Clikeo ny
2CV
mena |
"Hier
c'est une histoire
Demain
est un mystère
Aujourd'hui
un cadeau..."
|
Hello
again.... TetezamitaKely
Communique sur MadaVôvö
sur
le site d'ANIMATION ARR ...RRRRR
!
http://a.ratsimbarajohn.free.fr/
|
... le monde entier
a les yeux braqués sur Madagascar ...
Sommaire
Madavôvô:
1-
Bonne Rentrée à tous... ;
2-
Mahaleo, Lolo sy ny tariny... Mitohy ny lanonana... ;
3-
Hentitra ny baikon'ny filoham-pirenena mba hiadiana amin'ny dahalo ambony latabatra.... ;
4-
Le président malgache lance des réformes à un train d'enfer...;
5-
VITSY NY MALAGASY NO MANANA TAHIRY...
AFP
07 septembre 2003
L'AFRIQUE DÉLAISSÉE PAR LES INVESTISSEURS
ONU.
Les investissements directs étrangers (IED) en Afrique ont chuté de 41% en 2002, à 11 milliards de dollars contre 19 milliards en 2001, selon le rapport annuel de la Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement sur l'investissement dans le monde publié hier à Genève. En 2002, c'est le Tchad qui a le mieux réussi à attirer les investisseurs étrangers. Ce pays est devenu le 4e pays bénéficiaire d'IED en Afrique après l'Angola, le Nigeria et l'Algérie.
(AFP)
Info
Madagate 01 septembre 2003
Bonne
rentrée...
Le
WebMaster de Madagate Augustin
ANDRIAMANANORO alias Ragaigy
le 10ème doigt de la main de LaComm'... "Izay mbola sondriana miaraka amin'ireto andrambavilanitra
ireto, Miss Finlande et Hollande tena manja be izy roa ka lé...!"
(01 septembre 2003)

Bonne
Continuation à ceux qui sont encore en vacances...
|

...
et Bonne reprise pour ceux qui reviennent des vacances ! |
Madagascar
Tribune 01 septembre 2003
Fampisehoana:
Mahaleo, Lolo sy ny
tariny: Nafana ny lanonana
 |
Nizotra am-pilaminana ny lanonana teny antsonjombe tamin'ny Asabotsy faran'ny herinandro teo. "Lolo sy ny tariny" niaraka tamin'ny tarika Mahaleo no nandrotsirotsy tamin'ny vazo tsy tontan'ny
ela.
Tsy nifidy sokajin-taona sy sokajin'olona ny tonon-kira fa dia samy nihira ny tandrify azy . Mazava ho azy moa fa efa mahazatra ny sofin'ny maro ny hiran'ireto tarika ireto. Nitamberina tao an-tsaina ny kanto fahiny, satria dia hira tsy afaka am-bavan'ny maro avokoa no nataon-dry zalahy. Nahafa-po ny fety, ary masoandro maty no nampalahelo. "Izaho tsy maintsy mihira" hoy ny tarika Lolo, narahin'ny "Hono hoaho,nankaiza hoaho", "Raha mankany ialahy", "Jumbo", "Fibata", santionan'ireo hira nampitsanga-mitoetra ny mpijery ,"Lemizo" ary tena nahazo "Bis" mihitsy.
Ny an'ny tarika Mahaleo koa dia hira tsy vaovao amin'ny mpijery.Tsy hita ho tantaraina ihany koa satria izay hira mivoaka, babany
avokoa.
|
Santionany fotsiny ny
"Somambisamby" hiavahan'ny feon'i Dama manao beso," Hanaraka
anao" nampisongadina ny feo ambony ananan'i Fafa, "Rasazy" noventsoin'i
Dadah, sy ny sisa tsy voatanisa e !. Ny hira niarahana moa tsy lazaina
intsony, fa dia hita ny fahaiza-mampiaram-peon' ireto bandy ireto hoe
"masaka be".
