|
Edito
: «
Ngita volo ny ankizivavy vezo! Fa ny lehilahy olioly volo tsara daholo...
Avy aiza marina ny Malagasy?
» (2)
Dia hafaliana ho ahy hatrany ny manoratra ho anao
Ra-Serge...
Mba
te-hifaly miaraka @ Silamo ny lehibenay tato androany @ izao fiafaran'ny ramadan izao ka dia hoy izy hoe andao mba hividy
"goat" atao laoka!... Dia natao tsara omana izany sakafo izany ka dia nafilotra ny
"goat" t@ antoandro teo (ketrika filipianina mifangaro
mananasy...) Dia nanontaniako an-dry zalahy filipianina ato an-trano indray ny anaran'ny
"goat" amin-dry zareo... Akory ny fahagagako
|
fa
"bign" no fiantson-dry zareo azy! Dia inona moa izany fa tsy io no
"bengy", anaran'ny "osy" any Atsimon'i
Madagasikara!
Lehibe dia lehibe io fahagagako io satria noheveriko fa ny Tafovoan-tany no
tokony avy aty Filipina raha ny volo tsotra sy ny volon-koditra fotsy no
jerena....Kanefa, ho an'ny Tafovoan- tany dia "osy" no anaran'ny
"goat" fa tsy "bengy"!
Noheveriko ihany koa fa ry zareo any Atsimo dia Afrikanina kokoa raha @ samy
Gasy, kanjo moa dia mitovy ny fiantsoan-dry zareo ny "goat" sy ny Filipianina
(bengy!)
Mistery fanindroany indray
ity, RaSerge, marina! Raha ny marina, manko, dia fady an'io izahay
Sihanaka... (Fa ny tenako efa notsofina rano ka dia nihinana ihany
androany...) Tadidiko tsara ny nahitako "osy" voalohany tao
Ambatondrazaka: komisera de polisy moa sa prezidan'ny Tribonaly ilay rangahy namatotra osy teo Sabotsy-Ambohimasina teo
(Kartie iray ao Ambatondrazaka)?! Fa dia tsy nisy nandalo teo ny Sihanaka fa nivily lalana nihataka ity zava-pady
ity!
|
A
la découverte de la culture malgache . Le patrimoine au féminin
: coiffures et parures à Madagascar . ( Les Journées de
Madagascar à l'Unesco - 2006)
1010337 13/10/2010
|
Fa mahagaga ahy hoe maninona no fady mihinana an'io izahay Sihanaka kanefa ny
"hazary" ("sampy" @ filazan'ny mpanenjika
fivavahan-drazana!) rehetra isan-tokan-trano any Antsihanaka dia vita avy @ tandrok'osy ny
an-kabeazany!
Ary nanadihady an'io aho ka hay moa avy tany Atsimo (Mahafaly) no nakan'ny Razanay ny
hazarinay....Ary mbola io "hazarinay" vita @ tandrok'osy io no nitsofan'ny renin'ny dadako ahy rano fony handeha hanao an'izao
"relijiozy" izao aho....Koa izahay dia misotro ny ranon'io osy io fa tsy mihinana ny
henan'io! Mahazendana!
Dia paoma indray no "dessert" -nay t@ antoandro teo
ihany... Ny ahy moa dia ny manontany ihany no fantako! Nanontaniako indray ilay "kelimaso" Koreanina teo anilako teo hoe inona leitsy no fiantsonareo an'itony? Be dia be an'itony izao any Korea satria mangatsiaka oh? Dia hoy izy hoe "goat" tsy misy any aminay, fa raha paoma no tantaraina dia tompony
izahay... Manana karazany maro izahay...
Dia inona ny "paoma" @ teny koreanina, hoy ihany aho nanindry... Ka akory ny fahagagako fa voankazo dia
(wild fruits) any Atsimon'i Madagasikara no notononin'ilay Ranamana!
"Sakoa"!... F'AHOANA ary izany??? Sa izaho no dia manao hitsin-dalana fa raha ny marina tsy misy fifandraisany ny
"sakoa" sy ny "paoma"...Tsy hamakiako loha izany fa ny ahy "archives" dia soratana daholo izay
mitranga! Any aoriana any, angamba, mety hilain'ny mpikaroka ihany izao tantaraiko
izao!
Raha ny tena marina, ange, dia mainty hoditra ny filipianina fa tratran'ny
"maquillage"... sns dia lasa fotsy eh! Ny ankabeazan'ny zaza teraka aty dia mainty hoditra fa rehefa mihalehibe lasa mazava
fihodirana... Ary henatra ho an-dry zareo mihitsy izany hoe mainty fihodirana izany
(ny vehivavy io an)!
Feno fanafotsiana hoditra ny magazay aty! Hitanao eny rehetra eny ihany koa ny fanatsorana
volo! Olioly volo, manko, raha ny tena marina ny ankizivavy aty fa tratran'ny fanatsorana volo dia tsy hitanao avahana...Fa ny lehilahy aty no malemy volo sy tsotra volo ny
ankabeazany! (Ary tsy tian-dry zalahy io an; irin-dry zareo ny voloko somary
ngitangita...)
Somary miresaka kely volo aho eto satria mahatsiaro ny nipetrahako tany @ Vezo manomboka eo Anakao mianatsimo hatrany Androka t@ izany andro
izany... Mihomehy fotsiny ry zalahy Vezo namako mandinika ny volon'ny zazavavy any @dry
zareo: ngita volo ny ankizivavy vezo! Fa ny lehilahy olioly volo tsara
daholo...
Izay indray aloha ny androany fa tohizantsika @
manaraka!

|
Roddy Pierre Ratsimiolaka alias Lemonja de Manila - Phillipine
(texte original
de Lemonja en malgache )
«
Ngita volo ny ankizivavy vezo! Fa ny lehilahy olioly volo tsara daholo... Avy aiza marina ny Malagasy?
»
|
Traductions
de L'Edito en (fr & gb & Ger ) par Angéline Ranaivoarinosy
de Paris
Les
Traductions :
|
|
|
|
|
 |
.
Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina",
Lemonja a répondu à notre appel
de publier des Editos, maintenant à
qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !
|