|
Edito
: «Zanaka
amin'ny Ray amandreny...»
Anio isika dia hiresaka adidy sy andraikitra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny
zanaka. Zava-dehibe ny mahafantatra izany hampirindra tsara ny fifandraisana eo amin'ny
fiaraha-monina, ialana amin'ny fanakorontanana na ny fifandirana amin'izay adidy sy andraikitra mifandrify ny tsirairay avy ary indrindra indrindra hanamafy ombieny ny fifankatiavan'ny ankohonanana iray na hampitombo ny fifanajana sy ny fifaliana eo amin'ny fianakaviana
iray. Andeha horesahina ny
1. Ny adidin'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka
2. Ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny
|
2. Ny Adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny
Tsy mitovy ny adidin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa mifampiankina sy mifampitaiza. Ny adidin'ny zanaka voalohany amin'ny ray aman-dreniny dia izay efa nambara an'Andriamanitra ao amin'ny Didy Folo manao hoe : " Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao, mba ho maro andro ianao ary mba hahita soa any amin'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao." Deotoroniomia 5:16.
Mafonja tokoa ny nambaran'Andriamanitra eto. Adidin'ny zanaka voalohany indrindra tokoa ny manaja ny loharano nipoirany. Izay zanaka sahy manevateva ray aman-dreny na manao tsinontsinona ray aman-dreny dia tsy hahita soa eto amin'ny tany ity. Hajao ny ray aman-dreny, omeo voninahitra, omeo fifaliana, omeo fanambinana dia hirotsaka aminao ny andon'ny tany ! Aza omena alahelo ny ray aman-dreny fa ireny no loharano nipoirana, ireny no nahita masoandro, ireny no naha-olona anao !....
Ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny koa dia ny FITIAVANA. Manana adidy ny zanaka hitia ireo loharano nipoirany. Ny fifankatiavan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka no hanamafy ny fifaliana sy hampijoro ny fifanajana. Ny zavatra tsy misy fitiavana dia tsarovy hatrany fa miteraka
ady, fikorontanana, fialonana, fanesoana, fanambaniana. Adidin'ny zanaka ny mitia hanjakan'ny fahasambaran'ny
fianakaviana.
|
|
Adidin'ny zanaka ny mianatra. Irin'ny ray aman-dreny rehetra eto an-tany ny hanan-janaka mahay sy lasa ambony. Izany no fahendrena tsara indrindra sy harena tsara indrindra tadiavin'ny ray aman-dreny. Izay ankizy vonon-kianatra dia tsy manao ny adidiny fa maditra tsy azo tenenina. Izay ankizy tsy tia fianarana dia ankizy mahafohy andro ny ray aman-dreniny sy tsy mahalala ny lalan-pahendrena tokony
haleha.
Adidin'ny zanaka ihany koa ny MANAMPY ny ray aman-dreniny. Nirin'ny ray aman-dreny ny nanana azy ka tokony hifanampy ombieny satria ny ray aman-dreny dia efa reraky ny asa sy ny fiainana. Iombonana ny sakafo hohanina, iombonana trano ipetrahana, iombonana ny andraikitra ka tokony tsy misy hipetra-potsiny fa samy manao izay asa mifanandrify amin'ny
tsirairay.
Ho avy ny krismasy ato ho ato. An-koatra ny maha-andro nahaterahan'i Kristy azy dia fetin'ny ankizy ihany koa ny Noely. Raha te hanao Noely sambatra ny ankizy dia tokony ho vitany ireo adidiny amin'ny ray
aman-dreniny.
 |
RAKOTOMALALA Eric de Paris
Le Poète Fredy JAOFERA
http://efjr.wordpress.com/
|
(Traductions de
L'Edito
" Zanaka amin'ny Ray amandreny ..." par Andrianjafy
-
Rz2 (fr) et Eric Jaofera de Paris (gb )
Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina",
Eric & Andrianjafy ont répondu à notre appel
de publier des Editos, maintenant à
qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !
|