Tous les Editos traduits en malgache :

Edito : « Ngita volo ny ankizivavy vezo! Fa ny lehilahy olioly volo tsara daholo...  Avy aiza marina ny Malagasy?  »   (2)

            Dia hafaliana ho ahy hatrany ny manoratra ho anao Ra-Serge...
     
Mba te-hifaly miaraka @ Silamo ny lehibenay tato androany @ izao fiafaran'ny ramadan izao ka dia hoy izy hoe andao mba hividy "goat" atao laoka!... Dia natao tsara omana izany sakafo izany ka dia nafilotra ny "goat" t@ antoandro teo (ketrika filipianina mifangaro mananasy...) Dia nanontaniako an-dry zalahy filipianina ato an-trano indray ny anaran'ny "goat" amin-dry zareo... Akory ny fahagagako 

fa "bign" no fiantson-dry zareo azy! Dia inona moa izany fa tsy io no "bengy", anaran'ny "osy" any Atsimon'i Madagasikara! 

     Lehibe dia lehibe io fahagagako io satria noheveriko fa ny Tafovoan-tany no tokony avy aty Filipina raha ny volo tsotra sy ny volon-koditra fotsy no jerena....Kanefa, ho an'ny Tafovoan- tany dia "osy" no anaran'ny "goat" fa tsy "bengy"!

     Noheveriko ihany koa fa ry zareo any Atsimo dia Afrikanina kokoa raha @ samy Gasy, kanjo moa dia mitovy ny fiantsoan-dry zareo ny "goat" sy ny Filipianina (bengy!)
      
Mistery fanindroany indray ity, RaSerge, marina! Raha ny marina, manko, dia fady an'io izahay Sihanaka... (Fa ny tenako efa notsofina rano ka dia nihinana ihany androany...) Tadidiko tsara ny nahitako "osy" voalohany tao Ambatondrazaka: komisera de polisy moa sa prezidan'ny Tribonaly ilay rangahy namatotra osy teo Sabotsy-Ambohimasina teo (Kartie iray ao Ambatondrazaka)?! Fa dia tsy nisy nandalo teo ny Sihanaka fa nivily lalana nihataka ity zava-pady ity! 

A la découverte de la culture malgache . Le patrimoine au féminin : coiffures et parures à Madagascar .( Les Journées de Madagascar à l'Unesco - 2006)       1010337  13/10/2010

       Fa mahagaga ahy hoe maninona no fady mihinana an'io izahay Sihanaka kanefa ny "hazary" ("sampy" @ filazan'ny mpanenjika fivavahan-drazana!) rehetra isan-tokan-trano any Antsihanaka dia vita avy @ tandrok'osy ny an-kabeazany!

       Ary nanadihady an'io aho ka hay moa avy tany Atsimo (Mahafaly) no nakan'ny Razanay ny hazarinay....Ary mbola io "hazarinay" vita @ tandrok'osy io no nitsofan'ny renin'ny dadako ahy rano fony handeha hanao an'izao "relijiozy" izao aho....Koa izahay dia misotro ny ranon'io osy io fa tsy mihinana ny henan'io! Mahazendana!
     
Dia paoma indray no "dessert" -nay t@ antoandro teo ihany... Ny ahy moa dia ny manontany ihany no fantako! Nanontaniako indray ilay "kelimaso" Koreanina teo anilako teo hoe inona leitsy no fiantsonareo an'itony? Be dia be an'itony izao any Korea satria mangatsiaka oh? Dia hoy izy hoe "goat" tsy misy any aminay, fa raha paoma no tantaraina dia tompony izahay... Manana karazany maro izahay... 

      Dia inona ny "paoma" @ teny koreanina, hoy ihany aho nanindry... Ka akory ny fahagagako fa voankazo dia (wild fruits) any Atsimon'i Madagasikara no notononin'ilay Ranamana! "Sakoa"!... F'AHOANA ary izany??? Sa izaho no dia manao hitsin-dalana fa raha ny marina tsy misy fifandraisany ny "sakoa" sy ny "paoma"...Tsy hamakiako loha izany fa ny ahy "archives" dia soratana daholo izay mitranga! Any aoriana any, angamba, mety hilain'ny mpikaroka ihany izao tantaraiko izao!
      Raha ny tena marina, ange, dia mainty hoditra ny filipianina fa tratran'ny "maquillage"... sns dia lasa fotsy eh! Ny ankabeazan'ny zaza teraka aty dia mainty hoditra fa rehefa mihalehibe lasa mazava fihodirana... Ary henatra ho an-dry zareo mihitsy izany hoe mainty fihodirana izany (ny vehivavy io an)!

      Feno fanafotsiana hoditra ny magazay aty! Hitanao eny rehetra eny ihany koa ny fanatsorana volo! Olioly volo, manko, raha ny tena marina ny ankizivavy aty fa tratran'ny fanatsorana volo dia tsy hitanao avahana...Fa ny lehilahy aty no malemy volo sy tsotra volo ny ankabeazany! (Ary tsy tian-dry zalahy io an; irin-dry zareo ny voloko somary ngitangita...) 

     Somary miresaka kely volo aho eto satria mahatsiaro ny nipetrahako tany @ Vezo manomboka eo Anakao mianatsimo hatrany Androka t@ izany andro izany... Mihomehy fotsiny ry zalahy Vezo namako mandinika ny volon'ny zazavavy any @dry zareo: ngita volo ny ankizivavy vezo! Fa ny lehilahy olioly volo tsara daholo...
        Izay indray aloha ny androany fa tohizantsika @ manaraka!

                                                               

Roddy Pierre Ratsimiolaka alias Lemonja de Manila - Phillipine

(texte original de Lemonja en malgache )

« Ngita volo ny ankizivavy vezo! Fa ny lehilahy olioly volo tsara daholo... Avy aiza marina ny Malagasy?   »

Traductions de  L'Edito en (fr & gb & Ger ) par Angéline Ranaivoarinosy de Paris

 Les Traductions :

                                                              .

Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Lemonja a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance ! 

Edito : « Akoho sy anamamy misy rony no laoka...  Avy aiza marina ny Malagasy?  »   (1)

      Variana dia variana aho namaky ny artikla an'i Emma fony izy namangy an'i Ghana... Toa resiresy lahatra izy hoe "De Afrikana ihany ny Gasy kah!"
       Izaho koa saika hilaza izany ihany rehefa nihaona t@ namana Afrikana mipetraka aty Manila t@ roa herinandro lasa izay...Tsy hitako mihitsy t@ izay izay mahasamy hafa ny Afrikana @ Malagasy, na ny mahasamy hafa ny Malagasy @ Afrikana... 

      Nanao lamesa niaraka izahay satria io fihaonan'ny samy avy any Afrika monina eto Manila io dia nivavahana ho an'ny fanahin'ny maman'ny iray @ Afrikanina namana mipetraka aty (Tsy vitan'ny mipetraka aty ilay sakaiza fa manambady Filipianina mihitsy ary miasa ao @ IBM ilay Rangahy...) izay nodimandry vao tsy ela akory izay.
      Dia tsy hitako, hoy aho, izay mahasamy hafa ny Afrikana @ Gasy eh! Ny gadon-kira dia malagasy izao! Ny endrikendriky ny olona tao, dia Malagasy izao Araka ny tsapan'i Emma ihany hoe toa ny any Atsimo (Ampanihy moa no sary ao!) Fa na mankany Antsiranana ianao, na any Toamasina, dia mitovy eh!
      Fa sadaikatra kely ihany indray aho nony avy teo rehefa nijery tsara ny vadin'ny iray t@ Afrikanina namana teo! Indonezianina ilay madama...! De eh eh he: Malagasy tsotra izao ihany koa!!! Dia "Merina" izao eh! Dia io no  nampametra- panontaniana an'ilay nitondra anao an-taxi tao Accra, ry Emma, hoe : "Afrikanina ve ianao de fotsy sy tsotra volo sahala amin'izao?" Dia tsy nandoa vola moa izany ianao, ry zanak'Imerina, satria sadaikatra taminao ilay ranamana...
    
Fa izany eo ihany, fa mbola fanina bebe kokoa indray aho nony nanontaniako 

Une  Recette malgache

cliquez-ici  >>

ny anaran'ny sotro @ teny koreanina (Miara-monina @na namana Koreanina iray, manko, ny tenako ato an-tranonay...) Dia nanontaniako an'ilery hoe "Inona, leitsy, no mba fiantsoanareo an'itony? (sady natoroko azy ny sotroko!) fa aminay Gasy dia "sotro" no anaran'itony!" Taitra dia taitra i Zandribe Koreanina satria "sotro" ihany koa no fiantsoan-dry zareo an'io!!!
     Lasa dia lasa tany amin'ny "kelimaso" ("Kify maso" moa no tena filazanay azy Sihanaka) rehetra misy ao @ fianakavian'ny mamanay ny saiko avy teo: Koreanina ve sa Sinoa? Izaho tsy miresaka ny taranaka aty afara vokatry ny fanambadiana Sinoa sy Gasy fa ny tena Gasy hatra tany am-piandohana mihitsy, niondrana sambofiara avy taiza! Tamin'izaho nianatra Angilisy tao @ CCA ihany koa, tao Tana, dia nana-namana tsara tarehy be zesta izay, ary nireharehavany tamiko mihitsy hoe kely ny masony...
     Fa efa miresaka vonga-maso ihany dia aleo zaraiko kely eto hoe ny ankabeazan'ny Filipianina dia mivongatraka ny masony! Tsy mahita Filipianina kely maso zaho raha tsy hoe, angaha, misy razana Sinoa tany ho any! Ny ahy, manko, dia anontaniako mihitsy hoe "f'ahoana ianao toa kely maso nefa ny Filipianina saika bebe maso daholo?" - Dia valian'ireo tsotra hoe misy ra Sinoa ato amiko (na Japoney). Ary ny Filipianina rehefa miresaka dia io masony io no hetsiketsehany! (Ny Italianina ny tanany no hetsiketsehany...)
    
Tsy mifosa olona aho akory, sanatria, eto, fa miezaka mamaly hoe "Avy aiza marina ny Malagasy". Tsaroako tsara ny fanesonesoan'ny namako niara-nianatra Anglisy tamiko tao @ CCA an'izay namako iray izay hoe "Jereo ity masony mivongatraka!"       ...Aty Manila aho mahatsiaro izany rehetra izany (lokon'ny hoditra, haben'ny maso, volo tsotra sa ngita...) Fa mbola mistery h@ izao ity Gasy ity! Raha apetraka hoe avy aty Filipina ny namako iray be vongamaso, na avy any Chine na Japon ny namako fatra-paneso ny be maso fa izy kely maso....Dia ahoana no nahatongavan'izy ireo tany Madagasikara t@ izany fotoan'andro izany? T@ izaho nakaty aza amin'izao andro moderna izao: indray andro maninjitra ianao any anaty boeing foana! Dia ahoana hoe zaza amam-behivavy, ny akoho amam-borona, sns dia nifindra tany @ Nosy Madagasikara???
     
