voir

Traductions "Akoho sy anamamy misy rony no laoka...  Avy aiza marina ny Malagasy? ... "

Edito : « Akoho sy anamamy misy rony no laoka...  Avy aiza marina ny Malagasy?  »   (1)

      Variana dia variana aho namaky ny artikla an'i Emma fony izy namangy an'i Ghana... Toa resiresy lahatra izy hoe "De Afrikana ihany ny Gasy kah!"
       Izaho koa saika hilaza izany ihany rehefa nihaona t@ namana Afrikana mipetraka aty Manila t@ roa herinandro lasa izay...Tsy hitako mihitsy t@ izay izay mahasamy hafa ny Afrikana @ Malagasy, na ny mahasamy hafa ny Malagasy @ Afrikana... 

      Nanao lamesa niaraka izahay satria io fihaonan'ny samy avy any Afrika monina eto Manila io dia nivavahana ho an'ny fanahin'ny maman'ny iray @ Afrikanina namana mipetraka aty (Tsy vitan'ny mipetraka aty ilay sakaiza fa manambady Filipianina mihitsy ary miasa ao @ IBM ilay Rangahy...) izay nodimandry vao tsy ela akory izay.
      Dia tsy hitako, hoy aho, izay mahasamy hafa ny Afrikana @ Gasy eh! Ny gadon-kira dia malagasy izao! Ny endrikendriky ny olona tao, dia Malagasy izao Araka ny tsapan'i Emma ihany hoe toa ny any Atsimo (Ampanihy moa no sary ao!) Fa na mankany Antsiranana ianao, na any Toamasina, dia mitovy eh!
      Fa sadaikatra kely ihany indray aho nony avy teo rehefa nijery tsara ny vadin'ny iray t@ Afrikanina namana teo! Indonezianina ilay madama...! De eh eh he: Malagasy tsotra izao ihany koa!!! Dia "Merina" izao eh! Dia io no  nampametra- panontaniana an'ilay nitondra anao an-taxi tao Accra, ry Emma, hoe : "Afrikanina ve ianao de fotsy sy tsotra volo sahala amin'izao?" Dia tsy nandoa vola moa izany ianao, ry zanak'Imerina, satria sadaikatra taminao ilay ranamana...
    
Fa izany eo ihany, fa mbola fanina bebe kokoa indray aho nony nanontaniako 

Une  Recette malgache

cliquez-ici  >>

ny anaran'ny sotro @ teny koreanina (Miara-monina @na namana Koreanina iray, manko, ny tenako ato an-tranonay...) Dia nanontaniako an'ilery hoe "Inona, leitsy, no mba fiantsoanareo an'itony? (sady natoroko azy ny sotroko!) fa aminay Gasy dia "sotro" no anaran'itony!" Taitra dia taitra i Zandribe Koreanina satria "sotro" ihany koa no fiantsoan-dry zareo an'io!!!
     Lasa dia lasa tany amin'ny "kelimaso" ("Kify maso" moa no tena filazanay azy Sihanaka) rehetra misy ao @ fianakavian'ny mamanay ny saiko avy teo: Koreanina ve sa Sinoa? Izaho tsy miresaka ny taranaka aty afara vokatry ny fanambadiana Sinoa sy Gasy fa ny tena Gasy hatra tany am-piandohana mihitsy, niondrana sambofiara avy taiza! Tamin'izaho nianatra Angilisy tao @ CCA ihany koa, tao Tana, dia nana-namana tsara tarehy be zesta izay, ary nireharehavany tamiko mihitsy hoe kely ny masony...
     Fa efa miresaka vonga-maso ihany dia aleo zaraiko kely eto hoe ny ankabeazan'ny Filipianina dia mivongatraka ny masony! Tsy mahita Filipianina kely maso zaho raha tsy hoe, angaha, misy razana Sinoa tany ho any! Ny ahy, manko, dia anontaniako mihitsy hoe "f'ahoana ianao toa kely maso nefa ny Filipianina saika bebe maso daholo?" - Dia valian'ireo tsotra hoe misy ra Sinoa ato amiko (na Japoney). Ary ny Filipianina rehefa miresaka dia io masony io no hetsiketsehany! (Ny Italianina ny tanany no hetsiketsehany...)
    
Tsy mifosa olona aho akory, sanatria, eto, fa miezaka mamaly hoe "Avy aiza marina ny Malagasy". Tsaroako tsara ny fanesonesoan'ny namako niara-nianatra Anglisy tamiko tao @ CCA an'izay namako iray izay hoe "Jereo ity masony mivongatraka!"       ...Aty Manila aho mahatsiaro izany rehetra izany (lokon'ny hoditra, haben'ny maso, volo tsotra sa ngita...) Fa mbola mistery h@ izao ity Gasy ity! Raha apetraka hoe avy aty Filipina ny namako iray be vongamaso, na avy any Chine na Japon ny namako fatra-paneso ny be maso fa izy kely maso....Dia ahoana no nahatongavan'izy ireo tany Madagasikara t@ izany fotoan'andro izany? T@ izaho nakaty aza amin'izao andro moderna izao: indray andro maninjitra ianao any anaty boeing foana! Dia ahoana hoe zaza amam-behivavy, ny akoho amam-borona, sns dia nifindra tany @ Nosy Madagasikara???
     
Hofaranako ity resako ity, Ra-Serge, fa somary maika kely aho io rehefa avy eo... Hofaranako @ resaka anana: tany Tagaitay, adin'ny iray mianavaratra miala avy eto Manila izahay indray andro izay...Dia gaga aho nony nisakafo voalohany fa akoho sy anamamy misy rony no laoka...Tsy nino aho hoe "anamamy" io fa noeritrertiko hoe zavatra mitovitovy fotsiny...Kanjo nony afaka efatra andro, nitsangatsanga samirery aho, ary nahita rian-drano...Tia rian-drano aho ary nanao izay mety hanakaikezako ilay riana... Inona hoy ianao: feno anamamy milefodefoka manamorona ny rano avy eny @ ilay riana! Nioty t@ ireo aho nentiko tany an-trano ka akory ny hafalian'ny tao an-trano hoe hanao ron'akoho sy anamy indray izao! Teo vao resy lahatra aho hoe tena anamamy ilay nohaninay marina!                 ...mbola hitohy

 

Lemonja de Manila - Phillipine 

(texte original de Lemonja en malgache )

« Akoho sy anamamy misy rony no laoka... Avy aiza marina ny Malagasy?  »

(Traductions de  L'Edito en (fr & gb ) par  Eric Jaofera de Paris et en ( Ger ) Par Angéline Ranaivoarinosy de Paris

 Les Traductions :

                                                        

Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Lemonja a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance ! 

*

Les infos du monde en permanence L'actu internationale en temps réel

 

                                        ...Liste de  tous les Editos >> Les Archives de MadaVôvô                                 ... Pour Envoyer un article ou Pour nous contacter >>