Iny lanonana iny no tontosa moa dia tao ireo mpiara-miasa maro,sy mpanohana, toy ny mahazatra amin'ny fampisehoana toy
ireny. Anisan'ireny ny orinasa SME izay mankalaza ny faha 60 taonany sy ny gazety "Madagascar TRIBUNE" feno 15 taona amin'ity taona
ity. Tao koa ny orinasa "Saint claude" izay namatsy elo be nialokalofan'ny mpively aponga maro anaka sy ny mpitendry "clavier", ny "Canal satellite, ny TVM sy ireo radio tsy miankina
vitsivitsy, ary ireo orinasa tsy voatonona eto. Naharitra adin'ny enina tany ho any ny lanonana . Hita ho afa-po ny mpijery ary mametram-panontaniana hoe : rahoviana indray ?
Nosintsika
02 septembre 2003
Air Madagascar envisage d'abandonner des lignes peu rentables
Air Madagascar envisage d'abandonner environ vingt lignes intérieures à basse densité. Si aucune compagnie ne remplace Air Madagascar sur ces marchés, les opérateurs touristiques estiment qu'il y aura une perte importante de connexions très dommageables pour le tourisme en général. Les opérateurs proposent que la compagnie nationale mette en vente des droits de franchise à des transporteurs de remplacement. Par ailleurs, la compagnie nationale - dont la privatisation a été renvoyée aux calendes grecques par le nouveau régime - a annoncé son intention de remplacer ses deux Boeing 737-200 par des appareils plus récents. Le premier devrait assurer, à partir de novembre prochain, exclusivement les vols intérieurs, marché sur lequel la compagnie détient encore un quasi-monopole. Quant au second, dont la réception est prévue avant fin avril 2004, Air Madagascar compte surtout l'affecter aux vols régionaux. Sur ce créneau, elle se partage le marché avec Air Austral, Air Mauritius, et, dans une moindre mesure, Inter Air.
Vu sur Clicanoo
|
Cliquez
sur TetezamitaKely

|
...Et
en passant par
TetezamitaKely
...Les
8 Familles et
leurs vœux 2003
(vu sur le site
www.rainizafimanga.com)
"Les
'Grands' parlent d'idée
les 'médiocres'
parlent d'évènements
les 'misérables'
parlent contre les personnes..."
|
Nosintsika
05 septembre 2003
Tribune:
Foloalindahy malagasy
« Hentitra ny baikon'ny filoham-pirenena mba hiadiana amin'ny dahalo ambony latabatra »
Nakotroka sady nanana ny naha-izy azy ny lanonana famindram-pahefana ofisialy teo amin'ireo tompon'andraikitra ambony teo anivon'ny Foloalindahy malagasy, izay natao teny amin'ny BANI-Ivato, omaly maraina. Ny filohampirenena Marc Ravalomanana, izay sady filoha faratampon'ny foloalindahy, izay notronin'ireo mpikambana sasany ao amin'ny governemanta notarihan'ny Praiminisitra Jacques Sylla, ny mambra vitsivitsy ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona ary ireo solotenan'ny masoivoho vahiny miasa eto amintsika, no tonga nanome voninahitra ity lanonana ara-miaramila ity.
Tompon'andraikitra ambony dimy no nandray ny fahefana : ny jeneraly Raonenantsoamampianina, komandy ambonin'ny tafika malagasy, izay nisolo toerana ny jeneraly Razafimandimby Sylvain, ny jeneraly Randrianasolo Augustin, komandy ambonin'ny Zandarimariam-pirenena, izay nisolo ny jeneraly Sambiheviny Findrama Elson, ny jeneraly Razafindrabe, komandin'ny Herim-pamokarana (tafika malagasy) izay nisolo ny jeneraly Randriamaro Jean Baptiste , ny jeneraly Ramananarivo Claude, komandin'ny fiadidiam-paritanin'ny ZP-Antananarivo, izay nisolo ny jeneraly Harson Hans ary ny kolonely Rajoelison Bertini, komandin'ny Faritany Miaramila voalohany, nisolo ny jeneraly Ramandazafy Arthur.