Hofaranako ity resako ity, Ra-Serge, fa somary maika kely aho io rehefa avy eo... Hofaranako @ resaka anana: tany Tagaitay, adin'ny iray mianavaratra miala avy eto Manila izahay indray andro izay...Dia gaga aho nony nisakafo voalohany fa akoho sy anamamy misy rony no laoka...Tsy nino aho hoe "anamamy" io fa noeritrertiko hoe zavatra mitovitovy fotsiny...Kanjo nony afaka efatra andro, nitsangatsanga samirery aho, ary nahita rian-drano...Tia rian-drano aho ary nanao izay mety hanakaikezako ilay riana... Inona hoy ianao: feno anamamy milefodefoka manamorona ny rano avy eny @ ilay riana! Nioty t@ ireo aho nentiko tany an-trano ka akory ny hafalian'ny tao an-trano hoe hanao ron'akoho sy anamy indray izao! Teo vao resy lahatra aho hoe tena anamamy ilay nohaninay marina!                 ...mbola hitohy

 

Lemonja de Manila - Phillipine 

(texte original de Lemonja en malgache )

« Akoho sy anamamy misy rony no laoka... Avy aiza marina ny Malagasy?  »

(Traductions de  L'Edito en (fr & gb ) par  Eric Jaofera de Paris et en ( Ger ) Par Angéline Ranaivoarinosy de Paris

 Les Traductions :

                                                        

Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Lemonja a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance ! 

Edito : «MINO AHO VE IANAO ? IZA i FREDY JAOFERA ? ...»

        Mino ve ianao raha holazaiko hoe tsy afa-nanoratra i Fredy JAOFERA tany am-boalohany noho ny aretina izay nahazo azy fony kely ? Mino ve ianao raha holazaiko hoe tsy nahay niteny malagasy i Fredy JAOFERA taloha ? Teny frantsay no tenin’ny fahazazany satria Lafrantsa no firenena mbola nianaran’ireo nahitany masoandro tamin’izany. Rehefa maty ny reniny dia nonina tany ambanivohitra (Ambohipanja) niaraka tamin’ny raibeny sy ny renibeny avy amin’ny rainy izy sy ny zandriny ary niteny frantsay hatrany, na tamin’ny fianakaviana na tamin’ny olona nanodidina azy ireo hany ka nametrahan’ny olona anaram-bositra hoe : ‘ GASY TSY MAHAY MITENY GASY ‘ izy mirahalahy tamin’ny farany.

        Sekoly malagasy mandrakariva no nianaran’i Fredy JAOFERA ka nahafahany nifampikasoka tamin’ireo mpiray tanindrazana taminy bebe kokoa ; sekoly malagasy hatrany no nianarany ka nisy tokoa ny taranja Malagasy tany an-dakilasy.

      Sahirana ihany izy tamin’ny voalohany fa saingy noho ny ezaka, kiry, finiavana sy fitiavana ny tenindrazana izay efa tany anaty rà dia nahasahy nandray ny penina mba hanoratra vao iraika amin’ny folo taona monja.

      Mora taminy no nanoratra tononkalo tamin’ny teny malagasy, na dia mbola tsy matotra aza ny fomba fanorany. Fanapahan-keviny irery ny hanohy ny fanoratana. Vaky boky tamin’ny teny malagasy no nataony betsaka fa tsy nisy nanampy azy, tsy nisy nankahery azy ary tsy nisy nanohana azy teny am-pamakivakiana ny lalana nodiaviny teo amin’ny sehatry ny kanto sy ny haisoratra .

 

     Esoeson-teny aza no navoakan’ny olona fa tsy fampirisihana ; resaka adala aza no nafafifafy fa tsy fankasitrahana. Tsy nekena mihitsy sy tsy ninoana mihitsy ho nanan-talenta izy fa nasesisesika taminy tamin’ny fiainany manontolo fa te hieboebo fotsiny eny imason’ny olona fa taranaka poety izy fa tsy mahay manoratra akory !… Nalahelo ihany izy sy voadona ny hambom-pony.

     Ny asa sorany dia efa nivoaka gazety (Matin, Midi, Atrika, Tribune, Hehy) sy revio ( Ny Mpamangy). Efa hita ihany koa izy niantsa tononkalo tamin’ny fahita lavitra. Efa re tao amin’ny radio tamin’ny Fandaharana FEOM-BALIHA MAMATONALINA isak’alahady amin’ny valo ora alina. 

     Boky valo no navoakan’i Fredy JAOFERA hatramin’izao ary enina miaraka amin’ny Fikambanana :
        - TENY ROA
        - NOSY MAMIKO
        - NY RANOMASOKO
        - FIAINANA
        - DIAVOLANA
        - IARIVO
        - RAOZY
        - TSETSATSETSA

      Miparitaka amin’ny internet ihany ny tononkalony maro ankehitriny.
     Fredy JAOFERA dia olom-pikambanana. Faribolana SANDRATRA no Fikambanana nidirany voalohany (1991). Izao izy dia Mambran’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy ary Filoha lefitry ny Fikambananan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa ; Mpanolotsain’ny Fifarimbonan’ny Mpandala ny Maha-Malagasy izy na ny FIMPAMAMA ary Mambran’ny Poètes des Afriques et d’Ailleurs.

     Izay amin’ny ankapobeny i Fredy JAOFERA eo amin’ny sehatry ny literatiora.

RAKOTOMALALA Eric de Paris   

Le Poète Fredy JAOFERA     http://efjr.wordpress.com/

(Traductions de  L'Edito " Mino ve ianao...."  Eric Jaofera de Paris (fr & gb )

 Les Traductions :

2007- Mivoaka ny boky telo nosoratan'i Poéty Fredy JAOFERA 

(TENY ROA, NOSY MAMIKO, NY RANOMASOKO )

Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Eric a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

Edito : «Zanaka amin'ny Ray amandreny...»

            Anio isika dia hiresaka adidy sy andraikitra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Zava-dehibe ny mahafantatra izany hampirindra tsara ny fifandraisana eo amin'ny fiaraha-monina, ialana amin'ny fanakorontanana na ny fifandirana amin'izay adidy sy andraikitra mifandrify ny tsirairay avy ary indrindra indrindra hanamafy ombieny ny fifankatiavan'ny ankohonanana iray na hampitombo ny fifanajana sy ny fifaliana eo amin'ny fianakaviana iray. Andeha horesahina ny 

       1. Ny adidin'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka
       2. Ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny

           2. Ny Adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny
     
Tsy mitovy ny adidin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa mifampiankina sy mifampitaiza. Ny adidin'ny zanaka voalohany amin'ny ray aman-dreniny dia izay efa nambara an'Andriamanitra ao amin'ny Didy Folo manao hoe : " Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao, mba ho maro andro ianao ary mba hahita soa any amin'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao." Deotoroniomia 5:16.
      Mafonja tokoa ny nambaran'Andriamanitra eto. Adidin'ny zanaka voalohany indrindra tokoa ny manaja ny loharano nipoirany. Izay zanaka sahy manevateva ray aman-dreny na manao tsinontsinona ray aman-dreny dia tsy hahita soa eto amin'ny tany ity. Hajao ny ray aman-dreny, omeo voninahitra, omeo fifaliana, omeo fanambinana dia hirotsaka aminao ny andon'ny tany ! Aza omena alahelo ny ray aman-dreny fa ireny no loharano nipoirana, ireny no nahita masoandro, ireny no naha-olona anao !....

    
Ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny koa dia ny FITIAVANA. Manana adidy ny zanaka hitia ireo loharano nipoirany. Ny fifankatiavan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka no hanamafy ny fifaliana sy hampijoro ny fifanajana. Ny zavatra tsy misy fitiavana dia tsarovy hatrany fa miteraka ady, fikorontanana, fialonana, fanesoana, fanambaniana. Adidin'ny zanaka ny mitia hanjakan'ny fahasambaran'ny fianakaviana. 

   Adidin'ny zanaka ny mianatra. Irin'ny ray aman-dreny rehetra eto an-tany ny hanan-janaka mahay sy lasa ambony. Izany no fahendrena tsara indrindra sy harena tsara indrindra tadiavin'ny ray aman-dreny. Izay ankizy vonon-kianatra dia tsy manao ny adidiny fa maditra tsy azo tenenina. Izay ankizy tsy tia fianarana dia ankizy mahafohy andro ny ray aman-dreniny sy tsy mahalala ny lalan-pahendrena tokony haleha.
    
Adidin'ny zanaka ihany koa ny MANAMPY ny ray aman-dreniny. Nirin'ny ray aman-dreny ny nanana azy ka tokony hifanampy ombieny satria ny ray aman-dreny dia efa reraky ny asa sy ny fiainana. Iombonana ny sakafo hohanina, iombonana trano ipetrahana, iombonana ny andraikitra ka tokony tsy misy hipetra-potsiny fa samy manao izay asa mifanandrify amin'ny tsirairay.
     Ho avy ny krismasy ato ho ato. An-koatra ny maha-andro nahaterahan'i Kristy azy dia fetin'ny ankizy ihany koa ny Noely. Raha te hanao Noely sambatra ny ankizy dia tokony ho vitany ireo adidiny amin'ny ray aman-dreniny.

RAKOTOMALALA Eric de Paris   

Le Poète Fredy JAOFERA     http://efjr.wordpress.com/

(Traductions de  L'Edito " Zanaka amin'ny Ray amandreny ..."  par Andrianjafy - Rz2   (fr) et Eric Jaofera de Paris (gb )

 Les Traductions :

 

Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Eric & Andrianjafy ont répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !  

