an-drenirano hiampita.
Raha nahita izany i Rakakabe dia niova ho katsaka. Izao hono no tetik’adiny : rehefa manantona hihinana ny katsaka ireo gana roa dia hivadika haingana ho ho Rakakabe indray
izy, ka hosamboriny ikoto sy Ikalo.Kinanjo, ray olona, ka notsoriahin’ireo gana roa haingana toy ny tselatra ny katsaka dia
nateliny. Lany Rakakabe-katsaka. Tsy misy Rakakabe intsony.
Niova ho olona indray hono , Ikoto sy Ikalo. Inona hoy ianareo no nataony ?
Nankany amin’ny tranon-dRakakabe izy dahy. Navoakany daholo ny ankizy rehetra nangalarin-dRakakabefony
fahavelony. Nasainy naka izay tiany tamin’ireo fananan-drakakabe ny zaza rehetra.Dia niainga
izy. Hafaliana moa ny an’ny ankizy nanao diabe namonjy ny ray aman-dreniny
avy.
|

|
Izany hono no tantaran’Ikoto sy Ikalo ary hatramin’izay hono dia tsy nisy rakakabe intsony fa efa lanin’izy dahy ny farany indridra.Angano anefa
izany, ka angano, izaho mpitantara, ianareo mpitsentsitra !
...
suite
Cliquez-ici
Extrait
de http://www.ankizy.fr.gd/www.ankizy.fr.gd
-
|