Fisaorana manokana ny jeneraly isany Razafimandimby Sylvain sy Sambiheviny Findrama Elson no nanombohan'ny filohampirenena ny kabariny, noho izy ireo nahavita antsakany sy andavany ny adidy nampiandraiketina azy ireo, indrindra tamin'ireny krizy namaivay ireny, ka tao anatin'izany ny fandravana ny barazy. Niarahaba ireo komandy ambony vaovaon'ny foloalindahy moa izy, ary nanome baiko hentitra, tsy ho azy ireo ihany, fa ho an'ny foloalindahy iray manontolo, mba hanajana sy hanamafisana ny fifampifehezana ao amin'ny foloalindahy, hamongorana haingana ny dahalo ambony latabatra fahavalom-pirenena, ireo dahalo mpangalatr'omby, ireo mpandroba sy mpampihorohoro eran-tany ary ny fihanaky ny aretina SIDA. Nanamafy ny filohampirenena fa miandry vokatra tsy misy hatak'andro amin'izao kihon-dalana iainan'ny firenena izao. "Tsy misy fampandrosoana haingana sy maharitra raha tsy misy ny fandriampahalemana sy ny fanarahan-dalàna eto amin'ny tany sy ny fanjakana", hoy izy.
Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena indray, amin'ny maha-raiamandreny azy, dia nanentana ireo tompon'andraikitra ambony vaovao ireo mba hanohy ny asa mankadiry efa natao teo aloha, dia ny fanarenana sy fampiharana amin'ny laoniny ny fitsipi-pifehezana, izay fototra iorenan'ny foloalindahy, fifehezana ny fitantanana sy fikojakojana ny fitaovana eo am-pelatanana sy izay mbola ho azo.
Matso lehibe no namaranana ny lanonana ara-miaramila, izay nafanain'ny mpitsoka mozikan'ny tafika sy ny zandary omaly. Nandray anjara tamin'izany ny vondron-tafika sy zandary avy amin'ny faritany enina. Nampiavaka ity lanonana famindram-pahefana ity ny matso izay nataon'ireo fiara avy amin'ny holafy samihafa, ny soavalin'ny zandary avy eny Fort Duschène, ny alika mpitsongo dia, ny fiara ampiasain'ny Jenia
miaramila.
Firahalahiana sy fifankatiavana ...
Nandritra ity lanonana teny amin'ny BANI-Ivato ity ihany no nilazan'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana fa hisy ny lanonana fanaovam-beloma ara-miaramila, ho an'ireo manamboninahitra ambony eo anivon'ny foloalindahy malagasy, izay handeha hisotro ronono.
Araka ny fantatra, dia maro izy ireo no handeha retirety amin'ity taona ity, ka anisan'izany ny jeneraly Mounibou Ismael, lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika malagasy teo aloha. Nivoaka tamin'ny andiany voalohany tao amin'ny Akademia Miaramila, ary nahavita be teo anivon'ny tafika malagasy. Amin'ny 16 septambra ho avy izao moa ity jeneraly ity no hisotro ronono. Fanao eo amin'ny foloalindahy tokoa ny lanonana tahaka izany, mba ho fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana ny zava-bitan'izy ireo teo amin'ny asa fanompoana ny Tanindrazana.
"Ilainay ny traik'efa nanananao", hoy Atoa Marc Ravalomanana, raha nitodika manokana tamin'ny jeneraly Mounibou Ismael izy.
