voir

Traductions "WELCOME RSM 2007... "

Edito : "WELCOME RSM 2007... "

  Rencontre Sportive Malagasy 2007 Amerique du Nord (Canada - USA) du Samedi 30 Juin 2007 - Dimanche 1 Juillet 2007...

    RSM est un événement sportif annuel tenu chaque été parmi les citoyens malgaches résidant en Amérique du Nord. 4 équipes étaient impliquées : une équipe est de la région de Washington ( Virginie,  Maryland, Washington, Delaware), une autre équipe de la région de New York (New Jersey , New York et Connecticut) ,  la troisième équipe est le Canada et la quatrième "Out of state" le regroupement de Minneapolis, Ottawa, Toronto, St Tom. 

    Tontosa soa aman-tsara ny Asabotsy 30 Jiona sy Alahady 1 Jolay 2007 teo ny Rencontre Sportive Malagasy - Amerika Avaratra ( Canada - Etazonia) izay natao teto Washington DC ary noraisin'ny RSM Washington DC.

      Malagasy maro be manerana an'i Amerika Avaratra no tonga nanatrika izany fifaninana izany, ary anisan'izany Ramatoa Eulalie Ravelosoa Mpiandraiki-draharaha ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia sy ny vadiny, Ny Masoivoihon'ny Madagasikara ao amin'ny firenena Mikambana: Atoa Zina Randrianarivelo Razafy sy ny vadiny, ny solontenan'ny ray aman-dreny avy any Canada, ny filohan'ny komitin'ny RSM Washington DC sy ireo maro tsy voatanisa.

      Ny Asabotsy 30 Jiona 2007 tamin'ny 9 ora maraina no natao ny fanokafana ny lalao RSM 2007. Ramatoa Eulalie Ravelosoa Mpiandraiki-draharaha ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia no nanokatra ny fitenenana, narahin'ny Dihy Mirindra izay nataon'ny ankizy Malagasy sy vehivavy vitsivitsy avy ao Washington D.C. Rehefa vita izany dia nanomboka ny filaharana nataon'ireo mpandray anjara rehetra:

Washington DC, Tri-State New York izay nahitana mpilalao avy any New york, New Jersey,Connectcut) Canada, Out of States izay nahitana an'ireo mpilalao avy any Minneapolis, Ottawa, Toronto, St Tom. Tao aorian'izay no nohiraina ny hiram-pirenenana Malagasy. Ary nambara ofisialy fa misokatra ofisialy ny RSM 2007. 

Ny taranja Basket Ball ho an'ny lehibe sy Baolina Kitra kitra ho an'ny ankizy sy lehibe no natao ny Asabotsy 30 Jiona 2007. Ary ny taranja Volley Ball sy ny lalao famaranana Basket Ball no natao ny Alahady 1 Jolay 2007. Ny Voka-dalao rehetra sy ny sary dia afaka jerena ao amin'ny tranon-kalan'ny RSM Washington DC:
http://www.masombahiny.com/RSMDC2007.html
     
Ny Alahady hariva nanomboka tamin'ny 4:30 dia nisy ny fiaraha-misakafo izay nomanin'ny Komity mpikarakara ny RSM Washington D.C. sy ny mpikambana rehetra ao amin'ny RSM Washington D.C.
Olona marobe tokoa no tonga tamin'izany, satria nahatratra 520 ireo Malagasy tonga nanatrika izany.
Natao tamin'izany ny fizarana ny amboara ary avy eo dia nodidiana ny "Mofomamim-pihavanana" mba ho mariky ny fifankatiavan'ny Malagasy aty Amerika Avaratra.
Taorian'izany dia dia nisy ny kabary samihafa, ny fanomezana fitenenana ny RSM Canada izay handray ny RSM 2008.
Ary nofaranana tamin'ny fandihizana izay niarahan'ireo Malagasy aty Amerika avaratra nikorana.
Ny masoandro maty no nampalahelo fa satrin'ireo Malagasy foana hikorana.
Marihina manokana fa ny nanao ny Logo RSM 2007- Washington DC dia Jonathan Andriantsivahiny    ... Reportage Foto Klikeo eto
>>

Lanto RAKOTONANDRASANA 

 Webmaster de Masombahiny.com - USA

 

Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Lanto  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !  

Les infos du monde en permanence L'actu internationale en temps réel

 

                                        ...Liste de  tous les Editos >> Les Archives de MadaVôvô                                 ... Pour Envoyer un article ou Pour nous contacter >>