|
L'Edito : "Adin'Akoholahy
hoe ?
Kilalao no harena...
"
Anisan’ny trangan’ny fiaraha-monina misarika ny saina ankehitriny ny fampiadiana
akoholahy. « Fampiadiana » fa tsy « ady » fotsiny satria zavatra voaomana hatrany amin’ny antsipiriany izay manomboka amin’ny fahafantarana ny karazana
akoho, mandalo amin’ny fikarakarana azy isan’andro, mety mifarana amin’ny ady eo an-kianja
(raha maty ny akoho) na mitohy ny tantara raha naharesy… Tsy sangisangy intsony ny ady eto fa tsosori-mamba isarahana : ny biby no miady ka ny mpijery
(indrindra ny tompony) no mitaintaina sy mitsanga-mitoetra. Hatreto aloha dia ny lehilahy no tena mafana fo amin’ity raharaha
ity. Sady kilalao no harena.
|
AIZA SY OVIANA ?
Raha ny manerana ny Nosy dia tsy fantatra mazava ny isan’ny toerana fampiadiana
akoholahy. Aleo atao hoe « kianja » no iantsoana azy satria saiky efa misy ny farafahakeliny amin’ny foto-drafitrasa izy ireny
(fefy, tafo, fipetrahan’ny mpijery) na dia mbola tsy misy vidim-pidirana
aza. Eto Antananarivo sy ny manodidina dia ireto no azo tanisaina :
Antsofinondry, Ambohimanarina, Ambatoroka, Vinany, Ankaditany,
Tanjombato, Analamahitsy, làlana « By Pass »,… Ny farin’ny herinandro (week-end) sy ny andro tsy iasana (jour férié) no misy ny lalao ary mandavataona fa tsy miato afatsy ny any Antsofinondry izay mijanona rehefa volana oktobra ka miverina indray afaka fotoana fohy
(volana vitsy). Miankina amin’ny toe-piainan’ny akoho (amin’ny maha biby
azy) koa izany satria rehefa mihitsam-bolo izy dia tsy afaka miady, na rehefa tsy salama ihany
koa.
KARAZANA INONA ?
Ny tena mpampiady akoho dia mahafantatra karazan’akoho :
Mavolamba, Kalamainty, Kalamena, Kalaantitra, Kanety, Malaho, Bruce Lee, Lita
kely, Tsilaizina, Taolana, Tariby, Poizina, Sakay, Kalamalemy,
Kômety,…
Ny tena
|

|
mpampiady akoho dia tsy mivarotra akoho vavy mihitsy mba tsy hiparitahan’ny karazany tsara
ananany. Ny tena mpinamana mifampahatoky anefa afaka manao izany ihany na farafaharatsiny mifampindrana
akohovavy.
Raha tena mpinamana no mifampivarotra akohovavy dia tsy latsaka ny 20 000
Ar. Ny akoholahy nandresy iray mety ho lafo manodidina ny 5 ka hatramin’ny 6 hetsy
Ar. Izany hoe lafo ny karazana akoho tsara. Afaka manao « croisement » ihany
(akoho samy hafa fihaviana) hikatsahana ny karazana akoho tsara kokoa, saingy afaka herintaona eo ho eo vao ho fantatra ny
vokatra. Betsaka ny karazana akoho mpiady manerana izao tontolo izao saingy ny fisian’ny gripam-borona (grippe aviaire) no mametra ny fampidirana izany eto
Madagasikara.
AHOANA NY FIKARAKARANA ?
