|
Editorial
:"Hafinaretan-divay eo amin’ny lempon’i Médoc.."
Ny
toerana jeografika misy an’i Médoc dia eo amin’ny tsipika faha
45 parallèle eo amin’ny ekoatora, eo anelanelan’ny Oseana
Atlantika sy ny sampandranomasina eo ambavan’ny ony Gironde. I Médoc,
izay any atsimo andrefan’i Frantsa, ao amin’ny faritr’ i
Bordeaux, dia manana ny sasantsasany amin’ireo fiotazana
sampahom-boaloboka kalaza, mpamokatra divay mena .
«Ahitana
filozofia be lavitra ao anatin’ny tavoahangyn-divay mena noho ny
boky rehetra izay misy » (Louis Pasteur)
|
Any amin’ny tanin’ny Bordelais, ny divay dia hay raha natao ho fantarina raha eny am-pitsangatsanganana
ianao, na koa eo amin’ny fotoanan’ny fampahalalana na fanandramana
fisotro, na eo ambonin’ny latabatra fisakafoanana.
Efa ho 2000 taona izao no naha-tanimboaloboka filamatra hanjakam-pilaminana sy fikaliana ny tany bordelais.
Izy dia hita foana, raha vao misy sombintany kely mora haniriany, ao anatin’ny lohasaha misy alokaloka sy aty ala malaladalaka anirian’ny pin, eo amin’ny havoana kely sy tany avo
marintampona, manodidina ny fonenana sy ny trano fiangonana, hatrany afovoan’ny tanàna lehibe sy ny tanàna
kely.
Ny tany nihavian’ny Bordelais tsirairay, hita eo anelanelan’ireo lapabe sy trano kely eny
antsaha, fananana ngezabe sy sombintany kely, dia vokatra manokan’ny
toetany, topografia, jeôlôjia ary ny tantaran’ny tanim-boaloboka.
Izy dia vata fitehirizana ny fitsangatsanganana feno harena mampitolagaga sy nandalo fanavaozana
hatrany.
Ny fizarantaona tsirairay avy no mampiova ireo karazan’ny tanim-boaloboka
fahita.
Anisan’ireny ny hetraketraky ny fararano sy ny fanotazam-boaloboka.
Toy izao no mitranga rehefa ririnina ny andro, ireo mpamboatra divay amatera (œnologues amateurs) izay maniry tsy hihaona amin’ny vahoaka nefa handray anjara amim-pilaminana amin’ny fitsidihana arahim-panandramana fisotro mba hahazoany mampanankarena ny efitra
fitehizan-divainy.
Raha lohataona indray ny andro, dia ny maitso tanora no manjaka toy ny tompo ary zary mihamangamanga kokoa ny
oseana. Mamony tsara ny raozy (izy ireny mantsy, fahiny, dia nambolena
|

...le
Dossier
Cliquez-ici
|
teo akaikin’ny
tanim-boaloboka, mba hahazoana mampilaza mialoha ireo mpamboly voaloboka ny amin’ny loza
mananontanona, vokatry ny famelezan’ny amboahaolo mpanimba azy aloha).
Ny fahavaratra no fizarantaona anjakam-pahafinaretana rehetra : ny an’ny ranomasina aloha na ao aorianan’ny fitsidihana sy ny fandramana
fisotro.
Lohalaharana amin’ny ireo faritra mahazo mariky ny hatsarana
«AOC, appellation d’origine contrôlée» ao Frantsa, ny Bordelais dia 13% n’ny tanim-boaloboka frantsay ary koa 1,5% n’ny tanim-boaloboka volena
eran-tany. Koa na mena , na fotsy maina, na fotsy malefaka na rôze ireo divayn’i Bordeaux dia voakilasy ho 57 AOC ( 43 raha toa ka tsy jerena ny
lokony) izay mampiavaka ny divay araky ny toerana namokarana azy ary izany dia antoky ny hatsarany ho an’ny mpampiasa
azy.Fa, ambonin’ireo toetra iombonany ara-katsarana, ara-tantara na
ara-toetany, ny tena mampiavaka ny divain’i Bordeaux dia izy misy tsiro maro karazana sy hafinaretana
hafakely. Tsy hoe, azo tamin’ny naha tany nihaviana (terroir) hafakely na noho ny tahomboaloboka fotsiny
ihany, fa tamin’ny fahaizana ireo teknika fanaovana tanim-boaloboka sy ireo fomba famokarana
divay.
Ny divay tsirairay n’i Bordeaux dia vokatra azo avy amin’ny fifarimbonan’ny toetra mpanasoa sy ny fihetsika voafantina sy notanterahana
tamim-pitandremana.
Tsy latsaky ny dimy farafakeliny ny isany làlan’ny divay, amin’ireo 120 000 hekitaran’ny tanim-boaloboka Bordelais:
... Le Dossier Cliquez-Ici
>>
(Traduction de L'Edito "Plaisir du vin au creux du Médoc ..." de
Marie Hélène Courroy-Rabefaniraka de Bordeaux )
par Manantsoa Andriamiarina de Kremlin-Bicêtre
Les
Traductions
par l'Auteur (FR), Lanto Rakotonandrasana (GB) et Manantsoa Andriamiarina
(MG)
...
Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Baby
a répondu à notre appel
de publier des Editos, maintenant à
qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !
... ...
Lister
tous les Editos
>>
|