Fotoam-pivavahana karakarain'ny 

Terak'It RAINIZAFIMANGA sy Iv RASOAVELO 

Ny Alahady  11 febroary 2007  amin’ny 3 ora tolakandro ao amin'ny Katedraly Analakely. 
Ho raisintanana amin'izany izay rehetra 70 taona no ho miakatra.

"Ny hazo no vanon-ko lakana hono, ny tany naniriany no tsara"

[ Le Programme ]

[ La Liste des Zokiolona ] [ Extrait de Presse ] [ + de photos ]

NY KFTR 2005-2007  Ny Alahady 12 Marsa amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny Katedraly Analakely.


Le Compte Rendu du Vice Président - Communication du KFTR

Quand les VP se rencontrent... la valse des Rainizafimanga

----- Original Message ----- 
From: Hary Raharifidy To: A.R.F - Serge RATSIMBA-RAJOHN 
Cc: Fredy RAJAONERA Sent: Sunday, February 11, 2007 8:26 PM
Subject: Fanompoam-pivavahana sy Fiarahabana ireo Raiamandreny

 

Ho anareo Havana rehetra aty dilambato.
Tontosa soamantsara ny Fanompoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ny Taranaka sy ny Fandraisan-tŕnana ireo Raiamandrenintsika 70 taona noho mihoatra.


Nahatratra 350 any ho any ny Havana tonga nanatrika ary raha 97 (*) ireo Raiamandreny tokony ho raisin-tŕnana, dia 47 izy ireo no tonga. Ny ankamaroan'ireo izay tsy tonga dia noho ny toe-pahasalamana, na sampona, na tsy fahafahana noho ny antony samihafa.

Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana fa raha teo izao fikasana izao dia sitraky ny Tompo ny tsy nanatrehan'ireo Havantsika - anisan'ireo tokony harahabaina - izay nodimandry tamin'ny herinandro teo ; dia Andriamatoa RAMELISON Yves (nodimandry ny 05 fév) sy Ramatoa Rasoanavalona Henriette Razafimaharo (nodimandry ny 07 fév).

Ireto manaraka ireto (en fichiers attachés) ny :
- Fandaharana ny Fanompoam-pivavahana
- Lisitra misy ireo Raiamandreny noraisin-tŕnana isan-Taranaka (ankoatry ny Taranak'Itompokovavy RABODOMANGA izay any ampitan-dranomasina avokoa).
- Sary vitsivitsy misy santionan'ireo Raiamandreny noraisin-tŕnana miaraka amin'ny Komity ary koa ny Sarin'ny Komity sasantsasany koa. (Ireo aloha ny sary vitsivitsy tamin'ny appareil-ko, fa ny an'ny "Pro" mbola ho avy).

Dia mirary soa ho antsika rehetra.
Hary RAHARIFIDY - Vice-Président / Communication

(*) Isan'ny Raiamandreny eto an-toerana (Tana), fa mihoatra an'ireo raha ampiana ny any amin'ny Faritany sy ampitan-dranomasina

Fredy ( Pdt du KFTR) sy  ireo Zokiolona sy ny Komity 2007

 

"Ny hazo no vanon-ko lakana hono, ny tany naniriany no tsara"

[ Le Programme ]

[ La Liste des Zokiolona ] [ Extrait de Presse ] [ + de photos ]

[ Go to Sommaire "Page KFTR" ]