Fihaonan'ny fianakaviam-ben'ny foloalindahy malagasy tokoa ny andro omaly. Fotoan-dehibe izay nahafahan'izy ireo naneho ny firahaliana sy ny fifankatiavana ary indrindra ny firaisan'ny foloalindahy malagasy. Niavaka tamin'izany fanehoana ny firahaliana izany ny fifanatonana teo amin'ny minisitry ny foloalindahy teo aloha, ny jeneraly Ranjeva Marcel, izay lasa minisitry ny Raharaham-bahiny amin'izao fotoana izao, sy ireo rahalahiny sy zandriny rehetra eo anivon'ny foloalindahy.. Voalohany no nanaovany fanamiana miaramila, hatramin'ny nanendrena azy ho lehiben'ny Diplomasia malagasy, ary nahafaly ny fianakaviam-ben'ny foloalindahy ihany koa izany, satria tsy adinony akory ny maha-miaramila azy, na dia ny raharaha diplomatika aza no nankinina taminy. Anisan'ny lehibe amin'ny grady moa ny "Général de Corps d'Armée Ranjeva Marcel" . Naneho ny hafaliany ihany koa ny tenany tamin'ny fihaonana indray tamin'ireo "manamboninahitra ambony maro manao fanamiana mampiavaka azy".
Irariana moa ny hitohizan'ny fifankatiavana sy ny firahaliana eo anivon'ny foloalindahy
malagasy.
Libération
mercredi
03 septembre 2003
Ravalomanana
fait sa révolution
Le président
malgache lance des réformes à un train d'enfer
Antananarivo
de notre correspondant
Par
Louis HENRIQUET
Le
«franc malgache» (Fmg) est mort, remplacé depuis fin juillet
par des billets en ariary, pour malgachiser le nom de la
monnaie nationale, française depuis plus d'un siècle. Les
Malgaches ont applaudi : le président Marc Ravalomanana sait
caresser le poil nationaliste de ses compatriotes mais il sait
aussi les prendre à contre-pied. Depuis la nuit des temps, l'accès
des vazaha (les étrangers) à la propriété foncière est
interdit. La terre, celle des razana (les ancêtres), recèle
à Madagascar une dimension symbolique sacrée. Le roi Radama II
fut étranglé, le 12 mai 1863 à la nuit tombée, dans un couloir
de son palais à Antananarivo, avec un foulard de soie, pour avoir
oublié cette règle. On ne s'est pas gêné de le rappeler au Président.
Depuis l'indépendance en 1960, aucun chef d'Etat malgache ne
s'est risqué à abroger cette «loi divine», pas même «l'Amiral
rouge», le marxisant Didier Ratsiraka. Le président Marc
Ravalomanana vient de faire adopter, contre tollé et anathèmes -
les mots «trahison» et «sacrilège» ont été lâchés
dans la presse -, une loi qui autorise désormais les
investisseurs étrangers à être propriétaires terriens. Les
Malgaches, conservateurs, sont très fâchés.
Moins
de corruption. Pour
lutter contre la corruption, qui mine l'administration et l'économie
du pays, le président de Madagascar vient carrément de supprimer
la totalité des taxes d'importation et des droits fiscaux, TVA de
20 % comprise, sur plus de 350 articles, produits de consommation
et biens d'équipement qu'il juge nécessaires pour faire de
Madagascar, en deux ans, «un paradis pour les investisseurs».
Cela va de l'engin de travaux publics aux cahiers et aux
crayons, en passant par l'électroménager et l'informatique. Zéro
taxe, moins de corruption : les Malgaches sont contents.
Un
peu plus d'un an après son arrivée au pouvoir, à la fin du
premier semestre 2002, le président Marc Ravalomanana vient de
soumettre les Malgaches à un train d'enfer de réformes en tout
genre : une vraie révolution ! Et ce n'est pas fini. On attend
une vaste réforme foncière et agraire qui permettra aux paysans
sans terre, la grande majorité d'entre eux, de devenir propriétaires
de leurs rizières, de leurs champs de manioc ou de maïs, de
leurs plantations de café, de girofle ou de vanille et d'échapper
à la survivance féodale du fermage et du métayage.
A
Madagascar, le revenu annuel par tête tourne autour de 250 euros
alors que ses 15 millions d'habitants sont «assis sur un trésor».
«Berlusconi
tropical».
