Revenir au MadaVôvô du jour >>

voir

" Emeute à Madagascar janvier 2009 - Mars 2010 "

Les Echos de nos correspondants à Mada et d'ailleurs

... le monde entier a les yeux braqués sur Madagascar ...

 [ page1 ]  [ page2 ]  [ page3 ]   [ page4 ]   [ page5 ]   [ page6 ]   [ page7 ]   [ page8 ]
 [ page9 ]  [ page10 ] [ page11 ]   [ page12 ]    [ page13 ]  [ page14 ]    [ page15 ] [ page16 ]
 [ page17 ]  [ page18 ]  [ page19 ]  [ page20 ]   [ page21 ]  [ page22 ]    [ page23 ] [ page24 ]
[ page25 ] [ page26 ] [ page27 ]  [ page24 ]  [ page24 ] [ page24 ]   [ page24 ] [ page24 ]

Ampianaro ny zanatsika hiaro sy hanao ny marina hatrany (17) 


Midi Mada 24/10/2009 
Ralitera à Tsiafahy : La France saisie de son cas  - Davis R

D’après Ihanta Andriamandranto, « l’autorité de fait existant actuellement ne respecte pas les accords prévus dans la Charte de Maputo ». Et de citer comme exemple le cas des détenus politiques arrêtés lors de cette crise 2009 et la protection des avoirs de l’ancien président Ravalomanana, qui, selon elle, font l’objet de pillage jusqu’à maintenant. 

Faut-il rappeler que cette présidente nationale des femmes légalistes a été arrêtée au Carlton le 29 avril dernier, avec le Premier ministre des légalistes Manandafy Rakotonirina. Elle a été relâchée quatre mois plus tard, après avoir été contrainte de signer un engagement écrit promettant de ne plus organiser, ni de participer à aucune 

manifestation politique. Selon toujours Ihanta Andriamandranto, « la Charte de Maputo prévoit l’arrêt immédiat des poursuites judiciaires pour toutes les accusations à caractère politique, alors que l’autorité actuelle effectue encore des arrestations… A l’exemple du cas de l’ancien député d’Ambohidratrimo Raharinaivo Andrianantoandro ». Et de faire savoir que « 90 détenus politiques, arrêtés au cours de la crise 2009 sont encore en prison en ce moment, et mon mari en fait partie ». 
Manifestation. 

Il convient de rappeler que Ralitera Andrianandraina, l’ancien Directeur de sécurité auprès de la HCC, qui n’est autre que l’époux de Ihanta Randriamandranto est encore emprisonné à Tsiafahy actuellement. Et le Secrétaire général du Teza d’évoquer que « le Consulat de France à Madagascar est en train d’étudier le dossier de mon mari ». A noter que cet ancien légionnaire dispose de la nationalité française, tout comme l’ancienne sénatrice, Naike Eliane, qui a été libérée quelques jours après son arrestation. Et Ihanta Andriamandranto de laisser entendre au passage que son mari est gravement malade actuellement à Tsiafahy. Au cours de cette interview, le leader des femmes légalistes a également annoncé que les familles des détenus politiques prévoient d’organiser un culte œcuménique et une grande manifestation de soutien dans les prochains jours. 

Encadré: Taratasin'i Ralitera Andrianandraina, mbola migadra pôlitika efa enim-bolana mahery izao
En direct de Madagascar Hafatra kely ho anareo fianakaviana, tapaka sy naman'ireo gadra pôlitika