Edito : « Ny Ray aman-dreny sy ny Zanaka...»   912279 

            Anio isika dia hiresaka adidy sy andraikitra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Zava-dehibe ny mahafantatra izany hampirindra tsara ny fifandraisana eo amin'ny fiaraha-monina, ialana amin'ny fanakorontanana na ny fifandirana amin'izay adidy sy andraikitra mifandrify ny tsirairay avy ary indrindra indrindra hanamafy ombieny ny fifankatiavan'ny ankohonanana iray na hampitombo ny fifanajana sy ny fifaliana eo amin'ny fianakaviana iray. Andeha horesahina ny 

       1. Ny adidin'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka
       2. Ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny

             1. Ny adidin'ny ray aman-dreny zanaka
      
Sitrapon'ny ray aman-dreny no nahatonga ny zanaka teto an-tany !..Araka izany dia ny ray aman-dreny no manana adidy voalohany amin'ny izay hahasoa sy hahatsara mandrakariva ny taranany ; ny ray aman-dreny no mitady izay fomba rehetra hitomboan'ny zanaka ao anatin'ny fifaliana, fitiavana, fifankahazoana ary fahendrena. Ray aman-dreny tsy mahay manome fitiavana amin'ny menaky ny ainy dia azo ambara ho tsy ray aman-dreny loatra !...Ny ray aman-dreny dia FITIAVANA....Tahaka an'Andriamanitra ! Azo ambara sahady ho varavarana hidirana sy hahalana an' Andriamanitra mihitsy aza... Izany no adidiny voalohany amin'ny sombinainy. Ny fitiavana no antoka voalohany hampisosa ny fifandraisana sy hampirindra ny fifanajan'ny ray aman-dreny sy zanaka. Ny fitiavana no ilay sira hanome tsiro ny zavatra atao rehetra sy hampahazava ny zavatra rehetra raha sendra ka tandrifin-drahona ny lalana eny ho eny. Ny fitiavana no ilay andry tsy azo potehina raha tsy tiana ho potika ny adidintsika ray aman-dreny.

 

      Ny adidin'ny ray aman-dreny koa dia MPITARIKA, mpanoro sy mpanitsy. Tsy ny zanaka no niaina talohan'ny ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny no niaina talohan'ny zanaka. Adidin'ny ray aman-dreny tokoa no mialoha lalana azy amin'izay zavatra mbola tsy nataony, manoro azy amin'izay zavatra mbola mampisalasala azy ary manitsy azy raha sendra solafaka satria ny fiainana dia tsy ny tsara fotsiny ; satria ny fiainana dia tsy ny mety fotsiny fa ny fifangaroan'ny soa sy ny ratsy ary ny fifamdimbiasan'ny mety sy ny tsy mety. Indraindray dia toa mora lazaina ihany izany fa sarotra tanterahina rehefa manan-janaka sarotra atoro na rafi-piaraha-monina tsy afaka hampivoatra ny maha-olona eo amin'ny firenena.   

       Adidin'ny ray aman-dreny ny mahatafita ny zanaka.Tsy atao ambanin-javatra ny fanabezana ho enti-miaina any amin'ny hoavy. Ny fitarihana any amin'ny fanabezana no hampisokatra ny maha-izy azy tanteraka sy hampandroso azy sy hampivoatra azy. Izany no Fahendrena tsara indrindra tadiavin'ny ray aman-dreny rehetra eto ambany masoandro. Ny ankizy tsy ampy fanabeazana dia tsy ny ankizy tsy ampy fahalalana fotsiny fa tsy mahataka-davitra amin'ny zavatra atao.
     
Adidin'ny ray aman-dreny koa dia ny ho MODELY. Tsy ho modely eo amin'ny fomba fiteny ihany fa amin'ny fomba fiaina rehetra. Tsarovy fa ny ankizy dia tia maka tahaka. Matetika izay hitany eo amin'ny manodidina azy ihany no arahina ; matetika ny fomba fiaina any an-trano no fomba fiainany any an-tsekoly.... Raha tsy mahay mitafy, ohatra, ny ray aman-dreny dia hisy fiantraikany foana any amin'ny zanaka izany !...
     
Adidin'ny ray aman-dreny ny MANAJA. Tsy tokony heverin'ny ray aman-dreny ho voatavo tsy mifandraka na tsy manana traikefa na mbola tsy nahita fiainana ny ankizy ka hamaivamaivana rehefa miteny na tsy asiana lanjany ny fihetseham-pony, ny toe-tsainy sy ny mba fomba fijeriny ny fiainana. Tokony hajaina tanteraka ny heviny sy ny hetahetany fa ireny no hoavintsika sy ny firenena.Ny Fanambaniana na fanesoana ankizy no mampisaraka eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka. Mila hiteny mihitsy aza aho indraindray fa misy ray aman-dreny tsy mahay manan-janaka ; misy ray aman-dreny manao didy kofehy lehibe : mandidy ny ankizy amin'ny zavatra rehetra satria, hono, tsy mety diso ny ray aman-dreny !....Misy tokony nomena fiofanana ny ray aman-dreny alohan'ny ananana zanaka !...

RAKOTOMALALA Eric de Paris   

Le Poète Fredy JAOFERA     http://efjr.wordpress.com/

(Traductions de  L'Edito " Ray amandreny amin'ny Zanaka...."  par Andrianjafy - Rz2 (fr)  et Eric Jaofera de Paris (gb )

 Les Traductions :

Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Eric & Andrianjafy ont répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

Hary, Velohasina

L'Edito : «Washington, tanàna ny mpizahan-tany... »  809201               Washington dia renivohitra federaly ny Etazonia izay ahitana mponina mihoatry ny 3 hetsy ary tanan-dehibe mitoetra amin'ny ambaratonga avaratra faha-45 (dimy amby efapolo) tahaka an'i Pekin ao Sina. Izy no tanan-dehibe be mponina indrindra eran-tany. Mandray anjara goavana tokoa izy amin'ny fifandraisana amin'izao tontolo izao, na amin'ny lafiny politika izany, toekarena ary sosialy. Azo lazaina fa eo amin'ny lafiny eran-tany dia ny governemanta amerikana ao Washington no mpandray anjara voalohany sy goavana tsotra izao ary manana ny akony amin'ny firenena sisa rehetra.
      Washington koa dia tanan-dehibe mahasintona mpizahan-tany maro amin'ireny tsangambato isan-karazany manan-tantara, fivarotana goavana, tsangambato ara-kolon-tsaina. Raha manam-bintana ianao ho any Washington, aza misalasala ny hankany sao hanenenanana !

       Manao ahaona Serge, 
      
Misaotra indrindra tamin'ny fanolorana mahafinaritra ary miala tsiny raha taraiky vao namaly. Tsy manana lahatsoratra aho fa te hanome anao citations(fomba fiteny) iray." Kendreo ny volana na mety tsy ho voa aza fa tsy maintsy hitontona eny amin'ny kintana ianao" ( Les Brown).
      
Tsy misy ny hoe : fahatsiarovana iray fotsiny na monument iray fotsiny no malaza aty. Ny monuments rehetra, ny musées rehetra dia tokana na tsisy roa araka ny maha-izy azy. Ny Washington DC, izay renivohitra moa dia manana toerana maro mahasarika olona. Vitsivitsy amin'izy ireny dia ho hitanao amin'ny sary etsy ambany. 

       Manaraka izany ny faritry DC izay misy an'ny DC, Maryland ary Virginie dia manana toerana ialana voly maromaro hafa toy ireo "parcs filalaovana isan-karazany. Kings Dominion no iray malaza amin'izy ireny izay afaka ho tazanao amin'ny sary etsy ambany.
       - Ny tsangabaton'ny Ady Lehibe Faharoa dia natao ho voninahitr'ireo miaramila amerikanina 16 hetsy izay niasa tao amin'ny Armes Forces nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ary ireo amin'ny arivony izay maty nandritry ny fifandonana.
(nalaina tamin'ny "Guide de vacances" ny internety) 
      - Ny Maison Blanche ( Ny Trano Fotsy) no fonenana ofisialy ny 

 Filoham-pirenena amerikanina.

      - Ny "Washington Monument" dia naorina ho voninahitr'reo Ray Mpanorina ny firenena ary ho an' i George Washington, Filoha amerikanina voalohany.
      Lazao ahy raha misy zavatra hafa tianao ho fantatra.
              Misaotra                                                                                                          
... Le Reportage photo  Cliquez-Ici >>

Hary Rakotondrazaka de Washington DC (Rz1)

Traduit en malgache par Eric Jaofera RAKOTOMALALA de Paris (Rz2)

Source: www.vacationideasguide.com

    (Traductions de  L'Edito "Washington, a tourist city ..."  par Ramatoa Blanche d'Ambanidia (fr) et Eric Jaofera de Paris (gb )

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Hary, Blanche et Eric ont répondu à notre appel pour publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !    

L'Edito : « INONA NO MAHATSARA NY FAHALALANA NY TANTARA MAHA-MALAGASY FAHINY? »            806183    

     Tsy mihambo ho fampianarana mahafeno izay tian-kolazaina akory ity lahatsoratra fohy ity fa mba hevitra hifampizaràna amin'ny havana, sy ny tapaka sy namana fotsiny ihany. 

     Maneran-tany mantsy, ho an'ny firenena maro, dia toa zava-dehibe tokoa ny fahalalana ireny tantara ireny (Tantara, finoana, angano, fomba amam-panao, sns) satria sady mandrafitra no mampivoatra ny maha-Izy azy ny tsirairay izy ireny no mamaritra sy manazava ny tontolom-piaraha-monina koa, na vohitra izany, na faritra, na firenena, ka azo hitarafana ny kolon-tsainany sy ny mampiavaka azy amin'ny hafa, izay manome lanja azy eo amin'ny seha-pifanakalozana sy fifandraisana, ka anisan'ny nahatonga an'ny UNESCO hanokana ny 21 Mai ho "Andro iraisam-pirenena momba ny fahasamihafàna ara-kolotsaina".

    Ho an'ireo tsy mpino an'Andriamanitra ohatra, na olona no resahana na firenena, dia ny siansa ara-java-misy (matérialisme) ihany mazàna no tena mibaiko ny fisainana sy ny fihetsika enti-miaina ka mitarika ho any amin'izay tanjona katsahana. 

    Ho an'ny Malagasy indray (sy ny Tatsinana sasantsasany) dia ny "Fanahy no olona" no tanisaina ombieny ombieny, na dia voakilasy ho tsy mpino aza ny mihoatra ny antsasa-manila an'izy ireo. 

    Ary ny finoana kristianina kosa sy ny Vaovao Mahafaly dia mampianatra fa "mifanipaka" ny filan'ny nofo sy ny Fanahy", ka ity farany no tokony imasoana raha te ahatratra ny fahasambarana sy ahazo ny fiainana mandrakizay.


