voir

Traductions " Washington, a tourist city ... "

Hary, Velohasina

L'Edito : «Washington, tanàna ny mpizahan-tany... »  809201   12/09/2008              Washington dia renivohitra federaly ny Etazonia izay ahitana mponina mihoatry ny 3 hetsy ary tanan-dehibe mitoetra amin'ny ambaratonga avaratra faha-45 (dimy amby efapolo) tahaka an'i Pekin ao Sina. Izy no tanan-dehibe be mponina indrindra eran-tany. Mandray anjara goavana tokoa izy amin'ny fifandraisana amin'izao tontolo izao, na amin'ny lafiny politika izany, toekarena ary sosialy. Azo lazaina fa eo amin'ny lafiny eran-tany dia ny governemanta amerikana ao Washington no mpandray anjara voalohany sy goavana tsotra izao ary manana ny akony amin'ny firenena sisa rehetra.
      Washington koa dia tanan-dehibe mahasintona mpizahan-tany maro amin'ireny tsangambato isan-karazany manan-tantara, fivarotana goavana, tsangambato ara-kolon-tsaina. Raha manam-bintana ianao ho any Washington, aza misalasala ny hankany sao hanenenanana !

       Manao ahaona Serge, 
      
Misaotra indrindra tamin'ny fanolorana mahafinaritra ary miala tsiny raha taraiky vao namaly. Tsy manana lahatsoratra aho fa te hanome anao citations(fomba fiteny) iray." Kendreo ny volana na mety tsy ho voa aza fa tsy maintsy hitontona eny amin'ny kintana ianao" ( Les Brown).
      
Tsy misy ny hoe : fahatsiarovana iray fotsiny na monument iray fotsiny no malaza aty. Ny monuments rehetra, ny musées rehetra dia tokana na tsisy roa araka ny maha-izy azy. Ny Washington DC, izay renivohitra moa dia manana toerana maro mahasarika olona. Vitsivitsy amin'izy ireny dia ho hitanao amin'ny sary etsy ambany. 

       Manaraka izany ny faritry DC izay misy an'ny DC, Maryland ary Virginie dia manana toerana ialana voly maromaro hafa toy ireo "parcs filalaovana isan-karazany. Kings Dominion no iray malaza amin'izy ireny izay afaka ho tazanao amin'ny sary etsy ambany.
       - Ny tsangabaton'ny Ady Lehibe Faharoa dia natao ho voninahitr'ireo miaramila amerikanina 16 hetsy izay niasa tao amin'ny Armes Forces nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ary ireo amin'ny arivony izay maty nandritry ny fifandonana. (nalaina tamin'ny "Guide de vacances" ny internety) 
      - Ny Maison Blanche ( Ny Trano Fotsy) no fonenana ofisialy ny 

 Filoham-pirenena amerikanina.

      - Ny "Washington Monument" dia naorina ho voninahitr'reo Ray Mpanorina ny firenena ary ho an' i George Washington, Filoha amerikanina voalohany.
      Lazao ahy raha misy zavatra hafa tianao ho fantatra.
              Misaotra,                                                                                                    
... Le Reportage photo  Cliquez-Ici >>

Hary Rakotondrazaka de Washington DC (Rz1)

Traduit en malgache par Eric Jaofera RAKOTOMALALA de Paris (Rz2)

Source: www.vacationideasguide.com

    (Traductions de  L'Edito "Washington, a tourist city ..."  par Ramatoa Blanche d'Ambanidia (fr) et Eric Jaofera de Paris (gb )

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Hary, Blanche et Eric ont répondu à notre appel pour publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !    

 

Les infos du monde en permanence L'actu internationale en temps réel

 

                                        ...Liste de  tous les Editos >> Les Archives de MadaVôvô                                 ... Pour Envoyer un article ou Pour nous contacter >>