Vous êtes la bienvenue sur le site d'Animation....

ARRrr...

http://a.ratsimbarajohn.free.fr/   &  www.rainizafimanga.com

... le monde entier a les yeux braqués sur Madagascar ...  

Revenir au MadaVôvô du jour >>

voir

« Commémoration 60 ème anniversaire des évènements de mars 1947 »

vttm47.blog.fr  25/02/2007
Vondron'ny tia tanindrazana mpiady tamin'ny 29 martsa 1947- par vttm47

Nandritran’ny 60 taona nanjakan’ny frantsay teto Madagasikara, dia enjika sy fanabotriana, ary fampijaliana feno habibiana no nihatra tamin’ireo nanohitra azy.

aggrandir la photo  Klikeo eto  >>

 Teo koa ny asa an-terivozona, ny lahasa tsy misy karama, ny asa 30 andro izay asa tsy maintsy ataon’ny tovolahy feno 18 taona, ny karatra isan-dahy izay aloa isan-taona, miampy ny fanadiovana ny arabem-panjakana. Fa ny tena loza dia ny SMOTIG, manao làlana , tetezana, tonelina, indrindra fa ny làlam-by mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, Antananarivo sy Antsirabe, Fianarantsoa Manakara. Tao koa ireo tranom-panjakana isan-karazany etc… Fa maro tamin’ireo mpiasa no matin’ny hanoanana nohon’ny tsy fahampiana sakafo, ary mba hialana amin’izany dia nandositra ny tanàn-dehibe mba tsy voaantso. Ny ankizy mianatra tamin’izany dia vitsy fa nampiasan’ny colons amin’ny karama varimasaka ny ankamaroany, fa ny zanaky ny manan-katao ihany no afaka mankany an-tsekoly. Taty aoriana dia nisy sekoly naorin’ireo misionera catholique sy misionera protestanta, 

 anglikana, teo koa ny sekolim-panjakana, ny Ecole regionale isaky ny provinces enina. Ireny rehetra ireny dia namoaka ankizy vita fianarana araka ny sokajy sy lalana napetraky ny fanjakana Frantsay, izay 
nomeny anarana c.e.s.d (Cours Elementaire du Second Degré ), fari-pahaizana ambony indrindra azon’ny Malagasy ratovona. Tsy kivy anefa ny Malagasy fa vao maika aza nanaitra ny ambom-pony ity lalana. Ary taty aoriana dia dokotera, ka anisan’izany ny dokotera Raseta, Ravoahangy Andrianavalona, Raherivelo Ramamonjy sns…
(Fiainana nanjakan’ny tsindry hazo lena ka tsy nahafahan’ny Malagasy nivoatra tamin’ny lafin’ny fanabeazana) 


Nanamafy ny fitondrany ny mpanjanantany, ka vao maika nanenjika ireo mpianatra, ary tsy namela nahazo tokoa, na dia niafina araka izay azo atao aza, dia nahita irika foana hamelezana ny mpianatra , ka maro tamin’ireo dokotera no tratrany famoronana ilay société v.v.s (vy, vato , sakelika ). 
Efa mahina ireo Frantsay, ka anisan’ny voasambotra tamin’izany ireo mpianatra sy olon-kafa tany ivelany toa an’I dokotera Raherivelo Ramamonjy , dokotera Razafimanisa, dokotera Olafson Rajaonarison, pastora Ravelojaona, pastora Rabary, mompera Manifatra Venance, Raphaël, Rafringa , Rabenja – nosamborina ary nampijaliana, sady nalaina am-bavany nandritra ny fotoana maharitra , nitondrana faisana azy ireo: nalefa tany Nosy lava, nisy natao sesitany tany Port-Berger, Sainte Marie, Maintirano sy Diego.Rehefa notanana maharitra anefa dia novotsorana ihany, kanefa mbola narahi-maso nandritry ny fotoana naharitra. Teo koa ny lonilony isan-karazany, ny fanabotriana ny zanaka Malagasy, ny henjika mahery vaika natao tamin’ireo fianakaviana tany Ambanivohitra. Koa rehefa nifanandrina nandritry ny taona maro ny mpanjanantany Frantsay sy ny mpianatra Malagasy v.v.s dia namoaka lalana hafa indray ny Frantsay hanafaizana ny mpianatra.
(Fanamafisana ny famoretana ,famoretana hanao asa fanasoavana ho azy ireo.) 

