|
Edito
: «
Ny Ray aman-dreny sy ny Zanaka...»
912279 11/12/2009
Anio isika dia hiresaka adidy sy andraikitra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny
zanaka. Zava-dehibe ny mahafantatra izany hampirindra tsara ny fifandraisana eo amin'ny
fiaraha-monina, ialana amin'ny fanakorontanana na ny fifandirana amin'izay adidy sy andraikitra mifandrify ny tsirairay avy ary indrindra indrindra hanamafy ombieny ny fifankatiavan'ny ankohonanana iray na hampitombo ny fifanajana sy ny fifaliana eo amin'ny fianakaviana
iray. Andeha horesahina ny
1. Ny adidin'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka
2. Ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny
|
1. Ny adidin'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka
Sitrapon'ny ray aman-dreny no nahatonga ny zanaka teto an-tany
!..Araka izany dia ny ray aman-dreny no manana adidy voalohany amin'ny izay hahasoa sy hahatsara mandrakariva ny taranany ; ny ray aman-dreny no mitady izay fomba rehetra hitomboan'ny zanaka ao anatin'ny
fifaliana, fitiavana, fifankahazoana ary fahendrena. Ray aman-dreny tsy mahay manome fitiavana amin'ny menaky ny ainy dia azo ambara ho tsy ray aman-dreny loatra
!...Ny ray aman-dreny dia FITIAVANA....Tahaka an'Andriamanitra ! Azo ambara sahady ho varavarana hidirana sy hahalana an' Andriamanitra mihitsy
aza... Izany no adidiny voalohany amin'ny sombinainy. Ny fitiavana no antoka voalohany hampisosa ny fifandraisana sy hampirindra ny fifanajan'ny ray aman-dreny sy
zanaka. Ny fitiavana no ilay sira hanome tsiro ny zavatra atao rehetra sy hampahazava ny zavatra rehetra raha sendra ka tandrifin-drahona ny lalana eny ho
eny. Ny fitiavana no ilay andry tsy azo potehina raha tsy tiana ho potika ny adidintsika ray
aman-dreny.
Ny adidin'ny ray aman-dreny koa dia
MPITARIKA, mpanoro sy mpanitsy. Tsy ny zanaka no niaina talohan'ny ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny no niaina talohan'ny
zanaka. Adidin'ny ray aman-dreny tokoa no mialoha lalana azy amin'izay zavatra mbola tsy
nataony, manoro azy amin'izay zavatra mbola mampisalasala azy ary manitsy azy raha sendra solafaka satria ny fiainana dia tsy ny tsara fotsiny ; satria ny
fiainana dia tsy ny mety fotsiny fa ny fifangaroan'ny soa sy ny ratsy ary ny fifamdimbiasan'ny mety sy ny tsy
mety. Indraindray dia toa mora lazaina ihany izany fa sarotra tanterahina rehefa manan-janaka sarotra atoro na rafi-piaraha-monina tsy afaka hampivoatra ny maha-olona eo amin'ny
firenena.
|
|
Adidin'ny ray aman-dreny ny mahatafita ny zanaka.Tsy atao ambanin-javatra ny fanabezana ho enti-miaina any amin'ny hoavy. Ny fitarihana any amin'ny fanabezana no hampisokatra ny maha-izy azy tanteraka sy hampandroso azy sy hampivoatra azy. Izany no Fahendrena tsara indrindra tadiavin'ny ray aman-dreny rehetra eto ambany masoandro. Ny ankizy tsy ampy fanabeazana dia tsy ny ankizy tsy ampy fahalalana fotsiny fa tsy mahataka-davitra amin'ny zavatra
atao.
Adidin'ny ray aman-dreny koa dia ny ho MODELY. Tsy ho modely eo amin'ny fomba fiteny ihany fa amin'ny fomba fiaina rehetra. Tsarovy fa ny ankizy dia tia maka tahaka. Matetika izay hitany eo amin'ny manodidina azy ihany no arahina ; matetika ny fomba fiaina any an-trano no fomba fiainany any an-tsekoly.... Raha tsy mahay mitafy, ohatra, ny ray aman-dreny dia hisy fiantraikany foana any amin'ny zanaka izany !...
Adidin'ny ray aman-dreny ny MANAJA. Tsy tokony heverin'ny ray aman-dreny ho voatavo tsy mifandraka na tsy manana traikefa na mbola tsy nahita fiainana ny ankizy ka hamaivamaivana rehefa miteny na tsy asiana lanjany ny fihetseham-pony, ny toe-tsainy sy ny mba fomba fijeriny ny fiainana. Tokony hajaina tanteraka ny heviny sy ny hetahetany fa ireny no hoavintsika sy ny firenena.Ny Fanambaniana na fanesoana ankizy no mampisaraka eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka. Mila hiteny mihitsy aza aho indraindray fa misy ray aman-dreny tsy mahay manan-janaka ; misy ray aman-dreny manao didy kofehy lehibe : mandidy ny ankizy amin'ny zavatra rehetra satria, hono, tsy mety diso ny ray aman-dreny
!
...Misy tokony nomena fiofanana ny ray aman-dreny alohan'ny ananana zanaka !....
 |
RAKOTOMALALA Eric de Paris
Le Poète Fredy JAOFERA
http://efjr.wordpress.com/
|
(Traductions de
L'Edito
" Ray amandreny sy ny Zanaka...." par Andrianjafy
- Rz2 (fr) et Eric Jaofera de Paris (gb )
Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina",
Eric & Andrianjafy ont répondu à notre appel
de publier des Editos, maintenant à
qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !
|