Aty an-trano maizina aho no mampita izao hafatra izao ho anareo. Reko fa misy vavaka ho fangatahampitahiana ataonareo ho an’ireo ray, zanaka, fianakaviana voatana aty am-ponja nohon’ny antony politika. Enim-bolana aho izao no notanana am-ponja. Miandry ny rariny. Tsy misy heloka nataoko teo am-panaovana ny asako na teo anivon’ny fiarahamonina. Ary mandry ny saiko satria tsy mitombona ireo fiampangana maro lafy atao amiko. Fantatro anefa fa fisaka ny marina ary be ireo olona mitady valifaty ka manasarotra ny asan’ny Fitsarana.
Tsy misy firenena vanona ao anatin'ny fankahalana ny mpiray tanindrazana amin'ny tena.
Tsy maintsy miezaka isika ny hiarin-doha hatrany. Saingy tsy ho vita izany raha mbola ao anatin’ny fankahalana ny hafa tsy mitovy hevitra amin’ny tena no ho entina hanarenana ity Madagasikara ity. Samy mizaka ny andraikitra tandrify azy isika tsirairay avy. Directeur de sécurité ny HCC no andraikitro. Andraikitro ny fiarovana ireo fananan’ny HCC sy ny ain’ireo mpanolontsaina ambony. Vitako antsakany sy andavany izany. TSY NISY NA BALA IRAY AZA VOATIFITRA AVY TEO AMBOHIDAHY nandrita ny valo taona nametrahan’ny Fanjakana tamiko io andraikitra io. Midika izany fa haiko hatrany ny nifampiraharaha tamin’ireo ankolafin-kery rehetra. Eny fa na ny fiarovana ny ain’ny filohan’ny FAT aza teny Mahamasina dia izaho no niantoka izany. 
Tsy fantatro raha mbola misy na efa niova ny HCC. Fa ny fantatro dia narovako hatramin’ny farany io andri-mpanjakana io. Ary dia izao nogadraina izao no niafarako. 
Manao antso ho anareo aho mba tsy hankahala ireo nitady ny hanao ny ratsy tamin’ireo havanareo any am-ponja. Matokia ny fitsarana, satria mino aho fa mandala izany hoe fitsarana mahaleo tena izany ireo mpitsara. Matokia an’Andriamanitra izay mahafantatra ny TENA MARINA.

Ireto misy toro-hevitra tiako hifampizarana aminareo mba hifanomezan-tsika heri-tsaina hiatrika ny ho avy:
1)Ampianaro ny zanatsika hiaro sy hanao ny marina hatrany. Fitaizan-tsaina lavitrezaka no miandry azy ireo. Andraikitry ny raiamandreny no mampita ny soa toavina. Indrisy fa ity generation iray ity dia very tanteraka teo amin’ny fampitana ny soa toavina ka nanjary ireo natao hiaro ny ain’ny Malagasy indray no mitarika setrasetra.

2)Tohizo ny fampitana ny vaovao marina: Matetika dia diso ny vaovao miampita any amin’ny gazety ka mitarika torotoro sy fiampangana tsy mari-pototra. Raha mangina isika manana ny rariny dia voahitsaky ireo tsy maty voalavo an-kibo.
3)Aza matahotra miaro ny fahalalahana (liberté): Io no soa toavina voalohana indrindra. Raha voahitsaka ny fahalalana ka harovanao dia hanjaka tanteraka ny fanararaotana samihafa. Amin’ity Tetezamita ity dia tsy misy intsony ny aro fanina ka misy ny manararaotra ka manitsaka ny zon’olombelona. Harovy ny fahafahanao hiteny. Harovy ny fahafahanao handroso hevitra malalaka. Harovy ny zonao hiaina an-kahalalana.
4)Manaova ny tsara: Ny fiarahamonina dia miankina amin’ny fanaovana ny soa sy ny tsara amin’ny mpiara-belona. Raha manao ny tsara isika dia ho voavaly amin’ny tsara.
5)Hamafiso ny asa eo anivon’ny Fokontany misy anao: Ny Fokontany no andry sisa azontsika hiantehera mba handaminana ny fiaraha-monina. Tohizo ary ny adidinao eo amin’ny Fokontany misy anao. Raha vakivaky ny andri-panjakana samihafa, ny Fokontany kosa manao ny asany hatrany. 
6)Takio ny hanajana sy ny hametrahana ny sata repoblikanina: Ny fanajanao io sata repoblikanina io ihany no antoky ny fandriam-pahalemana maharitra eto amin’ny firenena, antoky ny fifandimbiasam-pahefana mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka, ary antoky ny maha-firenena vanona ny firenena iray.
Na ho raikitra na tsia ny fifanarahana Maputo dia tsy maintsy hibaliaka indray eto Madagasikara ny masoandron’ny fifankatiavana amin’ny samy Malagasy. Izaho moa efa nanao sonia hanaiky ny fifanarahana Maputo saingy mbola voatana foana hatramin’izao.
Hanarina ity Madagasikara ity isika. Ary am-pitiavana no hanaovantsika izany.
Alao hery ary trotroy amin-bavaka ny fanomanana ny hoavintsika. 
RALITERA Andrianandraina

...Suivant

Revenir au Sommaire des Dossiers les + de MadaVôvô