De
Ravalomanana, on connaissait, la saga du «self-made man» venu de
sa campagne, parvenu en quelques années, avec des procédés pas
toujours très orthodoxes, à la tête du premier groupe
agroalimentaire malgache, Tiko. On savait ce «Berlusconi
tropical» avide autant de pouvoir que d'argent, mais «pour
le bien de son pays», ce qui reste encore à prouver. En
revanche, on ignorait totalement que derrière un slogan rebattu
à l'excès - «Faut qu'ça change» - assorti d'une bonne
dose de potion évangélique - «N'ayez pas peur, croyez
seulement», verset extrait de l'Evangile selon saint... Marc
!, se cachait en réalité un révolutionnaire d'un type nouveau,
ultralibéral, déterminé à faire sortir son pays, par tous les
moyens, de cette fatalité du sous-développement qui en fait l'un
des pays les plus pauvres du monde. A Madagascar, le revenu annuel
par tête tourne autour de 250 euros, alors que ses 15 millions
d'habitants sont «assis sur un trésor», pour reprendre
la formule de Michel Camdessus, ex-directeur général du Fonds
monétaire international. Depuis toujours, on dit de Madagascar,
en paraphrasant de Gaulle : «Grande île d'avenir mais qui
entend le rester.»
Plus
question de roupiller sur un coffre-fort avec «Speedy Ravalo»,
son dernier sobriquet à la mode, tant il court par monts et par
vaux. Il ne se contente pas de sillonner son pays pour semer la
bonne parole du nécessaire changement. On l'a aussi vu en
Afrique, aux Etats-Unis, en passant fréquemment par l'Allemagne,
où l'on a rapidement compris que l'ancien laitier, éduqué au
calvinisme conquérant, avait de réelles dispositions pour les
affaires et la politique, pour peu qu'on lui tienne la main, ce
qu'il accepte volontiers dès lors qu'il s'est convaincu de la
sincérité de son «partenaire». Le mot «partenaire» plaît
beaucoup à Marc Ravalomanana, heureux de sa formule d'avenir «PPP»,
pour «partenariat public-privé», synonyme pour lui d'un développement
rapide et durable de Madagascar, même si quelques intrépides
tentent de lui glisser à l'oreille que ce qui est rapide est
rarement durable.
Messie
confit en dévotion. Difficile
à suivre, fantasque, impulsif, préoccupé de progrès pour son
pays et ses habitants, quitte à tout mélanger et confondre, le
«business» de l'Etat et celui de son groupe familial, Marc
Ravalomanana se révèle être beaucoup plus révolutionnaire que
le messie confit en dévotion pour lequel les Malgaches ont voté
en décembre 2001.
Nosintsika
01 septembre 2003
FISINTONANA NY FANJIFANA
27/08/2003
VITSY NY MALAGASY NO MANANA TAHIRY
Raha ny antontan'isa dia tsy manome mazava ny isan-jaton'ny malagasy manana tahiry, indrindra fa ireo tena sahirana , na tafiditra anatin'ny kilasy antonony .Ny tarehimarika mety ahafahana manome isa ; dia ny fijerena ny isan'ny malagasy tsy ao anatin'ireo sokajy voalaza eo ambony ireo , ka nametraka ny volany ao anatin'ny tahiry « Fanambina » izay mitombo isan'andro araka ny nambaran'ny filohan'ny Repoblika .Tsy ny malagasy eto an-toerana ihany ireo fa hatrany ivelany .Anisan'ny fanontaniana napetraky ny mpandraharaha frantsay ,nandalo teto Madagasikara , volana vitsivitsy lasa izay , ny amin'ny tahiry eo ampelan-tananan'ny malagasy na ny « épargne » .Tsy afaka nanome tarehimarika mikasika izay ny tompon'andraikitra malagasy , tamin'io fotoana io .Ara-dalàna hoy ireo mpandraharaha ny fisitonana ny avy any ivelany ,hampiasa ny volany , eto Madagasikara amin'ny fananganana tetik'asa , saingy ny tahiry ato anatiny dia tokony hanampy amin'ny fandraisana anjara amin'ny famatsiam-bola ireo tetik'asa tsy miankina, ho an'ny fampandrosoana .Ilaina ny politika eo amin'ny fisintonana ny tahiry hifanampy amin'izany .Raha tsoahana amin'izay
hevitra izay dia tsy ny fahazoana tany ihany tokoa no mahamaika ny mpampiasa vola vahiny ho avy eto Madagasikara ,raha hiverenana kely ity adi-hevitra ity , fa ny tontolo ankapobeny ahazoana antoka , na eo amin'ny fampandrosoana miankina amin'ny tahiry anatiny , na eo amin'ny fepetra hafa izay mahakasika mivantana ny fiarovana ny fampiasam-bola . Maro dia maro ireo fepetra ireo , toy ny lalàna mazava eo amin'ny fifaninanana , ny fampidinana ny saran'ny herin'aratra ho an'ny indostria , ny fanadiovana ny fitsarana sns.