  
Na ahoana na ahoana anefa dia tsy azo lavina, ary voaporofo eo amin'ny fiainana andavanandro, fa izay rehetra noariana dia manana ny ilàna azy (utilité), ny lamina na fandaharana mandrindra azy (ordre), ny lalàna mifehy azy (lois) mba ahatratrarany ny fahalavorariana ao amin'ny fiafarany (finalité). Ka na inona firehan'ny olona tsirairay dia tsy azo hodivirana mihitsy ny Fahalalana, izay maha-sarobidy ny fianarana sy fampianarana. 

 Koa arak'ireo voalaza eo ambony ireo, dia azo lazaina fa akora fototra tena sarobidy tokoa ny fahalalana ny Tantara maha-Malagasy fahiny, satria fanoitra lehibe ho an'ny fivoaram-piainana sy ny fampandrosoana izy ho an'ny tsirairay, na ara-batana izany, na ara-panahy. Ary ny "finoana fotsiny ihany" dia tsy misakana 

Connaître l'Histoire de Mada sur Rainizafimanga.com  ( ... )

velively ny fisainana (raisonnement) sy ny fandinihina ary famakafakàna lalina mba hahitana ny tena "Marina", izay "fisaka" ka saro-tadiavina hoy ireo razantsika feno fahendrena, ary "ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy" hoy ny soratra masin'i Kristy. .                                           

Moise Ramilamintsoa d'Antananarivo

Webmaster de taniko.free.fr

Traductions (Fr & Mg)  par l'Auteur et (Gb) par Lolona Morse de Boston (USA)

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Moise et Lolona ont répondu à notre appel pour publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !    

Edito : "Neny, ilay olo-mamiko indrindra ...  "        * 805176  0784    

     La Fête des mères, Cette merveilleuse idée nous vient de l'Antiquité, mais c'est seulement le 20 Mai 1950 que cette fête fera l'objet d'une loi qui institutionnalisera ce jour de Mai. Cette année nous fêtons donc la  58ème fête des mères le 25 mai . Alors, plus que jamais, bonne fête à toutes les Mamans du monde ! 

     Toutes les mamans sont en général très attentives à leurs enfants, mais certaines mères le sont beaucoup, beaucoup plus que les autres. On les appelle des "mères poules", voire « les mères juives » … car elles "couvent" leurs enfants, elles veulent les protéger de tout, les garder "sous leurs ailes". Mais les enfants doivent aussi apprendre à se débrouiller tout seuls pour grandir.

   Neny

Tsy nanoratra ny tanako afa tsy ny ferapara ho anao
Tsy nisaina koa ny lohako afa tsy ny fandaharana ny fanompoam-pivavahana ho anao
Tsy nahatsiaro koa ny peniko afa tsy ny tantaram-piainanao.


Neny, ilay olo-mamiko indrindra
Tao am-poko tsara rindra
Neny, ilay natahorako indrindra
Tao an-tsaiko nisy fefy


Neny, ilay nizara mamy indrindra
Tao amin’ny fiainako omaly
Neny, ilay tsy hisy ahasolo
Na anatra na ny tamby
Neny, ilay tokana tsy miova
Ao am-poko mandram-pialako eto ho any.

25 janoary 2003

      S'il y a un nom que nous prononçons presque chaque jour, c'est "maman" ! car elle est là pour nous, nos douleurs, nos peurs et aussi nos joies. Elle pleure pour nous, prie pour nous ses enfants, qui cadrent sa vie et créent ses soucis, mais elle est toujours là! Et même quand nous sommes indépendants et avons construit notre propre chemin, elle nous suit, nous guide et nous appuie! 

          Oui, elle est toujours là pour nous! Et même après sa mort, elle est toujours dans nos coeurs, et dans notre pensée quand nous affrontons un obstacle, nous fermons les yeux et nous demandons : "Maman, toi qui me conseillait si bien, que dois-je faire?" Et cet amour qu'elle a laissé dans notre coeur nous aide à traverser cette aventure si merveilleuse : La vie que Maman nous a donné !"   ... Le dossier Fête des mères Klikeo eto >>>

                       Emma Razafintseheno  à Antsiranana   & Sebastien le Parisien

                      Les Tableaux de RANDRIANARISOA Nirina    + de détails cliquez ici  >>

Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina",  Emma & Sebastien  ont répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !  

L'Edito : «Mitady ravin-ahitra ...  »     804168  

      Betsaka ny zava-mitranga itovizana amin'ny aty Andafy fa ny olana dia miverina foana na dia lazaina fa tany mandroso aza ny aty Frantsa.
     Ny zavatra hitan’ny mpanoratra maha hafakely ny Malagasy dia isaky izay miresaka ny mitranga any Madagasikara dia toa maningana foana fa tsy mba toa ny ataon’ny sasany ny ataontsika Malagasy. Dia matetika no andrenesana hoe, izany no mampiavaka anay, indrindra moa raha sendra mba mahazo fotoana hiresahana amin’ny vahiny.

       - Ny mpanoratra dia mahita fa tsy misy zavatra firy mampiavaka ny Malagasy amin’ny fiainan’ny Frantsay, ohatra. Ny antony dia satria tena maro no fombafomba izay mora nalaintsika tahaka. Na fiakanjo, na fiseho, na fisainana.

Hafa mihitsy, ohatra ny vahoaka Thaïs, rehefa nasehon’ny documentaire –na télévision ny fivavahana arahany, ny sakafony, ny fomban-drazany amin’ny fandevenana, ny fampakaram-bady... Mila mipetraka aza ny fonontaniana hoe : fa inona moa, hafatsy ny tenin-drazana, no mampiavaka ny Malagasy. 

       Aty Frantsa, izao ohatra dia hitanao miavaka eny ny Afrikana, ny Arabo. Ary raha miantrano any amin-dry zareo hianao dia hoatry ny tsy aty Frantsa intsony fa hafa loatra ny ati-tranony hitanao, izay maha-izy azy.
      - Raha ny fiezahana amin’ny fiainam-pirenena indray, ny fampandrosoana izany, dia hita fa amin’ny ankapobeny mitovy ihany ny olana sedrain’ny tany mandroso sy ny mbola tsy mandroso. Satria olana mitovy ihany no itadiavana fanafodiny, ohatra ny karama, ny fandriam- pahalemana, ny fifidianana lazaina fa misy halatra, ny

vidim-piainana, ny fampianarana.   

        - Eto amin’ny haàvon’ny farimpiainana kosa angamba dia misy be ny elanelan’ny mampiavaka. Manana fahefa-mividy avo lenta ny tany mandroso fa tsy ao aminy ny fahasambarana vokatry ny fananana zavatra tsara sy maro karazana. Samy manana ny vahoaka mahantrany ihany, samy manana ny tsy manan-trano ialofana ihany, samy manana ny mpitady ho hanina eny amin’ny poubelles ihany. Dia samy manana ihany koa ny mpanankarenany, ny mpanao hery setrany, ny mpivavaka sy ny tsy mino ihany koa.

         - Ny mpanoratra dia mihevitra tahaka ny olona maro koa fa tsy ny fananana ny zavatra maro sy tsara ary ny volabe no mitondra fiadanana. Samy tsy mahita fiadanana ny tsy mety voky tahaka ny aty amin’ny tany mandroso ary tsy mionona amin’ny ananany sy ny mihinana ambany foitra sy feno fitsiriritana ny zavatra fantatra fa tsy ho azo, any amin’ny tany mahantra.
        - Resaka hafa mihitsy raha ity fitadiavana fahasambarana ity. Tena marina moa izany !                   

 Armand Andriamahady de Creteil

(Traduction  L'Edito "Mitady ravin-ahitra ..."  par l'auteur(fr) et Haja Rakotoarison d'Emadex (gb ))

 Les Traductions :

 Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Armand sy Haja a  répondu à notre appel  pour publier des Edito maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women.               Merci d'avance! 

Vaingandahatsoratra : "Arahaba !... Solombodiakoho " 

         Pour honorer nos parents et nos ainés ...  À Noël, Les cadeaux que donnent à cette occasion les grandes personnes aux enfants empruntent le nom de certains morceaux de volaille (noms qui littéralement veulent dire «substitut de cuisse de poulet pour les enfants»). et ce sont les enfants qui reçoivent les cadeaux contrairement au Nouvel An (jour de l'Asaramanitra) alors que tous les membres de la famille élargie doivent rendre visite aux aînés (ou aux plus âgés) de la famille pour apporter un présent afin de leur rendre hommage... le "Solombodiakoho"           0746  -  801135   04/01/2008
   
Hoy ny fitenenana : « Raha tonga ny andro fandroana, ny vodihena ho an’ny andriana ; raha avy ny andro hampakarana, ny vodiondry ho an’ny rafozana ; raha tonga kosa ny asaramanitra, dia vodiakoho no omena ny raiamandreny ». Hitantsika amin’izany fa samy nanana ny hanitra ho azy avy ny fanajana teo amin’ny Ntaolo razantsika ary izany kolontsaina sy fahendrena izany no mbola toavintsika taranaka ankehitriny.

   Ho an’ny tonon-taona toy ny taombaovao (na ny fandroana taloha izay fetim-pirenenea lehibe), dia tena fomba tsara indrindra ny manome voninahitra ny raiamandreny. Tsy ny nahitana masoandro ihany fa  ireo rehetra azo lazaina fa zokiny amin’ny taona (zokibe toa ray) eo amin’ny fianakaviana sy ny firahamonina. Rariny sy mety tokoa raha ny zandry, zanaka no mamamgy ny raiamandreny sy manao izany amin’ny alalan’ny fanolorana ny solombodiakoho izay matetika vola  ankehitriny , arahana fiarahabana nahatratra ny taona  sy ombana ny firariantsoa saha izany. Eo amin’ny fifanajana  rehefa miara misakafo ny mpianakavy dia ny vodiakoho no fanomezam-boninahitra ny zokiny satria ny rafi-piarahamonina malagasy dia manome lanja manokana ny lehibe.

Nampiasaina ny akoho satria io no ananan’ny rehetra afatsy ireo tena farahidiny. Ny akoho no fandray matetika : raha tonga vahiny, raha tsy salama dia alain-drony ny vatotr’akoho. Ny vodiakoho koa dia malemy sy tsara tsiro.Ny solony no omena rehefa mamangy ka izany no ampiasana ny vola ho solombodiakoho. Ny zandriolona kosa dia tolorana solompenakoho, satria mifanaja ny Malagasy. 

     Razafimbelo Honoré alias Mbelo (Soanierana - Antananarivo) 

    Traducteurs: Aimée et Jafetra Ramilijaona

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Mbelo  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

L'Edito : «Tadidin’iky ve ? rony Krismasy tany Dago !...»