Tsy nijanona teo anefa ny ratra am-po teo amin’ireo Malagasy tratran’ny tsindry hazo lena nianjady taminy, ka vao maika nampiredareda ny fikasana hamerina indray ilay fahaleovantena nalaina ankeriny tamin’ny hery tsy mitovy.Toa nitambolona tao an-tsaina avokoa ilay ady lehibe nifanandrinana, ka tamin’ny ora farany dia voatery nanangana saina fotsy ny teny anatirova, izay nanambara tokoa ny faharesen’ny tafika Malagasy.Ary ny tena tsy zakan’ny saina aman’eritreritra dia ny nanaovana sonia ilay “ loi d’annexion tamin’ny 6 aogositra 1896 ny maha zanatany Frantsay ny firenena Malagasy, eny niondrika tamin’ny fo naratra ny firenena Malagasy tamin’izay.
Ireo mpanjanaka dia tsy nijanona teo fa vao maika nandrivorivo ny fisamborana, ka raha vao nipoaka ny ady lehibe faharoa 1939/40 dia efa nanomboka nihetsiketsika avokoa ny zanatany rehetra, ary anisan’izany i Madagasikara. 
Rehefa nijanona ny ady lehibe faharoa 1939/40, dia tsy niato teo akory ny adim-pitolomana nataon’ireo maherifo sy tanora liam-pivoarana, fa tao tokoa ireo zokibe v.v.s izay tsy nangina mihitsy fa nanainga ireo zandriny hanohy ny tolona hamerenana ny fahaleovantena.

Koa tamin’ny taona 1942/43 dia niforona ny fikambanana miafina “panama” (parti nationaliste Malagasy izay Andriamiseza Lucien (ecrivain interprète) no nanangana azy niaraka tamin’i Ramilijaona mpaka sary. Nanana fifandraisana tamin’ireo v.v.s teo aloha tany Nosy lava ny panama. Ary dia nanatevin- draharaha koa ireo nahavita fianarana tao amin’ny ecole le myre de villers ka nivoaka fonctionnaire tamin’izany ALEXANDRE RATSIMBANIFIDY, RANDRETSA PASCAL, RABENAH EDOUARD, RAZAFINDRABE PIERRE, RAMILIJAONA, SAMUEL MARTIN, RATIARISON MAMY. Tsara ho fantatra fa ireo mpitolona tao amin’ny panama dia mpiasam-panjakana avokoa. Ny tiana ho marihina aloha dia ireo tao amin’ny ecole regionale tao Mantasoa no anisan’ny nandrafitra ny fitsanganan’ny société secrète panama ary ny sekreteran’ny governemanta colonial tamin’ny andron’ny jeneraly de coppet dia Andriamiseza Lucien, izay namorona ny panama. Ny panama dia nanana statut ara-dalàna na dia fikambanana miafina aza, manana ny code ifandraisany, manana recrutement miafina, manana gazety izay mitondra ny anarana hoe: “MIFOHAZA”, manana mpikambana manerana ny nosy, ary misy velirano atao isaky ny mandray lovia misy rano madio, sy tanimasina nalaina tany amin’ny fasan’Andriana teny amin’ny rovan’i Manjakamiadana, avy eo dia mandohalika eo anjoro-firarazana, ka miteny hoe:

1. HO TIA AN’I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MIHOATRA NOHO NY VADY AMAN-JANAKA, NOHO NY VOLA, NOHO NY VONINAHITRA.
2. MANAIKY HO MIARAMILAN’I MADAGASIKARA MAHALEOTENA ARY VONONA HANOLOTRA HATRAMIN’NY AINA RAHA ILAINA.


