 |
Mais qui est aussi Mme Rakotoarisoa Julie?
Julie Rakotoarisoa–15 juillet 2012. Katedraly Analakely
<=
ci-contre:
les
photos des 2 amies :
Mme
Georgette RABENORO et de Mme Julie RAKOTOARISOA |
T |
sy izaho velively
no tokony nijoro teto raha hilazalaza momba an-dRtoa
Julie Rakotoarisoa, fa ny reniko, Georgette Rabenoro,
raha mbola teo izy. Mbola mpitovo tokoa mantsy izy
mirahavavy no efa mpinamana, ary |
araka ny tantara henoko
hatramin’ny
foin’ny kely, dia mandalo maka an’i Georgette i Julie isa-maraina
tao Tsaralalana, dia miara-mandeha an-tongotra, miakatra any
amin’ny lycée Gallieni izy roa. Azo an-tsaina fa izy
miarahavavy dia anisan’ny tovovavy vitsy dia vitsy nandrato
fianarana ambaratonga faharoa ka tonga hatrany amin’ny
baccalauréat tamin’izany andro izany.
Azo ny baccalauréat, dia samy nandeha tamin’ny làlany
aloha izy mirahavavy, nanambady, niteraka. Asa anefa na
nifanaraka indray izy roa na ahoana, fa afaka taona
vitsivitsy dia ireny indray fa niara-nandrato fianarana
ambony, ka samy nahazo ny licence en droit. Raha ny
fahafantarako azy, dia mpirahavavy ihany koa, saingy iray
tampo, dia i Rtoa Berthe Raharijaona sy Rtoa Emilie Radaody,
no hany vehivavy Malagasy nialoha làlana azy, nahazo izany
mari-pahaizana amin’ny lalàna izany, ka nanao ny asan’ny
mpitsara tamin’izany andro izany.
T |
elo-polo taona
mahery no nanaovan’izy mirahavavy izany asa naha-mpitsara
azy izany : asa maha-mpitsara, tsy mora fa
antsoin’ny polisy amin’ny sasan-kalina ny substitut
du procureur de la République rehefa misy fati- |
olona hita mampiahihahy.
Alim-be vao mody rehefa mandeha ny cour criminelle spéciale,
hitsarana ny mpangalatra omby. Sarotra hoy aho ny asan’ny
mpitsara, tsy ahitàna tory indraindray, mieritreritra hoe :
nety ve iny fanapahan-kevitra noraisiko iny ? Tena ampy ve
ny porofo nentiko nanameloka iny olona iny ? sns. Ao
anatin’izany fahasahiranan-tsaina izany anefa, amin’ny maha
renim-pianakaviana mahafatrapo, dia tsy maintsy arahina
hatrany koa ny fanaovan’ny ankizy ny enti-modiny.
Niakatra tsikelikely ny zana-tohatra rehetra tao
amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izy mirahavavy, ka
tonga tao amin’ny Cour d’Appel. Rehefa tonga ny fotoana, dia
niakatra indray ho ao amin’ny Cour Suprême. Raha nitsangana
tany amin’ny taona 1980 tany ho any ny Formation de
Contrôle, izay manara-maso sy manadihady ny fomba fiasan’ny
mpitsara tsirairay, endrika voalohany nomena ny ady amin’ny
kolikoly eo anivon’ny Fitsarana, dia Rtoa Julie Rakotoarisoa
no voatendry ho filohany voalohany. Izany dia noho ny
traikefa nanany betsaka tokoa teo amin’ny sehatry ny
Fitsarana, ary indrindra ny fahafantaran’ny
tompon’andraikitra ny fahamarinana matotra izay nentin-dRtoa
Julie Rakotoarisoa nanatanteraka hatrany ny adidiny.
Raha nisotro ronona izy tamin’ny taona 1985, dia mbola tsy
nahafoy ny tontolon’ny Fitsarana izay nanokanany ny heriny
rehetra nandritry ny taona maro, ka nanao indray ny asana
mpisolovava, izay nahitany fahombiazana tanteraka ihany koa,
noho ny fahaizany ny lalàna sy ny fombafomba rehetra
mifandray amin’izany.
T |
sy teo
amin’ny tontolon’ny Fitsarana ihany anefa no
niarahan’izy mirahavavy niasa. Teo dia teo koa ny
nilofosany tamin’ny fanabeazana ny tanora latsaka
amin’ny fahasahiranana, ka nirotsahany tao amin’ny
|
Association pour la Sauvegarde et la
Protection de l’Enfance (ASPE). Tsy noraisiny ho anisan’ny
asa naha mpitsara ny ankizy (juge des enfants) fotsiny manko
ireny tanora sy ankizy ireny, fa nataony toa ny zanany, ka
maro ny nifandray am-po taminy, ary nandray azy ho reniny
mihitsy.
Toa izany koa no niarahan’izy mirahavavy hatrany tao
amin’ny Fikambanana Mpanohana ny Faculté de Théologie
Ambatonakanga. Be fitiavana izy, ary tsy sasatra nikaroka
hatrany izay fomba rehetra azo hampandrosoana izany Faculté
izany, sy hanampiana ny tanora nifandimby, niomana ho
mpitandrina tao.
Izany, raha lazaina tsotsotra, no fantatro momba an-dRtoa
Julie Rakotoarisoa : vehivavy manam-panahy, entanim-pitiavana,
nahavita be teo amin’ny sehatry ny Fitsarana sy ny
fiarahamonim-pirenena, nefa dia nanao izany am-panetre-tena
hatrany.
Handry ampiadanana anie izany reny tantely izany, fa efa
namela ho antsika ny mamy.
Mireille Rabenoro
(
15 juillet 2012. Katedraly Analakely )
Bientôt la traduction du
texte en Français
 |
Le dimanche 15
juillet à l'enterrement devant le tombeau familial
IZA MOA I RAZAFIMAHAZO JULIE REGINE BAKOLALAO ?
lus par son neveu Hajanirina Ramamonjisoa (
l'époux d'Andréa Razafimahazo ) de la part de toute
la Branche Familiale Razafimahazo Gilbert. ...
Cliquez-ici
>>
|
Le Faire-part et Condoléances du Social ARF... Cliquez-ici
>>
 |
Le dimanche 15
juillet à l'enterrement devant le tombeau familial
Les Eloges de
Grand-Maman lus par sa petite-fille (Zafikely) Onja Razafimiarantsoa (
la 2ème fille des enfants de Franck ) de la part de
tous les enfants et petits enfants qui ont réussi grâce à
elle. ...Cliquez-ici
>>
|
Le Faire-part et Condoléances du Social ARF... Cliquez-ici
>>
 |
Le dimanche 15
juillet à la Kathedraly d'Analakely
L'Oraison Funèbre du
15 juillet 2012 lue par Mireille Rabenoro , la
Fille de sa meilleure amie Georgette Rabenoro
Mais qui est aussi Mme Rakotoarisoa Julie?
...Cliquez-ici
>>
|
Le Faire-part et Condoléances du Social ARF... Cliquez-ici
>>
|