     Ho an'iky taty an-dafy efa ela ? Tadidin’iky ve irony Krismasy fahiny, fony mbola zaza tany Dago? ( ...mg )

     La boule de Noël qui décore les sapins est née à Meisenthal en Moselle.
     Traditionnellement, sur les sapins de Noël on accrochait des pommes mais en 1858, l'hiver fut si rigoureux qu'il n'y eut plus de pommes. Un artisan verrier eut l'idée pour donner quand même un peu de joie à la fête de créer des boules représentant une pomme et d'autres fruits. La boule de Noël était née. 
( ...fr )

 

     At this time, Christmas Eve 2007, today we offer you to savor a " good Christmas turkey" in the Malagasy,  "Vorontsiloza sy Henakisoa" ... ( ...gb )

Rehefa migadona ny 24 desambra, ilay nadrasana ela :

       Vao maraina koa, dia efa somebiseby aoka izany ny fianakaviana. Fiomanana tsy misy hoatra izany ! Any an-tokatrano any dia efa voapasoka ny ankajo. Dia, toraka izany koa, ireo kojakoja isankarazany efa vita kalamina tsikelikely. Any am-piangonana, dia efa voatsangana mialoha sahady ny hazo Noely voahaingo sy voaravaka. 

       Tsindrian-daona dia tsindrian-daona ny rehetra ao an-tanàna, indrindra fa ny ankizy kely.  

      Maika sy tsy handry ery ny hamonjy sasakalina any am-piangonana, hanaovana ny tsianjery, ny hira ary ny saynety.

       Ny tena mahavariana ry iky, dia matetika iny maso mbola mikimpy sondrian-tory iny no tairina ny ankizy hanao pilia vava ny tsianjeriny, hihira ny hiran’ny Noely (anisan’ireny ny Avia ry mino/ Mihainoa, alina masina…) ary koa hilalao ny saynetyny !

      Rehefa vita ny tsianjery sy ny kilalao isankarazany dia tonga ny fizarana bonbon (vatomamy), efa vita fono mialoha. Mbola lafim-pifalian’ny ankizy gasy anankiray koa izany.     

Fifaliana tsy hay lazaina! Aoka fotsiny!

     Ny alin’iny ihany dia mailaka ery hijery ny atin- kiraro sao misy fanomezana avy amin’Ingahibe Noely!  

    Raha ny sakafo krismasy indray, indrindra fa ny laoka voaoman’i neny no asian-teny.Tadidin’iky ve?  

Aujourd'hui  Recette malgache de Neny pour les fêtes

cliquez-ici  >>

   “Vorontsilozan’ny Krismasy”

 (na lafo vidy aza io)

Na koa rehefa tsy fidiny dia henam-borona mitovitovy sanda (oh. gisa, gana,...)

    

Ny ampitso 25 desambra maraina indray

       Eo no atao ny fifampiarahabana: “Arahaba tratry ny Noely na Krismasy , mirary Krismasy sambatra“ ao anatin’ny fianakaviana sy rehefa mifanena amin’olom-pantatra na tsia.

       Koa na ny lehibe na ny kely, dia tsy mahatsiaro vizana intsony, fa dia mbola mahavita mifoha maraina be ihany. Avy eo dia mifampitaona, mifampiantso, mifanjohy, ho any am-piangonana hanohy ny fety sy ny fankalazana.

      Ny sakafo atoandron’ny 25 desambra, indray hoy iky?

       Raha toa ka tsy tadidin’iky, dia io fotoana io indrindra no fetin’ny mpianakavy hihaonana, hifanasana, hihinanana sy      hampiderana ary hankafizana ilay sakafo mafilotra atao hoe vorontsilozan’ny Krismasy!

      Andro iray hafakely hanjakan’ny fifankatiavana, hany ka tsy hita mihitsy fahasamihafan’ny mahantra sy ny manana.

    Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny ry iky, fa dia mirary Krismasy na Noely sambatra 2007 ho an’ny ARF sy ny internaoty rehetra e!              ...  Le Dossier...   Klikeo eto 

                                                                                  Manantsoa ANDRIAMIARINA de Kremlin Bicêtre

 Les Traductions de l'Auteur

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Manantsoa  a répondu à notre appel pour publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !    

Avenue de l'Indépendance de Fianarantsoa

L'Edito : «Symphonie des couleurs...  »      11118  

     Yo, yo man ! Mba ho valin'hafatra ho an'i Manantsoa 

     Un parfum de Madagascar à Fianarantsoa

     Une poésie déclinée en 3 langues sur les couleurs ... En français, en malgache et en anglais!

... Inspirée par les beaux paysages en couleur de Fianarantsoa... à Ranomafana !  

      Ranomafana "Little located in the valley of the Namorona, surrounded by mountains covered with a dense tropical forest. The landscape is characteristic of the often brutal transition between the highlands and the coastal fringe.

       Ranomafana is located between the countries  Betsileo and Tanala (those of the forest) owes its name to a hot springs ferruginous whose benefits in a variety of ailments ... (Late 19th century). 

   Azontsika eritreretina ve ny fiainana tsy manan-doko ? Andramo hakimpy fotsiny ange ireo masonao ireo, dia diniho
an’eritretreritra ny tetry ny tany raha tsy nisy ny loko! Raha ny tena izy dia nanana ny dikany manokana hatrany ny loko teo amin’ny fianantsika!

Rakotry ny mena izay taza-maso
Mampatsiahy ny fijalian’ny voahary
Nefa mamelona hafanana am-pon’ny olombelona
Mieritreritra tsy miato ireo lasa lavitra
      Ny maintso izay taza-maso
      Mampatsiahy ny hevitr’ireo hazo avo
      Nefa mapatsiahy ireo volon’olombelona
      Nievi-tena ho tanora lalandava
Rakotry ny manga izay taza-maso
Mampatsiahy ny fahatsoran’ny fanahy
Nefa mampitaitaina ireo vehivavy
Miandry an-torapasika ireo lahy mody an-dakakely
      Rakotry ny fotsy izay taza-maso
      Mampatsiahy ny foana sy ny any ankoatra
      Nefa mandrakotra ny voly vao maraina
      Manasa ny olona hidina hiasa tany
Rakotry ny mena izay taza-maso
Mampatsiahy ny hafanan’ny afon-dasy
Nefa manasa fahanginana,
Tomany am-po any
Mieritreritra ireo rindrina ravan’ny fotoana.

.... suite Cliquez-ici

     Emma Razafintseheno avy iany Fianarantsoa

Ranomafana Rano é ! 

Le site est la base de départ pour des excursions dans le Parc National."

  Pouvons-nous imaginer la vie sans couleurs? Il suffit de fermer les yeux et d’imaginer comment serait la terre si les 
couleurs n’existaient pas. En fait, toutes les couleurs ont eu une signification particulière dans notre vie .

Descente Ranomafana  ! 

Moa va tsy paradisa kely! Tena mahazendana ô !

Le rouge est partout dans ce vaste paysage
Qui rappelle le désarroi de ces natures
Mais qui réchauffe également le cœur de ses hommes
Qui pensent sans cesse à ceux qui sont loin
       Le vert est partout dans ce vaste paysage
       Qui rappelle la senteur de ces arbres si fiers
       Mais qui rappelle aussi les cheveux de ses hommes
       Qui se croient éternellement jeunes
Le bleu est partout dans ce vaste paysage
Qui rappelle la pureté des âmes
Mais qui tourmente les femmes au bord de la plage
Qui attendent ces hommes rentrant en pirogue
      Le blanc est partout dans ce vaste paysage
      Qui rappelle le gouffre de la dernière demeure
      Mais qui couvre les champs si tôt le matin
      Qui invitent ses hommes à descendre au labour
Le rouge est partout dans ce vaste paysage
Qui rappelle la chaleur autour de ce feu de camp
Mais qui invite en silence les pleurs dans les cœurs
Qui pensent aux murs en ruine dévastés par le temps.

.... suite Cliquez-ici

     Emma Razafintseheno de Fianarantsoa

   Can we imagine life without colours? Just close your eyes and think how good the earth would be without any colour.

 In fact all the colours have got special meanings in our lives.

Red is everywhere in the wide landscape
A reminder of nature’s pain
But getting the human’s heart warmed at the same time
Which always thinks about those out of sights
      Green is every where in the wide scenery
      Reminding of trees smellings
      Reminding of people’s hair
      Who believe in their youth
Blue is covering throughout the area
Reminding of soul purity
But tormenting the women on the beach
Who wait for their husbands coming back
     
White is everywhere in the wide landscape
      Reminding of the emptiness before the forever resting place
      But which covers the land in the early morning
Which invites man to start labour
Red is every where in the wide landscape
Reminding of the heath around the cap fire
But which silently invites tears in the heart
Recalling damaged walls by the time.

              .... suite Cliquez-ici

     Emma Razafintseheno from Fianarantsoa

Efa tsara be ny làlana midina any Ranomafana.  Sur le rebord de la cordillère malgache , Ranomafana (eaux chaudes) en malgache est une petite station thermale dans un cadre de cascades fraîches et de forêt primaire : un délire de luxuriance.

 Les Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Emma  a répondu à notre appel pour publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !    

L'Edito : « Misaotra tamin’ny ... Edito faha-100 ! »      09108

     Iny volana Jolay iny dia voasongadina manokana tamin’ireo Editon’ny MadaVôVô miisa ho 100, ny daty manokana fitadidy tamin’izany dia ny 27/07/2007..., izay mbola ahitana foana ilay 7 isa-masina ! . Tsy ho mby tao antsaiko mihitsy ny hahazo editomen sy editowomen toy izany… .Tao anatin’ny herintaona dia niisa ho  50  mahery ianareo no nanoratra sy namoaka lahateny ... ary eto aho dia mbola manantena, ary toa tsy andriko mihitsy, ireo lahasa hafa izay havoakanareo tsy ho ela. 

 « Raha ny satriko dia ny mba ho mpanakanto » Moa tsy hira malaza sy kanto va izany ? 

       Izany tokoa! Niriako koa raha niriako ny ho anisan’ny anankiray tamin’ireny mpanakanto ireny hahazoako mihira sy mampiseho sitraka sy fankatelemana feno an’ireo editorialista tsy ankanavaka ao amin’ny Rainizafimanga.com. Nefa noho ny tena badabada sy tsy mahay mihira , dia teny tsotra ihany no hambara 

                            « Misaotra »

eAry azoko adika aminareo amin’ny fiteny rehetra io !       

       Merci, Thank you, Gracias, Vielen Dank, Obligada, Danke schön, , ....Grazie Mile... hoy ry zareo Romana.

