|
Vaingandahatsoratra
: "Arahaba !...
Solombodiakoho "
Pour honorer nos parents et
nos ainés ...
Hoy
ny fitenenana : « Raha tonga ny andro fandroana, ny
vodihena ho an’ny andriana ; raha avy ny andro hampakarana,
ny vodiondry ho an’ny rafozana ; raha tonga kosa ny
asaramanitra, dia vodiakoho no omena ny raiamandreny ».
Hitantsika amin’izany fa samy nanana ny hanitra ho azy avy ny
fanajana teo amin’ny Ntaolo razantsika ary izany kolontsaina sy
fahendrena izany no mbola toavintsika taranaka ankehitriny.
|
Ho
an’ny tonon-taona toy ny taombaovao (na ny fandroana taloha izay
fetim-pirenenea lehibe), dia tena fomba tsara indrindra ny manome
voninahitra ny raiamandreny. Tsy ny nahitana masoandro ihany fa
ireo rehetra azo lazaina fa zokiny amin’ny taona (zokibe
toa ray) eo amin’ny fianakaviana sy ny firahamonina. Rariny sy
mety tokoa raha ny zandry, zanaka no mamamgy ny raiamandreny sy
manao izany amin’ny alalan’ny fanolorana ny solombodiakoho
izay matetika vola ankehitriny ,
arahana fiarahabana nahatratra ny taona sy ombana ny firariantsoa
saha izany. Eo amin’ny fifanajana
rehefa miara misakafo ny mpianakavy dia ny vodiakoho no
fanomezam-boninahitra ny zokiny satria ny rafi-piarahamonina
malagasy dia manome lanja manokana ny lehibe.
|

|
Nampiasaina
ny akoho satria io no ananan’ny rehetra afatsy ireo tena farahidiny. Ny
akoho no fandray matetika : raha tonga vahiny, raha tsy salama dia
alain-drony ny vatotr’akoho. Ny vodiakoho koa dia malemy sy tsara
tsiro.Ny solony no omena rehefa mamangy ka izany no ampiasana ny vola ho
solombodiakoho. Ny zandriolona kosa dia tolorana solompenakoho, satria
mifanaja ny Malagasy.
Razafimbelo
Honoré alias Mbelo (Soanierana- Antananarivo)
Traducteurs:
Aimée et Jafetra Ramilijaona
...
Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Mbelo a répondu à notre appel
de publier des Editos, maintenant à
qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !
|