POLITIKAN'NY FANJIFANA
Ny fanafoanana ny hetra amin'ny fanafarana ireo fitaovana avy any ivelany ,indrindra ireo ilaina amin'ny fiainana andavan'andro na ho an'ny tantsaha izany ,na ho an'ny indostria , na ho an'ny olon-tsotra , dia misintona ny fanjifana , na ny « relance de consommation ».Raha ny antontan'isa farany navoakan'ny INSTAT , na ny ivon-toeram-pirenena misahana ny antontan'isa dia nidina hatrany ny fanjifana nataon'ny malagasy tamin'ireo tanan-dehibe vitsivitsy teo anelanelan'ny volana Jona sy Jolay 2003 . Ny fidinan'ny taha eo amin'ny fanjifana , dia midika fa marefo ny fahefa-mividy ho an'ny malagasy, ary ambany ny taha eo amin'ny tahiry ataon'ny tokantrano . Anisan'ny ahafahana mampandroso ny toekarena anefa ny fisintonana ny fanjifana ary izay no tsy ampy eto Madagasikara .Ankoatra ny famerimberenana fa fisintonana ny mpampiasa vola vahiny ny fepetra ara-toekarena raisina , dia famporisihana ny olona hanjifa ihany koa ny fanafoanana ny hetra . Rehefa midina ny vidin'ny entana na ny fitaovana , dia afaka manjifa araka izay azo atao ny olona .Ny tondro « indice » samihafa , eo amin'ny hampiasàn'ny malagasy ny vola miditra aminy (fahasalamana , fanorenana trano , kojakoja ao an-tonkantrano sns.) dia manamarina fa tsy mahasahana izany ny vola miditra .Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny tahiry .Raha atao ny fampitahana ny zava-misy any amin'ny firenena efa mandroso , dia tsy ny hividianana vata fahita lavitra , na fampangatsiahana no hanaovana tahiry , fa avy hatrany dia azo vidiana amin'ny karama azo amin'ny faran'ny volana izany .Raha misy ny tahiry atao , dia ho an'ny fanaovana fialan-tsasatra isan-taona .Ho an'ny fanamboarana trano , dia azo atao ny manao findramam-bola any amin'ny Banky .Mazava loatra fa tsy izay no zava-misy eto Madagasikara , ho an'ireo sokajin'olona sahirana ,na anatin'ny kilasy antonontonony , fa ny fahafahana mividy vata fahita lavitra mitentina 1.000.000 Fmg, na 2 hetsy Ariary , dia tsy maintsy hanaovana tahiry am-bolana maro. Sintonina amin'ireo fepetra samihafa araka izany ny fanjifana , kanefa ara-teknika dia ny fampitomboana ny harin-karena , ahatongavana amin'ny fananana karama na fidiram-bola ampy ,no ahafahan'ny malagasy manao fanjifana , ary mametraka ny tahiriny .Fepetra azo lazaina fa natokana ho an'ireo sokajin'olona vitsy ihany araka izany ny « détaxation », fa tsy ahasahana ireo sahirana .
