voir

Traductions "Mitady ravin-ahitra ... "

L'Edito : «Mitady ravin-ahitra ...  »   804168  21/04/2008

      Betsaka ny zava-mitranga itovizana amin'ny aty Andafy fa ny olana dia miverina foana na dia lazaina fa tany mandroso aza ny aty Frantsa.
     Ny zavatra hitan’ny mpanoratra maha hafakely ny Malagasy dia isaky izay miresaka ny mitranga any Madagasikara dia toa maningana foana fa tsy mba toa ny ataon’ny sasany ny ataontsika Malagasy. Dia matetika no andrenesana hoe, izany no mampiavaka anay, indrindra moa raha sendra mba mahazo fotoana hiresahana amin’ny vahiny.

       - Ny mpanoratra dia mahita fa tsy misy zavatra firy mampiavaka ny Malagasy amin’ny fiainan’ny Frantsay, ohatra. Ny antony dia satria tena maro no fombafomba izay mora nalaintsika tahaka. Na fiakanjo, na fiseho, na fisainana.

Hafa mihitsy, ohatra ny vahoaka Thaïs, rehefa nasehon’ny documentaire –na télévision ny fivavahana arahany, ny sakafony, ny fomban-drazany amin’ny fandevenana, ny fampakaram-bady... Mila mipetraka aza ny fonontaniana hoe : fa inona moa, hafatsy ny tenin-drazana, no mampiavaka ny Malagasy. 

       Aty Frantsa, izao ohatra dia hitanao miavaka eny ny Afrikana, ny Arabo. Ary raha miantrano any amin-dry zareo hianao dia hoatry ny tsy aty Frantsa intsony fa hafa loatra ny ati-tranony hitanao, izay maha-izy azy.
      - Raha ny fiezahana amin’ny fiainam-pirenena indray, ny fampandrosoana izany, dia hita fa amin’ny ankapobeny mitovy ihany ny olana sedrain’ny tany mandroso sy ny mbola tsy mandroso. Satria olana mitovy ihany no itadiavana fanafodiny, ohatra ny karama, ny fandriam- pahalemana, ny fifidianana lazaina fa misy halatra, ny

vidim-piainana, ny fampianarana.   

        - Eto amin’ny haàvon’ny farimpiainana kosa angamba dia misy be ny elanelan’ny mampiavaka. Manana fahefa-mividy avo lenta ny tany mandroso fa tsy ao aminy ny fahasambarana vokatry ny fananana zavatra tsara sy maro karazana. Samy manana ny vahoaka mahantrany ihany, samy manana ny tsy manan-trano ialofana ihany, samy manana ny mpitady ho hanina eny amin’ny poubelles ihany. Dia samy manana ihany koa ny mpanankarenany, ny mpanao hery setrany, ny mpivavaka sy ny tsy mino ihany koa.

         - Ny mpanoratra dia mihevitra tahaka ny olona maro koa fa tsy ny fananana ny zavatra maro sy tsara ary ny volabe no mitondra fiadanana. Samy tsy mahita fiadanana ny tsy mety voky tahaka ny aty amin’ny tany mandroso ary tsy mionona amin’ny ananany sy ny mihinana ambany foitra sy feno fitsiriritana ny zavatra fantatra fa tsy ho azo, any amin’ny tany mahantra.
        - Resaka hafa mihitsy raha ity fitadiavana fahasambarana ity. Tena marina moa izany !                   

 Armand Andriamahady de Creteil

(Traduction  L'Edito "Mitady ravin-ahitra ..."  par l'auteur(fr) et Haja Rakotoarison d'Emadex (gb ))

 Les Traductions :

 Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Armand sy Haja a  répondu à notre appel  pour publier des Edito maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women.               Merci d'avance! 

Les infos du monde en permanence L'actu internationale en temps réel

 

                                        ...Liste de  tous les Editos >> Les Archives de MadaVôvô                                 ... Pour Envoyer un article ou Pour nous contacter >>