     Afa tsy izany ny LaComm' dia mampahafantatra indray fa ny tranokala dia misokatra ho an’ny webseorfeora rehetra. Koa satria fantatra fa ny tsirairay amintsika dia manan-javatra iray, na roa,.. sns ho tantaraina foana hisintonana ny efa mpikambana sy ireo internaoty mpamangy. Dia manasa anareo ary izahay hizara izany aminay.  

....Antso : iza indray ary no vonona hiroboka izao ankehitriny izao ?Dia miandry anareo ry edito men sy edito women. Misaotra mialoha ! 

            Raha misy manome zavatra ho anao. Kinga miteny hoe             « Misaotra tompoko ô ! »                         

... Lire la suite "Io Fitiavana io dia lova..." Klikeo eto >>

  (Traduction libre  de L'Edito "Merci ... pour le 100ème Edito !... "  de Serge TetezamitaKely

                par Manantsoa Andriamiarina de Kremlin-Bicêtre

Les Traductions par l'Auteur (FR), et Manantsoa Andriamiarina (GB & MG)

 Les Traductions :

.. Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Serge  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance ! 

Editorial :"Hafinaretan-divay eo amin’ny lempon’i Médoc.. 

Ny toerana jeografika misy an’i Médoc dia eo amin’ny tsipika faha 45 parallèle eo amin’ny ekoatora, eo anelanelan’ny Oseana Atlantika sy ny sampandranomasina eo ambavan’ny ony Gironde. I Médoc, izay any atsimo andrefan’i Frantsa, ao amin’ny faritr’ i Bordeaux, dia manana ny sasantsasany amin’ireo fiotazana sampahom-boaloboka kalaza, mpamokatra divay mena .

«Ahitana filozofia be lavitra ao anatin’ny tavoahangyn-divay mena noho ny boky rehetra izay misy » (Louis Pasteur)

    Any amin’ny tanin’ny Bordelais, ny divay dia hay raha natao ho fantarina raha eny am-pitsangatsanganana ianao, na koa eo amin’ny fotoanan’ny fampahalalana na fanandramana fisotro, na eo ambonin’ny latabatra fisakafoanana. 
Efa ho 2000 taona izao no naha-tanimboaloboka filamatra hanjakam-pilaminana sy fikaliana ny tany bordelais. 
Izy dia hita foana, raha vao misy sombintany kely mora haniriany, ao anatin’ny lohasaha misy alokaloka sy aty ala malaladalaka anirian’ny pin, eo amin’ny havoana kely sy tany avo marintampona, manodidina ny fonenana sy ny trano fiangonana, hatrany afovoan’ny tanàna lehibe sy ny tanàna kely. 
Ny tany nihavian’ny Bordelais tsirairay, hita eo anelanelan’ireo lapabe sy trano kely eny antsaha, fananana ngezabe sy sombintany kely, dia vokatra manokan’ny toetany, topografia, jeôlôjia ary ny tantaran’ny tanim-boaloboka. 
Izy dia vata fitehirizana ny fitsangatsanganana feno harena mampitolagaga sy nandalo fanavaozana hatrany. 
Ny fizarantaona tsirairay avy no mampiova ireo karazan’ny tanim-boaloboka fahita. 
Anisan’ireny ny hetraketraky ny fararano sy ny fanotazam-boaloboka. 
Toy izao no mitranga rehefa ririnina ny andro, ireo mpamboatra divay amatera (œnologues amateurs) izay maniry tsy hihaona amin’ny vahoaka nefa handray anjara amim-pilaminana amin’ny fitsidihana arahim-panandramana fisotro mba hahazoany mampanankarena ny efitra fitehizan-divainy. 
Raha lohataona indray ny andro, dia ny maitso tanora no manjaka toy ny tompo ary zary mihamangamanga kokoa ny oseana. Mamony tsara ny raozy (izy ireny mantsy, fahiny, dia nambolena 

...le Dossier Cliquez-ici

teo akaikin’ny tanim-boaloboka, mba hahazoana mampilaza mialoha ireo mpamboly voaloboka ny amin’ny loza mananontanona, vokatry ny famelezan’ny amboahaolo mpanimba azy aloha). 
Ny fahavaratra no fizarantaona anjakam-pahafinaretana rehetra : ny an’ny ranomasina aloha na ao aorianan’ny fitsidihana sy ny fandramana fisotro. 
     
Lohalaharana amin’ny ireo faritra mahazo mariky ny hatsarana «AOC, appellation d’origine contrôlée» ao Frantsa, ny Bordelais dia 13% n’ny tanim-boaloboka frantsay ary koa 1,5% n’ny tanim-boaloboka volena eran-tany. Koa na mena , na fotsy maina, na fotsy malefaka na rôze ireo divayn’i Bordeaux dia voakilasy ho 57 AOC ( 43 raha toa ka tsy jerena ny lokony) izay mampiavaka ny divay araky ny toerana namokarana azy ary izany dia antoky ny hatsarany ho an’ny mpampiasa azy.Fa, ambonin’ireo toetra iombonany ara-katsarana, ara-tantara na ara-toetany, ny tena mampiavaka ny divain’i Bordeaux dia izy misy tsiro maro karazana sy hafinaretana hafakely. Tsy hoe, azo tamin’ny naha tany nihaviana (terroir) hafakely na noho ny tahomboaloboka fotsiny ihany, fa tamin’ny fahaizana ireo teknika fanaovana tanim-boaloboka sy ireo fomba famokarana divay. 
    
Ny divay tsirairay n’i Bordeaux dia vokatra azo avy amin’ny fifarimbonan’ny toetra mpanasoa sy ny fihetsika voafantina sy notanterahana tamim-pitandremana. 
Tsy latsaky ny dimy farafakeliny ny isany làlan’ny divay, amin’ireo 120 000 hekitaran’ny tanim-boaloboka Bordelais:    
    

          ... Le Dossier  Cliquez-Ici >>

  (Traduction  de L'Edito "Plaisir du vin au creux du Médoc ..."  de Marie Hélène Courroy-Rabefaniraka de Bordeaux )

                par Manantsoa Andriamiarina de Kremlin-Bicêtre

Les Traductions par l'Auteur (FR), Lanto Rakotonandrasana (GB) et Manantsoa Andriamiarina (MG)

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Baby  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !          ... ... Lister  tous les Editos  >> 

    L'Edito : "Adin'Akoholahy hoe ? Kilalao no harena... "

       Anisan’ny trangan’ny fiaraha-monina misarika ny saina ankehitriny ny fampiadiana akoholahy. « Fampiadiana » fa tsy « ady » fotsiny satria zavatra voaomana hatrany amin’ny antsipiriany izay manomboka amin’ny fahafantarana ny karazana akoho, mandalo amin’ny fikarakarana azy isan’andro, mety mifarana amin’ny ady eo an-kianja (raha maty ny akoho) na mitohy ny tantara raha naharesy… Tsy sangisangy intsony ny ady eto fa tsosori-mamba isarahana : ny biby no miady ka ny mpijery (indrindra ny tompony) no mitaintaina sy mitsanga-mitoetra. Hatreto aloha dia ny lehilahy no tena mafana fo amin’ity raharaha ity. Sady kilalao no harena.

   AIZA SY OVIANA ?
     Raha ny manerana ny Nosy dia tsy fantatra mazava ny isan’ny toerana fampiadiana akoholahy. Aleo atao hoe « kianja » no iantsoana azy satria saiky efa misy ny farafahakeliny amin’ny foto-drafitrasa izy ireny (fefy, tafo, fipetrahan’ny mpijery) na dia mbola tsy misy vidim-pidirana aza. Eto Antananarivo sy ny manodidina dia ireto no azo tanisaina : Antsofinondry, Ambohimanarina, Ambatoroka, Vinany, Ankaditany, Tanjombato, Analamahitsy, làlana « By Pass »,… Ny farin’ny herinandro (week-end) sy ny andro tsy iasana (jour férié) no misy ny lalao ary mandavataona fa tsy miato afatsy ny any Antsofinondry izay mijanona rehefa volana oktobra ka miverina indray afaka fotoana fohy (volana vitsy). Miankina amin’ny toe-piainan’ny akoho (amin’ny maha biby azy) koa izany satria rehefa mihitsam-bolo izy dia tsy afaka miady, na rehefa tsy salama ihany koa.
  
KARAZANA INONA ?
    Ny tena mpampiady akoho dia mahafantatra karazan’akoho : Mavolamba, Kalamainty, Kalamena, Kalaantitra, Kanety, Malaho, Bruce Lee, Lita kely, Tsilaizina, Taolana, Tariby, Poizina, Sakay, Kalamalemy, Kômety,… Ny tena 

mpampiady akoho dia tsy mivarotra akoho vavy mihitsy mba tsy hiparitahan’ny karazany tsara ananany. Ny tena mpinamana mifampahatoky anefa afaka manao izany ihany na farafaharatsiny mifampindrana akohovavy.
Raha tena mpinamana no mifampivarotra akohovavy dia tsy latsaka ny 20 000 Ar. Ny akoholahy nandresy iray mety ho lafo manodidina ny 5 ka hatramin’ny 6 hetsy Ar. Izany hoe lafo ny karazana akoho tsara. Afaka manao « croisement » ihany (akoho samy hafa fihaviana) hikatsahana ny karazana akoho tsara kokoa, saingy afaka herintaona eo ho eo vao ho fantatra ny vokatra. Betsaka ny karazana akoho mpiady manerana izao tontolo izao saingy ny fisian’ny gripam-borona (grippe aviaire) no mametra ny fampidirana izany eto Madagasikara.
  
AHOANA NY FIKARAKARANA ?
   Toy ny fitaovam-pamokarana rehetra dia tena mila fikarakarana ny akoholahy mpiady manomboka amin’ny fahakelezany. Toy ny akoho rehetra dia ilaina ny fiarovana amin’ny aretina ka mampiasa vaksiny (pesta, cholera, variole) sy ny fanafody hafa (ody kankana,...), afatsy ny sakafo izay tokony ho tsara sy ampy. Samy manana ny fanaony ny tsirairay. Manomboka eo amin’ny fito volana dia tokony efa haneno ny akoholahy ary mila fanomanana tsara hahatonga azy ho tena « mpiady ». Azo « tsapaina » kely izy aloha ka hampanaovina ady madinika ka rehefa hita fa mety ho sahy sehetra dia halalinina ny fikarakarana azy. Atao tomombana ny sakafo, omena fanafody mampatanjaka (vitamine...), ampanaovina fanatajahantena (hazakazaka, «pompe»), orina amin’ny rano mafana sy mangatsiaka ny tenany,... Miankina amin’ny safidin’ny tsirairay ireo zavatra ireo fa azo lazaina fa tsy latsa-danja amin’ny fanomanana atleta hiatrika lalao lehibe no ampiarina amin’ny akoholahy satria fandresena no andrandraina.
  