(Tsy nijanona ny fanoherana na dia teo an-dalam-pahaterana aza ny mpitarika , fa nanomana ny zandry handimby. Nisy koa ny fangataham-pitahiana na dia teo aza ny ady sarotra nianjady.) 

Raha nifamahofaho ny zava-niseho rehetra eran-tany dia tsy nangina fotsiny akory ireo olo-mangantsika fa nanangana ny antoko politika M.D.R.M tany Parisy tamin’ny taona 1941 ka ny dokotera isany DELPHIN JOSEPH RASETA, JOSEPH RAVOAHANGY ANDRIANAVALONARAKOTO RATSIMAMANGA ARY ANDRIAMATOA JACQUES RABEMANANJARA, RAKOTOBE MARTIN no vato fehizoro nanangana ny M.D.R.M. ka nanao sy nanaporofo ny maha ara-dalàna izany teo anatrehan’ny fanjakana Frantsay tany Parisy. Volana vitsivitsy taty aoriana, dia nitsangana nanerana an’I Madagasikara ny antoko politika M.D.R.M.Toy izao ny firafitry ny birao nasionaly:

1. Filoha nasionaly : Andriatsifahaona Ratsimbazafy
2. Sekretera jeneraly : Rabeatoandro Jean Baptiste
3. Sekretera jeneraly lefitra : Rakotovao Martin
4. Birao politika : 
ANDRIATSIFAHAONA RATSIMBAZAFY, RABEATOANDRO JEAN BAPTISTE , RAKOTOVAO MARTIN, DOKOTERA RASETA, DOKOTERA RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA, RANAIVO JULES, RAKOTONIRAINY JOSEPH, RANDRIAMBOLOLONA, RAMAHOLIMIHASO, RAHERIVELO RAMAMONJY, JACQUES RABEMANANJARA, DOKOTERA RAZAFINDRATANDRA RANDRAMAZO, sns… eny, tsy tohaina tokoa ny firoboroboan’ny M.D.R.M nanerana ny nosy, ny firaisan-kina, ny fitiavan-tanindrazana tena maty lali-paka tokoa tsy azo hozongozonina mihitsy. Nanampy teo ny fanentanana isan-karazany, izay tena mahery vaika ary na dia ireo marefo fisainana aza dia voatarika niditra ho mpikambana. Tsapa fa nisokatra ny mason’izy ireo nikipy teo amin’ny fandrosoana lehibe nentin’ny M.D.R.M tamin’ny fanentanana, fampianarana isan-karazany amin’ny zo izay hananany. Noho izany, rehefa natao ny kajikajy dia nahatratra 75% ny mpikambana amin’ny antoko M.D.R.M. Izany tarehi-marika izany dia nanaitra ny mpitondra Frantsay teto an-toerana sy ny colons ary ny tariny, indrindra ny foibe any ampitan- dranomasina. Mbola averina indray fa izany no vokatry ny asan’ireo tanora maherifo tao amin’ny antoko politika M.D.R.M dia ny jiny sy ny panama izay andry lehibe tokoa nitana rafitra rehetra tao amin’izany antoko M.D.R.M izany, ary dial any tao tokoa ny herim-po rehetra. 

Taroana fa sempotra ny fitondrana Frantsay nahita ny fandrosoana nentin’ity antoko M.D.R.M ity ka nanao ny fomba rehetra hanapotehana azy. May volo-tratra ny mpitondra sy ny colons sy ireo mpomba azy ka nanangana haingana ny antoko PADESM hanosehana ny M.D.R.M. Anisan’ireny ny Monseigneur FOURCADIER, ny misionera modain, ny colons niaraka tamin’ireo fonctionnaires ambony Frantsay teto an-toerana izay namolavola ny fikomiana ny 29 marsa 1947. Tahaka izany koa ny directeur ny bureau des affaires politiques Vandem Boogaerd,castellani, Baron sns…Anisany koa ny minisitry ny zanatany Marius moulet. Ary tsapa fa ireo no tena mpanolo-tsaina sy herin’ny Padesm ary nanosika hanenjika ny M.D.R.M izay tsy hay resena intsony, ka izany no hanohanan’ny mpanjanahantany ny Padesm hanapotika ny M.D.R.M. 