FISALASALANA
Raha jerena ny amin'ireo toerana ahafahan'ny malagasy manao ny tahiriny ; dia misy isan-tsokajiny izy ireo .Ny maro mampiasa dia ny Banky .Maro ihany koa ireo karazana orinasa manao famatsiam-bola madinika .Efa miparitaka hatraty amin'ny tanan-dehibe izy ireny , raha natomboka tany amin'ny tantsaha tany amboalohany .Misy ny fitahirizana « caisse d'épargne ».Raha ny toerana misy ity farany ity dia any aorian'ireo bankim-barotra izy , eo amin'ny zana-bola omeny , ka izay no mahatonga ireo malagasy afaka manao tahiry mitodika any amin'ny banky .Amin'ny ankapobeny dia latsaky ny 10% ny zana-bola izay raisina isan-taona .Any ivelany moa dia ireny fitahirizam-bola ireny no matetika mitana ny laharana voalohany , noho ny banky aza.
Tsara ihany koa anefa ny manamarika fa misy ihany ny fisalasalana ho an'ny malagasy sasany ho an'ny fametrahana tahiry ara-bola .Any amin'ny faritra sasany tokoa , toy ny any Antsiranana dia hividianana fitaovana haitraitra avy hatrany matetika , ny vola azon'ny ankamaroan'ireo mamboly lavanila ,satria isan-taona dia tsy maintsy miakatra ny vokatra , ka ambany ny tahan'ny tahiry .Any amin'ny toerana hafa ihany koa , dia matetika apetraka amin'ny « zavatra « ny vola, toy ny omby .Maro no tsy mahay taratasy kanefa manana omby an'arivony .Ny antony tsy hametrahany vola any amin'ny Banky , dia satria tsy tiany hatao amin'ny anaran'olona ny kaontiny sns.Maro ny antony tsy hametrahan'ny olona ny volany any amin'ny Banky ,fa santionany ihany ireo .Eo koa anefa ny fisian'ny tsy fahatokisana ireo sampan-draharaha hametrahana ny vola .Misy amin'izy ireny tokoa no toerana fakàn'ny mpitondra vola rehefa tsy manana izy ireo .Izany fisalasalana sy tsy firaikana amin'ny fanaovana tahiry izany , dia mampihena tanteraka ny isan'ny malagasy afaka manao tahiry ara-bola ara-dalàna .Tsapa ihany koa , ary efa manao tombatombana ho amin'izany ny ivon-toerana misahana antontan'isa , fa raha ihatra ny fanafoanana hetra manomboka amin'ny volana Septambra izao , dia miantso bebe kokoa ny olona hanao fanjifana izany , na hividy zavatra , ary ny tohiny dia hihena na ho fongana ny tahiry ho an'ny tokantrano .Ny fepetra noraisina rahateo dia manery ny efa manana hanolo indray ny fitaovana ao aminy , ary ankoatra izay dia hirotsaka amin'izay fanjifana izay ihany koa ny mitazona ny tahiry ao an-trano .
Annick R.
Notsongaina tao amin'ny La Gazette de la Grande Ile
Madagate
24 aout 2003
Vola
rentre et repose en paix à Madagascar selon sa dernière volonté.
C’est
ainsi faite, sa dernière volonté veut qu’elle soit inhumée à
Madagascar. Raymonde RAMARIARINORO, plus connue sous le nom de
Vola (celle qui chantait avec Noro). Mariée et mère de trois
enfants, elle nous quittait à l’âge de 54 ans à Paris.
La foule se pressait, ce jeudi 21 août 2003 au Temple FJKM
Fitandremana Wagner à Paris dans les 11é arrondissements, pour
rendre un dernier hommage à Vola lors d’une cérémonie funèbre,
voulue sobre, dirigée par le pasteur RARIVOMANANA Joelitiana.
Ce n'était pas un adieu, mais un simple au revoir au paradis,
Vola rentre à Madagascar grâce à la chaîne de solidarité
entre Malagasy qui se mobilisaient à récolter de fond pour le
rapatriement de son corps. L’Ambassade de Madagascar à Paris,
qui a financé la totalité du frais, fixé à 4500euros, et a été
représenté par son premier Conseiller, Madame Perle Rabakonirina
et son staff.
Suite sur Madavôvô du ...
24 aout
2003 - Cliquez-
|