TONGA ARY NY FOTOANA
    Mipaika tokoa ny ora hiakarana an-tsehatra. Mifanaraka amin’ny tetibidin’ny loka ny tompon’akoho roa tonta (na mety ekipa roa manohana akoholahy iray avy). Atolotra ny mpitsara ny vola, sasany ny akoho sao sanatria mihosotra zavatra tsy azo atao, jerena koa sao tsy manara-penitra (ohatra fantsy namboarina fa tsy voajanahary). Ny momba ny haben’ny akoho roa tonta dia ny tompony no tompo-tsafidy, satria tsy voatery ho akoho tena mitovy lanja no hiady. Velona ny kiririoka dia manomboka ny lalao. Ny mpitsara sy ny jockey (mpampirisika ny akoho) roa ihany no mahazo miditra ny kianja. Arahana maso tsara raha mivoaka ny faritra ny akoho. Omena iray (1) minitra ny roa tonta hikarakarana ny akoho (tsofina, asiana rora na zavatra hafa ny fery mba hanalefaka ny fanaintainan’ny tratra). Adin’ny roa (2h) no faharetan’ny lalao.    

   "raha resy ny anao dia  tsy mandray vola ianao ( sy ny namanao raha misy) nefa tsy maintsy madoa hofan-tany.Betsaka ny kajy manodidina ny fizarana vola raha mandresy ny akoho: 3% ho hofan-tany, 5% ho an'ny akoholahy (tompony no tiana ho lazaina; indraindray tsy miloka ny tompony fa mampanofa ny akohony fotsiny), dia ny sisa ifampizaran'ny ekipa nandresy.Raha ady sahala dia esorina ny vola tokony aloa ka hikambanana dia zaraina avy eo. Na manao ahoana na manao ahoana, ny tompony, na miloka na tsia dia tsy miala maina fa mahazo ny tokony ho anjarany;"

    Amin’ny ankapobeany dia 3 herinandro aorian’ny ady nataony vao tokony hampiadiana indray ny akoho. Tsaboina sy karakaraina izy mandritra ny fotoana ijanonany io.
  
HO FEHINY
    Hita taratra fa efa mirona kokoa amin’ny fitadiavambola ny mpampiady akoho. Miankina betsaka amin’ny fahazotoana sy ny fikirizana anefa ny fahombiazana, toy ny zavatra rehetra ihany; Tsy kitoatoa mihitsy fa na dia akoho mpiady hatry ny razambeny aza nefa ratsy fikarakarana dia tsy hisy vokatra tsara ho azo. Misy ny fikambanan’ny mpiompy soavaly, misy ny an’ny mpankafy alika, aiza ho aiza ny mpampiady akoholahy. Mety hiteraka adi-hevitra eo amin’ny fiaraha-monina ve ny fampiadiana akoho ? 

Samy hihezaka hamaly izany isika.             ...  Le Dossier...  Klikeo eto >>

                              Mbelo- Razafimbelo Honoré de Soanierana Tana

Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Mbelo  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !  

Edito : "WELCOME RSM 2007... "

  Rencontre Sportive Malagasy 2007 Amerique du Nord (Canada - USA) du Samedi 30 Juin 2007 - Dimanche 1 Juillet 2007...

    RSM est un événement sportif annuel tenu chaque été parmi les citoyens malgaches résidant en Amérique du Nord. 4 équipes étaient impliquées : une équipe est de la région de Washington ( Virginie,  Maryland, Washington, Delaware), une autre équipe de la région de New York (New Jersey , New York et Connecticut) ,  la troisième équipe est le Canada et la quatrième "Out of state" le regroupement de Minneapolis, Ottawa, Toronto, St Tom. 

    Tontosa soa aman-tsara ny Asabotsy 30 Jiona sy Alahady 1 Jolay 2007 teo ny Rencontre Sportive Malagasy - Amerika Avaratra ( Canada - Etazonia) izay natao teto Washington DC ary noraisin'ny RSM Washington DC.Malagasy maro be manerana an'i Amerika Avaratra no tonga nanatrika izany fifaninana izany, ary anisan'izany Ramatoa Eulalie Ravelosoa Mpiandraiki-draharaha ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia sy ny vadiny, Ny Masoivoihon'ny Madagasikara ao amin'ny firenena Mikambana: Atoa Zina Randrianarivelo Razafy sy ny vadiny, ny solontenan'ny ray aman-dreny avy any Canada, ny filohan'ny komitin'ny RSM Washington DC sy ireo maro tsy voatanisa.

      Ny Asabotsy 30 Jiona 2007 tamin'ny 9 ora maraina no natao ny fanokafana ny lalao RSM 2007. Ramatoa Eulalie Ravelosoa Mpiandraiki-draharaha ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia no nanokatra ny fitenenana, narahin'ny Dihy Mirindra izay nataon'ny ankizy Malagasy sy vehivavy vitsivitsy avy ao Washington D.C. Rehefa vita izany dia nanomboka ny filaharana nataon'ireo mpandray anjara rehetra:
Washington DC, Tri-State New York izay nahitana mpilalao avy any New york, New Jersey,Connectcut) Canada, Out of States izay nahitana 

an'ireo mpilalao avy any Minneapolis, Ottawa, Toronto, St Tom. 
Tao aorian'izay no nohiraina ny hiram-pirenenana Malagasy. Ary nambara ofisialy fa misokatra ofisialy ny RSM 2007. 

     Ny taranja Basket Ball ho an'ny lehibe sy Baolina Kitra kitra ho an'ny ankizy sy lehibe no natao ny Asabotsy 30 Jiona 2007. Ary ny taranja Volley Ball sy ny lalao famaranana Basket Ball no natao ny Alahady 1 Jolay 2007.Ny Voka-dalao rehetra sy ny sary dia afaka jerena ao amin'ny tranon-kalan'ny RSM Washington DC:
http://www.masombahiny.com/RSMDC2007.html
     
Ny Alahady hariva nanomboka tamin'ny 4:30 dia nisy ny fiaraha-misakafo izay nomanin'ny Komity mpikarakara ny RSM Washington D.C. sy ny mpikambana rehetra ao amin'ny RSM Washington D.C.
Olona marobe tokoa no tonga tamin'izany, satria nahatratra 520 ireo Malagasy tonga nanatrika izany.
Natao tamin'izany ny fizarana ny amboara ary avy eo dia nodidiana ny "Mofomamim-pihavanana" mba ho mariky ny fifankatiavan'ny Malagasy aty Amerika Avaratra.
Taorian'izany dia dia nisy ny kabary samihafa, ny fanomezana fitenenana ny RSM Canada izay handray ny RSM 2008.
Ary nofaranana tamin'ny fandihizana izay niarahan'ireo Malagasy aty Amerika avaratra nikorana.
Ny masoandro maty no nampalahelo fa satrin'ireo Malagasy foana hikorana.
Marihina manokana fa ny nanao ny Logo RSM 2007- Washington DC dia Jonathan Andriantsivahiny  ... Reportage Foto Klikeo eto
>>

Lanto RAKOTONANDRASANA 

 Webmaster de Masombahiny.com - USA

 

Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

 ... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Lanto  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !  

Edito : "Maman, je t'aime et je ne t'oublierai jamais ...  "        

     La Fête des mères, Cette merveilleuse idée nous vient de l'Antiquité, mais c'est seulement le 20 Mai 1950 que cette fête fera l'objet d'une loi qui institutionnalisera ce jour de Mai. Cette année nous fêtons donc la  57ème fête des mères le 3 juin . Alors, plus que jamais, bonne fête à toutes les Mamans du monde ! 

     Toutes les mamans sont en général très attentives à leurs enfants, mais certaines mères le sont beaucoup, beaucoup plus que les autres. On les appelle des "mères poules", voire « les mères juives » … car elles "couvent" leurs enfants, elles veulent les protéger de tout, les garder "sous leurs ailes". Mais les enfants doivent aussi apprendre à se débrouiller tout seuls pour grandir.

Mère
Toy inona ny hafaliana sy hasambarana
Vao maraina
Zazavavy kely roa amin’ny maso baribary
Teny mamy, teny foana,
Tonon-kalo am-pitiavana,
Atolony amin’ny fo feno !

Ary hisaorako ny lanitra
Nanolotra ny fanomezana kanto indrindra
Ireo zaza roa angola ireo !
Fa Andriamanitra hanome hery
Hiainana sy hanohizana ny dia
Mba hijanona maharitra
Hitantana ireo tanan-janako.

26 mai 2002

   Neny

Tsy nanoratra ny tanako afa tsy ny ferapara ho anao
Tsy nisaina koa ny lohako afa tsy ny fandaharana ny fanompoam-pivavahana ho anao
Tsy nahatsiaro koa ny peniko afa tsy ny tantaram-piainanao.


Neny, ilay olo-mamiko indrindra
Tao am-poko tsara rindra
Neny, ilay natahorako indrindra
Tao an-tsaiko nisy fefy


Neny, ilay nizara mamy indrindra
Tao amin’ny fiainako omaly
Neny, ilay tsy hisy ahasolo
Na anatra na ny tamby
Neny, ilay tokana tsy miova
Ao am-poko mandram-pialako eto ho any.

25 janoary 2003

      S'il y a un nom que nous prononçons presque chaque jour, c'est "maman" ! car elle est là pour nous, nos douleurs, nos peurs et aussi nos joies. Elle pleure pour nous, prie pour nous ses enfants, qui cadrent sa vie et créent ses soucis, mais elle est toujours là! Et même quand nous sommes indépendants et avons construit notre propre chemin, elle nous suit, nous guide et nous appuie! 

          Oui, elle est toujours là pour nous! Et même après sa mort, elle est toujours dans nos coeurs, et dans notre pensée quand nous affrontons un obstacle, nous fermons les yeux et nous demandons : "Maman, toi qui me conseillait si bien, que dois-je faire?" Et cet amour qu'elle a laissé dans notre coeur nous aide à traverser cette aventure si merveilleuse : La vie que Maman nous a donné !"   ... Le dossier Fête des mères Klikeo eto >>>

                       Emma Razafintseheno  à Antsiranana 

                                     Les Tableaux de RANDRIANARISOA Nirina    + de détails cliquez ici  >>

Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

 

 

... Et encore et encore "nody ventiny ny rano nantsakaina", Emma  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !  