Nangataka ny hamerenana ny fahaleovantenan’ny tanindrazana ny Malagasy. Tsy nohenoin’ireo mpitondra fanapahana Frantsay anefa izany fa vao maika aza nanidy varavarana izy ireo. 

Rehefa nikotroka an-taonany maro ny fifanandrinana teo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay ka henjan-droa ny tady dia nipoaka ny 29 marsa 1947 tamin’ny 12 ora alina ny adim-panafahana. 

Ny tompon’andraikitra sy ny tompo-marika tamin’izany dia ny Lieutenant ANDRIAMAROMANANA ALBERT, ny mpanatanteraka dia ny M.D.R.M, jiny, panama.Nozarainy dimy toko Antananarivo:

1°- HOTEL DE VILLE ANALAKELY
2°- SEKOLY AMBOHIJATOVO ATSIMO
3°- P.T.T AMBANIDIA
4°- IVATO AEROPORT
5°- FOIBE E.E.M ANTELOMITAVory hatrika ny tanora tamin’ireo toerana nametrahana azy avy, dia tahaka izao ny fanisana azo tamin’ny etamazaoro Malagasy: 
HOTEL DE VILLE ANALAKELY 
AMBOHIJATOVO ATSIMO 
AMBANIDIA PTT 
AEROPORT IVATO 
ANTELOMITA EEM

RABEARISOA SETH mpiasan’ny EEM no tompon’andraikitra amin’ny fanapahana ny jiro manerana an’ Antananarivo. 

Dia nipoaka ny adim-panafahana tamin’ny alin’ny 29 marsa 1947 ary nihetsika avokoa ny tamin’ny toerana maro tany morotsiraka atsinanan’I Madagasikara, ary tiana ny manamarika fa notafihan’ny Tia Tanindrazana ny toby miaramila tao Moramanga, ary tsy lazaina intsony ny fatin’ny Malagasy tamin’izany. 

Aoka ho tsarovan’ny tantara fa tao Moramanga no nisy an’ilay toby goavana nomen’ny Frantsay anarana hoe: “ BATAILLON DE L’EXTREME ORIENT” , izay nampiofana ireo miaramila Frantsay mpanao ady anaty akata, ka diniho sy saintsaino amin’izany ny maha goavana ny ady nifanatrehan’ny roa tonta. Ny Malagasy anefa dia tsy nitondra afa-tsy basim-borona, angady , lefona, antsibe, basy poleta vita gasy, tsamotady, zana-tsipika sns. Nefa dia nahesy tosika ny miaramila Frantsay, faraha vao mahery vaika ny tosiky ny miaramila Frantsay dia mandositra any anaty ala ny mpitarika ary nampiaiky ireo Frantsay, fa nandritra ny volana maro vao nihena ny herin’ireo tia tanindrazana tany anaty ala, ary tsy nilavo lefona mihitsy fa mbola nanohitra hatramin’ny farany.