Toy ny fitaovam-pamokarana rehetra dia tena mila fikarakarana ny akoholahy mpiady manomboka amin’ny
fahakelezany. Toy ny akoho rehetra dia ilaina ny fiarovana amin’ny aretina ka mampiasa vaksiny (pesta,
cholera, variole) sy ny fanafody hafa (ody kankana,...), afatsy ny sakafo izay tokony ho tsara sy
ampy. Samy manana ny fanaony ny tsirairay. Manomboka eo amin’ny fito volana dia tokony efa haneno ny akoholahy ary mila fanomanana tsara hahatonga azy ho tena « mpiady ». Azo « tsapaina » kely izy aloha ka hampanaovina ady madinika ka rehefa hita fa mety ho sahy sehetra dia halalinina ny fikarakarana
azy. Atao tomombana ny sakafo, omena fanafody mampatanjaka (vitamine...), ampanaovina fanatajahantena
(hazakazaka, «pompe»), orina amin’ny rano mafana sy mangatsiaka ny
tenany,... Miankina amin’ny safidin’ny tsirairay ireo zavatra ireo fa azo lazaina fa tsy latsa-danja amin’ny fanomanana atleta hiatrika lalao lehibe no ampiarina amin’ny akoholahy satria fandresena no
andrandraina.
TONGA ARY NY FOTOANA
Mipaika tokoa ny ora hiakarana an-tsehatra. Mifanaraka amin’ny tetibidin’ny loka ny tompon’akoho roa tonta (na mety ekipa roa manohana akoholahy iray
avy). Atolotra ny mpitsara ny vola, sasany ny akoho sao sanatria mihosotra zavatra tsy azo
atao, jerena koa sao tsy manara-penitra (ohatra fantsy namboarina fa tsy
voajanahary). Ny momba ny haben’ny akoho roa tonta dia ny tompony no
tompo-tsafidy, satria tsy voatery ho akoho tena mitovy lanja no hiady. Velona ny kiririoka dia manomboka ny
lalao. Ny mpitsara sy ny jockey (mpampirisika ny akoho) roa ihany no mahazo miditra ny
kianja. Arahana maso tsara raha mivoaka ny faritra ny akoho. Omena iray (1) minitra ny roa tonta hikarakarana ny akoho
(tsofina, asiana rora na zavatra hafa ny fery mba hanalefaka ny fanaintainan’ny
tratra). Adin’ny roa (2h) no faharetan’ny lalao.
"raha resy ny anao dia tsy mandray vola ianao ( sy ny
namanao raha misy) nefa tsy maintsy madoa hofan-tany.Betsaka ny kajy
manodidina ny fizarana vola raha mandresy ny akoho: 3% ho hofan-tany, 5%
ho an'ny akoholahy (tompony no tiana ho lazaina; indraindray tsy miloka ny
tompony fa mampanofa ny akohony fotsiny), dia ny sisa ifampizaran'ny ekipa
nandresy.Raha ady sahala dia esorina ny vola tokony aloa ka hikambanana
dia zaraina avy eo. Na manao ahoana na manao ahoana, ny tompony, na
miloka na tsia dia tsy miala maina fa mahazo ny tokony ho anjarany;"
Amin’ny ankapobeany dia 3 herinandro aorian’ny ady nataony vao tokony hampiadiana indray ny
akoho. Tsaboina sy karakaraina izy mandritra ny fotoana ijanonany io.
HO FEHINY
Hita taratra fa efa mirona kokoa amin’ny fitadiavambola ny mpampiady
akoho. Miankina betsaka amin’ny fahazotoana sy ny fikirizana anefa ny
fahombiazana, toy ny zavatra rehetra ihany; Tsy kitoatoa mihitsy fa na dia akoho mpiady hatry ny razambeny aza nefa ratsy fikarakarana dia tsy hisy vokatra tsara ho
azo. Misy ny fikambanan’ny mpiompy soavaly, misy ny an’ny mpankafy
alika, aiza ho aiza ny mpampiady akoholahy. Mety hiteraka adi-hevitra eo amin’ny fiaraha-monina ve ny fampiadiana akoho ?
Samy hihezaka hamaly izany isika.
... Le Dossier... Klikeo
eto
>>
Mbelo- Razafimbelo Honoré de Soanierana Tana
Traductions
par l'Auteur
...
Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Mbelo
a répondu à notre appel
de publier des Editos, maintenant à
qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !
|