Edito : "Histoire ...Taloha fahagola ilay tanindrazako  "

    hafatra kely :" Mba tsapan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao ve ny mety ho fiainany raha tsy nisy ny 29 mars 1947? dia mba misy na dia sombiny aza « sitraka » noho ilay rà latsaka ho ahy ? ho anao? ho antsika? Ve ao anatin’ny tsirairay amin’izao fotoana izao ? aiza ilay « hambo » sy ilay « rehareha » fa tena mendrika ilay tolona nahafaty ireo tia tanindrazana ho an’ny taranaka malagasy tsy ankanavaka ? aiza ka roa taona misesy amin'ity izao dia tsena be omen’ny fanjakana alalana ara-dalàna no hihazakazahan’ny maro amin’ny andron’ny 29 mars! izay tokoa ilay "Iarivo mandroso!" sa ilay « Iarivo miha-very fanahy maha-tia tanindrazana » ?"        

            Taloha fahagola ilay tanindrazako

                      Feno haravona, kalo sy ny dihy

                      Taloha fahagola ilay tanindrazako

                      Feno voninahitra, hasambarana, hatsaram-panahy

                      Taloha fahagola ilay tanindrazako

                      Feno olon-kendry mahay sy Ray aman-dReny

                      Taloha fahagola ilay tanindrazako

                       Feno voankazo, vary sy hazan-drano koa

                       Taloha fahagola ilay tanindrazako 

                       Feno loko maron’ny fahatsoran’ny fiainana.   

      Taloha fahagola ilay tanindrazako

           Feno fahankalana, ratram-po sy fahavalo

           Taloha fahagola ilay tanindrazako

           Feno mpamadika, mpialona sy olon-dratsy

           Taloha fahagola ilay tanindrazako

           Feno loko mena, mainty ho fisaonana

           Taloha fahagola ilay tanindrazako

           Feno gogogogo, kiaka sy ranomaso  

                   Indray andro any hono ilay tanindrazako

                               Feno fahendrena, fanadinona, ts’isy lolom-po

                               Indray andro hono ilay tanindrazako

                               Ho feno voninkazo, kotaba sy ny dihy

                               Indray andro any hono ilay tanindrazako

                               Ho feno fihavanana, fitiavana, firahalahiana.

                                           Emma RAZAFITSEHENO (Antananarivo Madagascar)

Voir la suite  Cliquez-ici   

             Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Emma  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

Vaingandahatsoratra : "Iza no mahita vehivavy tsara ?... " 

 

Le 08 mars 2007 c'est la  "Journée de la femme 2007" .

Pourtant majoritaires sur terre, les femmes sont les premières victimes des inégalités. Sur 1,5 milliard d'êtres humains qui vivent dans la pauvreté, 70 % sont des femmes.

"Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto... " (Chapitre 31 des Proverbes dans la Bible, du verset 10 au verset 31) 

   Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihaotra lavitra noho ny voahangy. 

Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana  azy .

Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra hiainany.

Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.

Toy ny sambon'ny mpandranto izy, ka avy any alin'ny lavitra no itondrany ny haniny.

Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina hoa an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.

Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanimboaloboka.

Misikina irery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.

Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.

Mandray  ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany  mihazona  ny ampela.

Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny , mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.

Tsy manahy ny orampanala ho amin'ny ankohonany izy; Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.

Manao  firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy;

"Les hommes ont le génie de la vérité, les femmes seules en ont la passion. Il faut de l'amour au fond de toute les créations. Il semble que la vérité a deux sexes, comme la nature. Il y a une femme à l'origine de toute les grandes choses." [ Lamartine]       

Ny lahy  dia halaina eo am-bavahady, Raha miara- mipetraka eo amin'ny loholona.

Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.

Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.

Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindrampo no eo amin'ny lelany.

Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy, Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.

Ny zanany  mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:

Maro ny zazavavy nanao soa, Fa hianao manoatra noho izy rehetra.

Fitaka ny  fahahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina;

Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo ambavahady.

...le talmud hébreux se termine en disant... "Prends bien garde de ne jamais faire pleurer une femme, car Dieux compte ses larmes"

                                    Haritiana Langlois (Unicef à Phnom Penh Cambodge)                  Klikeo eto >>

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Haritiana Langlois  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance ! 

Et en l'honneur des femmes voici quelques citations:

Première femme cosmonaute au monde

- " Si Dieu n'avait pas fait la femme, il n'aurait pas fait la fleur".  [ Victor Hugo]

- " Si l'homme construit les routes, la femme trace les chemins." [André Lévy]

- " Femmes, c'est vous qui tenez entre vos mains le salut du monde". [Léon Tolstoï] - "  

 

Wangarin Maathai (Prix Nobel de la Paix 2004)

Indira Gandhi

Muhammad Yunus (Prix Nobel de la Paix 2006)

- " Si Dieu n'avait pas fait la femme, il n'aurait pas fait la fleur".  [ Victor Hugo]

- " La femme est l'avenir de l'homme" .   [Jean Ferrat]

  - Que l'on gagne le cœur des femmes et le peuple tout entier suivra".  [Jim Fergus]

Vaingandahatsoratra : "Aimer au creux des hautes terres... "

    L'amour est le plus beau sentiment qui dévore nos coeurs avec ardeur, surtout quand nous fermons les yeux et le paysage de ce pays nous hante et nous berce, alors l'espoir renaît que cette année sera la meilleure"

    
   Ny vohitra salovan’ireo lavaka
        Simba, rotika noho ny hetraketraky ny olona
        Ireo lohasaha mavana rotsian’ny rian-drano
        Ny ala maintso kitroka miangola tena lafatra
        Ilay lalankely lalina sahondran’ny rotsa-kazo feno hagagana
        Misy dobo tarafin’ny loko maitso mavana
        Mitaratra ao koa ny aloky ny hendry avy anaty tany
        Hivohizako ily hafatra feno fitiavana.

         Ilay tanana mitokana, tsotra nefa mihaja
        Amin’ny tafo bozaka milanto sy malefaka
        Ny loko volontany
        Itarafana ny vary masaka mavo eny an-tanimbary
        Misy hafatry ny ho avy sy ny mandrakizay.
        

      Raha ho tonga iny alina
         Ka ho tony koa ny mponina
         Mody hatory koa ny masoandro
         Lasa ny rahona arahim-peom-baliha
         Mikiaka ny rivotra any an’ala

 

 Emma RAZAFITSEHENO (Ankilizato Morondava )

... Voir la suite  Cliquez-ici

 Traductions par l'Auteur

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Emma  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

Vaingandahatsoratra :"Arahaba !... Solombodiakoho "

    Pour honorer nos parents et nos ainés ...
   
Hoy ny fitenenana : « Raha tonga ny andro fandroana, ny vodihena ho an’ny andriana ; raha avy ny andro hampakarana, ny vodiondry ho an’ny rafozana ; raha tonga kosa ny asaramanitra, dia vodiakoho no omena ny raiamandreny ». Hitantsika amin’izany fa samy nanana ny hanitra ho azy avy ny fanajana teo amin’ny Ntaolo razantsika ary izany kolontsaina sy fahendrena izany no mbola toavintsika taranaka ankehitriny.

   Ho an’ny tonon-taona toy ny taombaovao (na ny fandroana taloha izay fetim-pirenenea lehibe), dia tena fomba tsara indrindra ny manome voninahitra ny raiamandreny. Tsy ny nahitana masoandro ihany fa  ireo rehetra azo lazaina fa zokiny amin’ny taona (zokibe toa ray) eo amin’ny fianakaviana sy ny firahamonina. Rariny sy mety tokoa raha ny zandry, zanaka no mamamgy ny raiamandreny sy manao izany amin’ny alalan’ny fanolorana ny solombodiakoho izay matetika vola  ankehitriny , arahana fiarahabana nahatratra ny taona  sy ombana ny firariantsoa saha izany. Eo amin’ny fifanajana  rehefa miara misakafo ny mpianakavy dia ny vodiakoho no fanomezam-boninahitra ny zokiny satria ny rafi-piarahamonina malagasy dia manome lanja manokana ny lehibe. 

    Nampiasaina ny akoho satria io no ananan’ny rehetra afatsy ireo tena farahidiny. Ny akoho no fandray matetika : raha tonga vahiny, raha tsy salama dia alain-drony ny vatotr’akoho. Ny vodiakoho koa dia malemy sy tsara tsiro.Ny solony no omena rehefa mamangy ka izany no ampiasana ny vola ho solombodiakoho. Ny zandriolona kosa dia tolorana solompenakoho, satria mifanaja ny Malagasy. 

                                                        Razafimbelo Honoré alias Mbelo (Soanierana- Antananarivo)

Traducteurs: Aimée et Jafetra Ramilijaona

 

 Les Traductions :

... Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Mbelo  a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

avec HazoManga le 25 juin 2006 à Bonneuil (94)

Vaingandahatsoratra : "Tsy Aritra ! ... "  0643  

    Raha mba mitsidika fianakaviana any ivelany any hianao indrindra any Frantsa dia mahatsapa fa efa tena lasa lavitra tokoa ny tanora eo amin'ny fomba fahatakarana lafim-piainana maro. Tsara izany ary tsy mahagaga satria efa lasa lavitra ny siansa sy ny teknolojia any. 

   Fa ny maha lasa eritreritra dia ny mahita fa ny ankabeazan'ireo tanora dia na miankaviavia, na tsy mahazo, na tsy mahay mihitsy aza ny tenin-drazantsika malagasy.

   Tsy hanomezan-tsiny azy izany satria ny androtokon'androny dia any am-pianarana izay tsy ahitana teny malagasy.

Koa asa na mety na tsia izay fotoana kely mba maha ao an-trano azy no ikezahan'ny Raiamandreny miresaka aminy amin'ny teny malagasy ; ampianarina azy koa ireo fomba amam-panao. Fantatra fa tsy mora izany satria iaraha-mahalala ny fahateren'ny fotoana.

 

   Mba ireharehana ihany mantsy ny maha malagasy ny tena rehefa any ivelany any, na amin'ny fomba amam-panao na amin'ny fiteny.

Claude Ratsifasoamanana (Betongolo- Andrainarivo)

 

... Et encore et encore "nody ventin'ny ny rano natsakaina", Claude Ratsifasoamanana a répondu à notre appel de publier des Editos, maintenant à qui le tour? On vous attend edito men et edito women. Merci d'avance !   

     Traducteur: Tano Ratsimbazafy

Les Traductions :

 

 

   

 

***

RETOUR AU SOMMAIRE  des MadaVôvô

 Accueil du site ARR

Accueil du site Rainizafimanga

  Accueil du site d'Animation ARR