(Niely eran-tany ny fanoherana naton’ny Malagasy nefa noho ny hery tsy mitovy dia lefy ihany satria ny atody tsy miady amam-bato) 
Eo anatrehan’ny sion-dresaka niely tao anatin’ny fotoana maro sy ny tsy fitiavan’ny mpanjanahantany ny M.D.R.M dia nanapa-kevitra ny birao politika sy ny dokotera Ravoahangy , dokotera Raseta ary Rabemananjara fa handefa telegrama ho an’ny mpitolona manerana ny nosy ho fampitandremana.“ prière diffuser et afficher texte ordre imperative donne a tous membres M.D.R.M –x-garder calme et sang-froid absolus devant manoeuvres et provocations de toute nature destinées à susciter trouble au sein population malgache et à saboter politique pacifique du M.D.R.M .-x-et fin ". Raseta. Ravoahangy. Rabemananjara et bureau politique. 
Na dia nandefa io programa io aza ny birao politika, izay nalefa talohan’ny 29 marsa 1947 ho fampandrenesana ny mpikambana M.D.R.M manerana ny nosy, dia vao maika nohamafisin’ny mpanjanahantany ny fanapotehana sy fandripahana ireo mpitolona Malagasy niaro tena noho ny fanitsakitsahana ny zo anan-kasiny. 
Tsy nikaroka ireo mpanakorontana sy ireo nikotrika izany no nataon’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany, fa ny nanondro ny M.D.R.M ho rangory fototry ny afo. Vokatr’izany, dia famoretana mahatsiravina no nampiharina nanerana ny Nosy. 
Noravana ilay fihetseham-pirenena Malagasy, dia ny M.D.R.M izany. Nosamborina nampijaliana isan-ambaratongany, famonoan’olona mitambabe tao Moramanga. 
Ny vokatry ny fanenjehana tao anatin’ny taona 1947-1948 dia: 90.000 Malagasy no maty ,23.000 no notanana am-ponja, 5.000 no gadra tany am-ponja. Fanapotehana goavana tao anaty fahoriana feno fangirifiriana. Nitohy ny fanenjehana indrindra fa tany amin’ireo faritra nampiharana ny “etat de siege”. Nisy ny fanamelohana ho faty ary nampiharana izany sazy tsy azo nivalozana toy ny notifirina tao Ankazondrano Fianarantsoa ireto mahery fo ireto Velomitsiry, Simon Mbizo, Albert Benify, Andrianarintany, vita sy Behandry. Notifirina ho faty avokoa ireo. 
Teo anatrehan’ny zava-nitranga, ka nahazoan’ny M.D.R.M ny 3/4 n’ny vato na 72% tamin’ny fifidianana ny antenimiera ny 10 novambra 1946, ka ny kandida natolotry ny M.D.R.M ny solombavambahoaka RAVOAHANGY, RASETA, RABEMANANJARA no nanolotra ny volavolan-dalàna ahazoan’i Madagasikara fahaleovantena, izay nantsoina hoe
“Madagasikara afaka eo anivon’ny firaisam-be Frantsay” Raha vao nandre an’io fifidianana io ny mpanjanahantany dia tora-kovitra ary nitsangam-bolo mihitsy ,izay nanjaka tokana nandritra ny 50 taona.Io tahotra io dia isan’ny fototra lehibe nipoiran’ny raharaha ny 29 marsa 1947. 
Ny tanjon’ny mpanjanahantany dia hanapotika ny fihetsiketseham-pirenena (M.D.R.M) amin’ny fomba rehetra. Nampiasaina manokana tamin’izany ny: 
- fampielezana tsaho sy vaovao tsy marina manerana ny faritra 
- fandrisiana andiana tanora tia tanindrazana vitsivitsy handray fiadiana ka hanohitra tsy amim-piheverana. 
Ny ampitson’ny 29 marsa 1947 hifoha ny 30 dia nirongatra ny fisamborana nanerana Nosy ka anisany ny tao amin’ny birao politika M.D.R.M, ny conseillers provinsialy, ny mpikambana tao amin’ny Jiny sy ny panama dia tsy lazaina intsony , teo ny kapoka mandrivorivo izay nirarakopana. Ary maro tokoa no nanaiky(aveu) tsy fidiny, noho ny ratra nahazo azy ireo izay tena tsy zaka intsony. Maro tamin’ireo voatana no narotsaka tao anaty daba feno maloto ny lohany ary tsindriana tongotra eo amin’ny lohany sy ny hatoka. Teo koa ireo vehivavy nampidirana baton de police ny maha-vehivavy azy, ny sasany nasaina asanasana ny vavany dia hipipizana.Nasaina natory tao an-tranon’akoho nandritra ny roa alina, ka endrey nihagagana fa tsy fantatra intsony ilay olona fa lanin’ny moka avokoa ny tenany? Satria lobaka sy pataloha no nanaovana, marokoroko daholo ny tenany. Izany nahazo ireo tia tanindrazana rehetra ary mbola misy aza mahatsiravina noho izany, fa mbola ho avy ireo tantara ahitana sy ahatsapana ny mafy nodiavin’ireo maherifo, an’isany Rakotonirina Stanislas ben’ny tanànan’Antananarivo.

Tamin’ireny fotoana nigadrana ireny mantsy, dia nisy tokoa nitafana, nilazalazana ireo tsiambaratelo samihafa, teo amin’ny samy mpigadra ary dia nahalalana zavatra betsakaAoka anefa ho fantatra marina fa nisy ireo tena nahalala sy nandray anjara tamin’ny adim-panafahana 29 marsa 1947 iny. Ny mampalahelo anefa dia disoan’izy ireo ny fandehan’ny tena marina, fa matahotra ny ho vokany izy; ao koa ny tia dera ka ny momba azy manokana sy ny zava-bitany no tantarainy; ao ireo matahotra sy menatra ny zavatra nampanaovin’ny mpanjanahantany azy hamelezana ireo mpiray tanindrazana aminy. 

Ankehitriny, dia maro amin’ireo tena filoha mpanao politika sy ny mpitari-tafika no efa lasa nodimandry avokoa. Izany fahabangana lehibe izany dia manahitra sahady ho mailo sy kajiana tsara ny tantara izay ho harafitra, mba ny tena marina no hisongadina ho an’ireo taranaka aoriana sy ny solofo dimbin’ny ala satria nifandray daholo ny tetika rehetra nentinanana ny adim-panafahana 29 marsa 1947 iny. 

Marihina aloha faraha ny adim-panafahana 29 marsa 1947 no tenenina, dia voakasika izany avokoa na ny 
M.D.R.M na ny Panama na ny Jiny, ary maro koa ireo mpitolona manerana an’I Madagasikara no tsy tao anatin’ireo fikambanana voalaza etsy ambony nefa dia nanolotra ny ainy hanavotana ity firenena malalantsika ity, ary maro tamin’ireo maherifo ireo no tsy fantatry ny sarambabem-bahoaka, anefa dia maty teo an-tanim-piadiana tamin’ireny fotoana mavaivay ireny, koa hoy izahay velona sy akanga sisa nanamborana hoe: haingina va! eo anatrehan’izany satria tamin’ireny adim-panafahana ireny no namoizana vady aman-janaka, Havana na ray aman-dreny, na trano na tanimbary sns… dia nafoy avokoa ho fanavotam-pirenena, ary misy dia lany ringana ny fananany rehetra, trano, tany sns… teo koa ireo tany an’ala nandritra ny volana maromaro ary ny sasany aza dia tsy hita faty hatramin’izao. 
Noho ny fifalianay lehibe, dia miantso ireo mahatsiaro tena izahay tapa-porohana sisa tsy maty amin’izao fankalazana ny fahatsiarovana ny faha 60 taonan’ny adim-panafahana ny 29 marsa 1947 izao, koa na Malagasy ianao na hafa firenena dia mangataka izahay mpitolona tamin’ny 29 marsa 1947 izay fanampiana sy foinao homena an’ireto akanga sisa nanamborana dia horaisinay am-pitiavana tokoa.,
Misaotra tompoko 

Association VTTM-47 - Antananarivo        http://www.vttm47.blog.fr/

Histoire de Madagascar

Pourquoi l'insurection?  

Cliquez-ici  >>>

                                                      Dossier  sur la Révolte  du 29 mars 1947   Klikeo eto  >>

 

Encore plus d'info sur 1947 sur MadaVôvô ...         en savoir + >>>

 

Revenir au MadaVôvô du jour